Aotrisiana Sy Alemà An-jatony Miarahaba Tonga Soa Ireo Mpitsoa-Ponenana Avy Any Hongria

Vienna, Austria. 1 September 2015 -- A banner is held up by a group welcoming refugees arriving from Syria and Afghanistan at Vienna Railway Station where they plan to stay overnight en route to Germany. Photo by Martin Juen. Copyright Demotix

Vienne, Aotrisy. 1 Septambera 2015 — Sorabaventy tazonin'ireo vondrona mpandray ireo mpitsoa-ponenana avy any Syria sy Afganistana tao amin'ny garan'i Vienne izay ikasàny ijanonana in-dray alina alohan'ny hanohizany ny diany ho any Alemaina. Sary avy amin'i Matin Juen. Fizakàmanana Demotix

Nifamory mba handray ireo mpitsoa-ponenana an'arivony izay tonga tamin'ny fiarandalamby avy any amin'ny sisintany Hongroà ireo teratany Aotrisiana sy Alemà ny 1 Septambra teo.

Ny omalin'io, navelan'ny mpitandro filaminana Hongroà tao amin'ny gara tany Budapest hiditra tampoka tao anaty fiarandalamby ho any amin'ny sisintany Aotrisiana ireo mpitsoa-ponenana. Teo aloha anefa dia noterena hijanona tao amin'ny gara sy tany amin'ireo toby vonjimaika any Hongria ireo mpitsoa-ponenana ireo.

Tantarain'ilay mpanao gazety, Christoph Schattleitner, ny tao amin'ny gara tao Vienne ny Alatsinainy tamin'ny 10 ora alina, olona an-jatony no tonga niaraka tamin'ireo vatsy novidian-dry zareo tany amin'ireo trano lehibe fivarotana teny akaiky teny. Ny fitobahan'ny rano, ny sakafo ary ny kojakojam-pidiovana no nanery ireo sehatra sasany hihidy. Voatery niangavian'ny manampahefana ny olona mba tsy ny hanolotra fanomezana intsony .

Rehefa tonga tao Vienne ireo lazaina fa mpitsoa-ponenana avy any Afganistana, Eritrea ary Syria ho any Alemaina dia noraisina tamin'ny horakoraka sy ny tehaka :

Nirefodrefotra ny tehaka. ‘ Miarahaba ireo mpitsoa-ponenana’ i Aotrisy.

Hafaliana any amin'ny gara Andrefana

Voulunteers organize donations at the train station in Vienna. Picture by  Die Grünen Wienen.  Used with permission

Ireo terem-panahy mikarakara fanomezana ao amin'ny gara any Vienne. Sary avy amin'i Die Grünen Wienen. Nampiasaina rehefa nahazoana alàlana.

Mpitsoa-ponenana maherin'ny 3.000 no tonga tany Munich any atsimon'i Alemaina ny Talata maraina. Mbola tany Alemaina ihany koa, nifamovory tao amin'ny gara ny olona mba handray sy hanampy ireo mpitsoa-ponenana reraka amin'ny alàlan'ny fanomezana. Ny tenifototra #trainofhope ( fiarandalambin'ny fanantenana) no nampiasaina mba hifandaminan'ireo terem-panahy, hilazàna ny zavatra azo atolotra sy ny vokatra ilaina ary ilazàna amin'ny olona ny fomba ahafahany manampy.

#refugeeswelcome ( fandraisana ireo mpitsoa-ponenana) araka izay azo atao: Narahana [ avy eny amin'ny gara] ny fianakavian'ny mpitsoa-ponenana. Milahatra manao fefy miaraka amin'ny elo ireo mpanohana, mizara kilalao malemilemy (saribakoly vorodamba).

Tena nahavariana izany androany

Mandamina ny fanomezana manoloana ny gara foibe ireo mpanohana

Farany, nasain'ny mpitandro filaminana any Munich naaton'ny olona ny fanomezana :

Aoka mba tsy hitondra entana intsony aloha azafady. Ampy ho an'ireo mpitsoa-ponenana efa tonga sy ho avy androany ireo fanomezana eo an-tànana

Niangavy ny olona ireo vondrona sasany mba hanolotra findainy afaka mahazo wifi ary ireo fivarotana ao amin'ny gara foibe mba hanokatra ny ‘router’-ny ho an'ireo mpitsoa-ponenana vao tonga :

Te hametraka Wifi ao amin'ny gara foibe ao Munich izahay. Misy trano fivarotana akaikin'ny gara izay mety hametraka ‘router’ ve ?

Niantehitra betsaka tamin'ny hatsaram-panahin'ireo teratany Alemà ireo mpitsoa-ponenana tonga any Alemaina hatramin'izao, raha toa ka mampitombo hatrany ny ezaka ataony kosa ny governemanta. Nambaran'i  Alemaina tamin'ny herinandro lasa fa aleony mamela ireo mpitsoa-ponenana syriana rehetra hijanona sy hitady fialofana toy izay handroaka azy ireo any amin'ny seranana voalohany nidirany araka ny fitsipiky ny Firaisambe Eoropeana.

Be dia be ireo mpitsoa-ponenana any Eoropa amin'izao fotoana izao noho ny ady any Syria, Afganistana ary Iràka, sy noho ny herisetra sy korontana any amin'ny ampahany ao Afovoany Atsinanana, Azia Atsimo ary Afrika. Miha-mitombo ireo famakivakiana mampidi-doza an'i Mediterane. Hatramin'izao dia ireo firenena manamorona toa an'i Gresy sy Italia no mandray mpitsoa-ponenana sy mpitady fialokalofana be indrindra, raha toa ka lavin'ireo firenena any Eoropa atsinanana toa an'i Hongria, Slovakia, Repoblika Tseky ary Polonina ireo fangatahana  fandraisana anjara mba hitsinjaràna ireo mpitady fialokalofana ao amin'ireo fanjakana mpikambana anatin'ny Firaisambe Eoropeana.

Raha mbola sahiran-tsaina amin'izay ho fomba hamahàna ny krizy ireo mpitarika Eoropeana, ny olona kosa mamoy ny ainy amin'ny fiezahana hahazo ny fiarovan'ilay tanibe. An'arivony ireo maty na tsy hita popoka any Mediterane, araka ny tatitra avy amin'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana. Tamin'ny faran'ny volana Aogositra, nisy  fiara be nisy vatan'olona 71 hita teny amin'ny sisin-dàlana iray tany Aotrisy; heverina ho mpitsoa-ponenana, sempotra ireo niharan-doza ireo hoy ireo manampahefana.

Raha nizotra ho any Alemaina ireo mpitsoa-ponenana tamin'ity herinandro ity, maro ireo mpisera amin'ny aterineto no naneho ny fankasitrahany sy ny fanajàny ho an'ireo onjam-piraisankina teo amin'ny Alemà sy ny Aotrisiana :

Tsy ho ampy ny fisaoranao ireo olona noho ny fanohanany, ireo izay manampy ny mpitsoa-ponenana tonga eny amin'ny fiantsonan'ny fiarandalamby na any an-toeran-kafa. MISAOTRA !

Fa misy zavatra ifotony tena mandeha tsara mahitsy eto amn'ity firenena ity. Matetika tsy ahoanao izany, fa androany tsy azo odian-tsy hita izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.