Sehon'afisy mampifandrohy an'i Havana, Tehran ary Seattle

A triple of posters from left to right: “Take Heed, Hold Fast the Rope of Mother Wit” by Shahrzad Changalvaee (Tehran); “La Casa de Bernarda Alba” by Darwin Fornés (Havana); “A Family X-Mas” by David Gallo (Seattle). Credit: SHT Show

Afisy telo avy aty ankavia miankavanana: “Take Heed, Hold Fast the Rope of Mother Wit” [Mitandrema, Hazony mafy ny tadin'ny fanahy reny] avy amin'i Shahrzad Changalvaee (Tehran); “La Casa de Bernarda Alba” avy amin'i Darwin Fornés (Havana); “A Family X-Mas” avy amin'i David Gallo (Seattle). Namoaka: seho SHT

Ity lahatsoratra sy tatitra radio ity dia nataon'i Nina Porzucki ho an'i The World ka nivoaka voalohany tao amin'nyPRI.org tamin'ny 2 Septambra 2015, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Inona no azonao rehefa mampitambatra mpahay ravaka afisy avy ao Seattle, Havana ary Tehran ianao?

Seho SHT iray mazava loatra.

Tamin'ny voalohany, folo taona lasa izay, i Daniel Smith, mpifantina [afisy] sy mpahay bika monina ao Seattle niainga tamin'ny hanaovana sehom-pandravahana afisy Seattle–Havana–Tehran raha nitsidika an'i Kiobà nandritra ny fifanakalozana ara-kolontsaina izy.

“Tamin'izany fitsidihana izany aho no nahita ny asa mahatalanjona sy nahita va be itovitovizana amin'izay mitranga any Seattle ny zava-mitranga any eo amin'ny endrika lasoàn'ny afisy sy ny votoatin'afisy tsy mampino. Nieritreritra aho fa mila miaraka izahay hanao fampirantiana iray,” hoy i Smith.

“Ellie Goulding” by Jon Smith in Seattle (pink stripes); “Hippies” by Fabian Muñoz in Havana (roller-skates); “The Individual Is Always the Exception (In Memoriam of Morteza Momayez) by Homa Delvaray in Tehran (unicorn).

“Ellie Goulding” avy amin'i Jon Smith ao Seattle (tsipitsipika volon-draozy); “Hippies” avy amin'i Fabian Muñoz ao Havana (roller-skates); “Maningana avokoa ny tsirairay (ho fahatsiarovana an'i Morteza Momayez) avy amin'i Homa Delvaray ao Tehran (tokatandroka).

Tamin'ny dia voalohany nankany Havana io i Smith no nifanena tamin'ilay Kiobàna mpandravaka Pepe Menéndez

“Tsy mahalala izay zava-mitranga any Seattle aho tamin'io fotoana io,” hoy i Menéndez, “Nilaza tamiko momba ity afisi-tsehatra ankira ity i Dan ary gaga tokoa aho sy nientanentana mba ho anisan'ny mpandray anjara [amin'ny seho] hatrany amin'ny fanombohany mihitsy.”

Niafara tamin'ny fiarahana miantina seho Havana–Seattle tamin'ny 2008 izany, izay nahombiazana tokoa tao amin'ny firenena roa tonta.

Avy eo i Smith nanomboka niasa niaraka tamin'ny Iraniana mpikolo ravaka Iman Raad hifantina afisin-dravaka  amerikana sy iraniana atao seho. Avy eo i Smith nieritreritra hoe maninona raha mifantina hanaovana seho miaraka amin'ireo mpahay ravaka avy amin'ny firenena anankitelo izao.

“Any Havana sy Tehran dia bitika ihany ny vondrom-piarahamonin'ny mpahay ravaka. Ao Seattle misy vondrom-piarahamonina mpanao afisin-kira mifandray akaiky, ka azonay tanterahina tokoa ny mijery izay mitranga any amin'ny tanànanay sy haka afisy sy sary ka hilalao avy eo,” hoy i Smith.

“Blondie at Marymoor” by Ames Bros in Seattle; “Metalros” by Raúl Gonzálex in Havana; “Jewelry as Sculpture 2” by Mehdi Fatehi in Tehran.

“Blondie at Marymoor” avy amin'i Ames Bros ao Seattle; “Metalros” avy amin'i Raúl Gonzálex ao Havana; “Jewelry as Sculpture 2” [firavaka atao sokitra 2] avy amin'i Mehdi Fatehi ao Tehran.

Nifandefa afisy tamin'ny alalan'ny mailaka i Smith, Menéndez, ary i Raad. Nanavatsava fandravahana anjatony ry zareo mandrapahitan-dry zareo ny afisy ampidirina amin'ny seho.

Rehefa mahita ny afisy isa-pirenena eo ankilan'ny iray ianao dia ho gaga mahita ny fahasamihafan'endrika hita, nefa ireo afisyy rehetra ireo ahitana fitovitoviana avokoa.

“Tsy mahagaga ahy loatra intsony raha maro ny fitovitoviana. Raha nankany Tehran aho, raha nankany Kioba  aho, dia maro ny zavatra mampifandrohy antsika nefa tsy fantatsika izany — angamba noho ny tsy fahitantsika mihitsy ireny zavatra ireny amin'ny media. Farafaharatsiny eto Amerika dia tsy mbola nahita an'i Tehran mihitsy isika. Tsy afaka maka sary antsaina aho hoe tahaka ny ahoana ny tanàna sy ny olona. Tsy mampino ny olona fa mitady ny zavatra tadiavintsika ihany koa ny olona, fifandraisana tsara kokoa,fihavanana tsara kokoa,” hoy i Smith.

Miresaka fifandraisana tsara kokoa ihany, rehefa tsy maintsy nanangona ireo afisy taratasy i Smith vao nanomboka ny tena fifantenana. Tsy afa-mifandefa mailaka mampifandray an'i Havana sy Tehran ary Etazonia ny tsirairay hany ka tsy maintsy alefa tanana ny afisy tsirairay.

“Tsy misy zavatra mijoro amin'ny filazana anay ho miasa miaraka. Miasa miaraka amin'ny komonista ao Kiobà na miasa miaraka amin'ny Iraniana, tsy misy ny sakana amin'ny fanaovana izany ankoatra ny fiezahana hahazo ny afisin'ny hafa. Fa ny hakanton'ny afisy dia azo fonosina anaty fantsona ary atolotra an-tanana amin'ny hafa,” hoy i Smith.

“Nude” by Chad Lundberg in Seattle; “En el Cuerpo Equivocada” by Edel Rodríguez (Mola) in Havana; “TrunKated, 2nd Episode, Solo Show” by Bita Fayyzai in Tehran.

“Nude” [boridana] avy amin'i Chad Lundberg ao Seattle; “En el Cuerpo Equivocada” avy amin'i Edel Rodríguez (Mola) ao  Havana; “TrunKated, 2nd Episode, Solo Show” avy amin'i  Bita Fayyzai ao Tehran.

Misokatra amin'ny faran'ity herinandro ity ao anatin'ny Fetiben'i Bumbershoot ny Sehom-Pandravahana afisy Seattle, Havana, Tehran, na Seho Afisy SHT izay atao ao Seattle.

Handeha ho any Kiobà sy Iran ny seho SHT amin'ny herintaona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.