Dia lavabe sy mampididoza nataon'ny Syriana iray hialokaloka any Eoropa

Kos, Greece. 15 August 2015 -- Syrian migrants arriving on an overcrowded dinghy along the coast of the Greek island of Kos at Psalidi beach near to the luxury hotel complexes of the island. Photo by Wassilis Aswestopoulos. Copyright Demotix

Kos, Gresy. 15 Aogositra 2015 — Syriana hialokaloka tonga tamin'ny lakana iray feno olona manamorona ny moron-dranomasin'ny nosy grika ao Kos eo amin'ny “torapasik'i’ Psalidi akaikin'ny fanorenan'ny fandraisambahiny mirentirentin'ny nosy. Sary nalain'i Wassilis Aswestopoulos. Copyright Demotix

Lahatsoratra sy tatitra radio nataon'i Shirin Jaafari hoan'ny The World nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 25 Aogositra 2015, ary nivoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Niditra tao amin'ny sambo i Thair Orfahli tamin'ny fahafantarana fa mety ho faty izy. Saingy izany ihany koa no atrehiny raha nijanona tao Syria izy.

Ora vitsy monja mialoha izao no nametraka veloma ny namany izy, nanolotra ny solosaina findainy — ny fananany lafovidy indrindra. “Niteny tamin'ny namako aho fa rehefa tsy tonga aho dia afa-miantso ity laharana ity ary hanome ny zavatra rehetra amin'ny fianakaviako,” hoy izy nampahatsiahy.

Orfahli dia iray amin'ireo lehilahy, vehivavy, ankizy an'arivony mandositra ireo firenena ao Afovoany-Atsinanana ravan'ny ady. Miantso an'i Syria ho tanindrazana izy — na farafaharatsiny zatra tamin'izany.

Tsy vao ela izay, mpianatra lalàna tao Libanona izy. Niverina nody nitsidika hatrany ny fianakaviany tao Jobar, tsy lavitra ny renivohitra Syriana ao Damaskosy, izy. Tsara ny fiainana tamin'izany.

Avy eo tonga ny ady. Nihamafy ny ady mahery teo amin'ny tafika Syriana sy ny mpanohitra.

Lasa toeram-piadiana i Jobar. “Tena nampididoza izany. Betsaka ny baomba, baomba, baomba,” hoy izy.

Avy eo nihananjavona tsikelikely ny lehilahy teo amin'ny manodidina, na voatery hiady ao amin'ny tafika Syriana navoahidy satria heverina ho mpikamban'ny mpanohitra.

Tamin'ny 2012, tsy azo niainana intsony tao Jobar. “Nalaiko ny ankohonako sy ny reniko sy ny anabaviko ary nandositra tao Libanona izahay,” hoy i Orfahli nampahatsiahy.

Saingy na tao Libanona aza dia tsy nahatsiaro ho nilamina izy. Amin'ny mahatanora sy mahasyriana tsy manana fahasembanana azy dia matahotra izy ny mety hisamboran'ny mpanohana ny fitondrana syriana azy ka handefasana azy mody hiady. Nampihoronkoditra azy ilay eritreritra. Ka dia hitany fa tokony hikisaka indray izy. Mandeha irery amin'ity indray mitoraka ity.

“Tamin'ny 2013, lasa mpialokaloka mandositra ady tao Ejipta i Thair,” hoy i Sara Bergamaschi, namana akaikin'i Orfahli.

Bergamaschi, izay Italiana ary miasa hoan'ny Firenena Mikambana, dia nihaona tamin'i Orfahli nandritra ny dia iray nankany Syria tamin'ny 2009.

“Saika niara-nandany ny andro niaraka izahay,” hoy ravehivavy, “Niaranitsangatsangana nanerana ny firenena izahay. Lasa toy ny mpianadahy.”

Nilaza i Bergamaschi fa tsy ela taorian'ny nifindran'i Orfahli nankany Ejipta, dia nanomboka nitady asa izy. Tokana ny olana: mila taratasy fahazoana miasa izy.

“Araka ny lalàna ejipsiana dia mila mangataka io taratasy fahazoana miasa io avy amin'ny fikambanana arabo ara-dalàna iray ao amin'ny firenenao,” hoy ravehivavy.

Raha tsorina, mila miverina mankany Damaskosy i Orfahli ahafahany maka fahazoan-dalana. Mandritra izany fotoana izany dia mihalany haingana ny “visa”-ny satria nieritreritra izy fa tsy hiharatsy ny toe-draharaha, saingy niharatsy izany. Nisy nangalatra ny pasipaorony. Rehefa sady tsy manana pasipaoro no tsy manana taratasy fahazoana miasa dia tsy maintsy manao zavatra haingana. Nanapa-kevitra ny handeha ho any Eoropa izy.

Noho ny fahamaroan'ny mpialokaloka Syriana mitady lalana mankany Gresy sy Italia dia tsy sarotra ny mahita mpanondrana an-tsokosoko. Antso roa taty aoriana, nahita ny mpanondrana azy i Orfahli.

“Nilaza tamiko izy fa mila 2500 dolara,” hoy izy. “Nilaza aho fa 2000 dolara ihany no ananako. Raha mila ianao dia omeko anao fa raha tsy mila dia hitady olon-kafa aho,'” hoy izy.

Nanaiky ilay mpanondrana an-tsokosoko. Nampanatena an'i Orfahli izy fa ho tonga ao Italia ao anatin'ny dimy andro.

Saingy ny tena fotoana lany nahatongavana tao? Folo andro sy 12 ora. Nandalo andro mahaana mihoatra ny folo andro an-dranomasina i Orfahli niaraka tamin'ireo mpitady fialokalofana mihoatra ny 100 hafa.

Nanome ny kaonty Twitter-ny tamin'i Orfahli ilay mpihira Aostraliana Cody Simpson ahafahany mandefa an-tsioka ny diany.

Ambony sambo iray mankany Italia miaraka amin'ny mpitady fialokalofana sy mpifindra monina 234 hafa. Tsy mampino ny tanjaky ry zareo.

Misy olona antitra, bevohoka ary ankizy kely niaraka tamindry zareo tamin'ny dia.

“Natahotra ny rehetra. Tsy nanantsakafo izahay, tsy betsaka ny rano nanananay ary naloto dia naloto izany rano izany,” hoy izy nampahatsiahy.

Tsy maintsy teo amin'ny tokotanin-tsambo no natorian'ny sasany amin'izy ireo ary anisan'izany i Orfahli. Nangatsiaka dia nangatsiaka ny alina ary vao maika naharatsy izany ny onjan-drano nitopatopa nankao amin'izy ireo.

Rehefa nandeha ny andro dia mihamanahy hatrany ny mpandeha. Manontany tena ry zareo raha ho tonga any amin'ny morontsiraka akory aza.

Farany tonga ihany izany. Tonga teo amin'ny morontsirak'i Sisily ny sambon-dry zareo.

Noraisin'ny fianakavian'i Bergamaschi i Orfahli.

“Tonga naka azy ny dadako ka faly tokoa ny rehetra,” hoy ravehivavy. “Eny fa na ny raiko aza dia tsaroako niteny tamiko hoe, ‘Sara, gaga aho mahita ity boay ity fa tena tsy misy na inona na inona tokoa any aminy fa ny findainy kely iray monja ary feno lavaka ny kirarony saingy faly dia faly tokoa izy. Tsy azoko.’ Ary izaho toa niteny hoe, ‘Ye, papa, faly izy satria velona. Feno fankasitrahana ny fiainana izy.'”

Feno fankasitrahana tokoa izy, tsy nijaona ela tao Italia. Mbola hanavatsava sisintany maro izy. Alemaina no tiany andehanana.

Ary dia any izy amin'izao fotoana izao. Nanao fangatahana hialokaloka izy ary miandry ny valiny. Tahaka izany koa ny fiankaviany, niteny i Orfahli fa feno fanahiana ry zareo manerana ny Afovoany-Atsinanana. Any Arabia Saodita ny iray amin'ny mpiray tampoho aminy, ny hafa any Jordania, Torkia ary Libanona.

Taorian'ny dia lava sy mampididoza dia tonga aty Munich aho, ny vavahady fidirana ho an'ny mpifindramonina maro. [Mizara ny mahaolona]

Tao anatin'izay andro maromaro izay dia ao amin'ny toby fialokalofana iray ao Alemaina izy, nandany ny androny amin'ny fianarana teny anglisy sy alemana.

“Tiako ny toby ialokalofako fa afa-diana tsara aho,” hoy izy. “Tiako hohadinoina ny zavatra rehetra tany Ejipta, ny olana rehetra tany Syria, ny olana rehetra tao an-tsambo.”

Ho an'i Orfahli, amin'izao fotoana izao, fananganana fiainana vaovao izao no atrehina eo amin'ny toerana lazainy ankehitriny fa tranony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.