Siansa-Famisavisana Shinoa Nandrombaka ny Loka Hugo Tantara Foronona Tsara Indrindra

2015 Hugo Awards Best Novel goes to Chinese writer Liu Cixin. Image: Book covers of Liu's first two trilogy.

Loka Tantara foronina tsara indrindra Hugo 2015 lasan'ilay Shinoa mpanoratra Liu Cixin. Sary: Fonom-bokin'i Liu roa voalohany amin'ny tantara misy fizarana telo.

Tamin'ity taona ity ny nahazo ny voalohany avy amin'ny mpamaky-mpankasitraka amin'ny tantara foronina tsara indrindra dia lasan'ny OLan'ny Vatana-Telo, fizarana voalohany amin'ny boky misy fizarana telo [tokotelo] nosoratan'ilay injeniera teo aloha Liu Cixin.

Boky nadikan'ilay mpanoratra Amerikana Ken Liu, ity no taona voalohany ka nandeha tany amin'ny Shinoa, eny tany amin'ny mpanoratra Aziatika ity lokan'ny tantara siansa-famisavisana malaza ity, ary sambany asa fandikantsoratra no nahazo ny loka.

NIvoaka voalohany tamin'ny 2006 amin'ny endrika tantara mitohy ao amin'ny gazety-boky iray tao an-toerana ny Vatana-Telo ahitana ny fanafihan'ny Vahinin'ny Tany ao anatin'ny sehatry ny Revolisiona ara-kolontsainan'i Shina, mametraka ireo olombelona miaradia amin'ny vahinin'ny tany hifanandrina amin'ireo miaro ny taranak'olombelona—mahazo fanohanana koa amin'ny sasany avy any ivelan'ny tany.

Na dia tsy niadian-kevitra teo amin'ny mpamaky aza ny kalitaon'ny asasoratra, dia tsy noho ny tantara noforoniny irery no nahazoan'i Liu fandresena. Nisy vondrona mpanoratra sy mpamaky mpiray loha iray izay ao Etazonia nanao ezaka mafy dia mafy hampitongilanana ny safidin'ny mpamaky manao izay itazonana ny loka tsy hivoaka ny faribolana mifanaraka amin'ny fironana ara-politikan'ny mpanoratra maromaro. Saingy tratran'ny tampody fohy ny fanentanan'ny “Zanak'Alika Romotra” rehefa nahatonga ny mpifaninana tiany kokoa dia i Marko Kloos hiala an-daharana tamin'ny nifantenana azy tamin'ny voalohandohan'ny taona ny ezaka nataon-dry zareo ary nahatonga an'i Marko ihany koa hanalavitra an'ilay vondrona, ka nampalalaka ny safidy ho any amin'ny fisafidianana an'i Liu.

Mampihomehy ihany raha niezaka ny hanao hosoka hahazoana ny amboara Hugo ny borigadin'ny Zanak'Alika fa vao maika ratsy toerana kokoa avy eo. Raha lazaina izany dia tsy misy fahasamihafana loatra amin'ireo nataon'ny mpankasitraka ny Vatana-Telo izany amin'ny fanaovan'izy ireo izay hahamaro dia maro isa azy ireo mandritra ny fifidianana. Tsy tiako raha tsaraina amin'ny hoe mety ara-politika fotsiny ny asa, saingy lasa lavitra loatra ny nataon'ny Zanak'Alika. Na ho inona na ho inona dia tsy voatery ho ratsy raha sambany hatramin'izay ka mpanoratra avy amin'ny Shina Tanibe no nahazo ny Hugo.

Any Shina dia tsy mifantoka amin'ny nampandamoka ny fanentanan'ny Zanak'Alika loatra ny fahalianana amin'ny Vatana-Telo amin'izao fotoana izao fa mifantoka kokoa amin'ny antsipirihan'ny fanaovana azy ho sarimihetsika, izay nanomboka tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity ny fanatontosana azy. Ny atahoran'ny mpankasitraka ao an-toerana dia hoe sao tsy mahazo tetibola avo tahaka ny any Hollywood mendrika azy ny sarimihetsika.

Ny mpanoratra Liu Cixin, izay mpanatontosa ny sarimihetsika, niteny tao amin'ny antsafa nifanaovana taminy fa tsy manam-potoana hiandrasana fifanarahana toy ny any Hollywood izy vao hanomboka satria mety hopotehin'ny vahinin'ny tany amin'ny fotoana tsy ampoizina ny planeta. Saingy navoitran'i Liu ihany koa ny sarimihetsika tahaka ny Rendika i Japana, milaza fa latsaka ambany dia ambany noho ny ôrizinaly tamin'ny 1973, notontosaina tsy misy fanamboarana avy amin'ny solosaina, ny famerenana ny fanatontosana azy indray ho sarimihetsika tamin'ny 2006.

Michael Anti, mpanao gazety sady mpankasitraka ny Vatana-Telo avo feo no niteny fa izany no vidin'ny fankatoavana iraisampirenena ilay tantara foronina somary efa tratra aoriana.

Ratsy loatra fa tsy mbola nahazo ny Loka Hugo ny Olan'ny Vatana-Telo mba isian'ny tale iray avy ao Hollywood hanao sonia hanaovana azy ho sarimihetsika, ary dia hopotehin'ny tale Shinoa iray maharikoriko ilay izy.

Ny talen'ny filma dia i Zhang Fanfan, izay nividy ny fizakamanan'ilay tokotelo tamin'ny 2009 raha nanomboka nanangona ilay tantara mitohy ho amin'ny endrika boky i Liu. Maro ireo misalasala amin'ilay sarimihetsika ho avy raha tsy anisan'ny heverina ho tsy ekipa tsara indrindra eo amin'ny sehatry ny famokarana filma shinoa ny ekipa manatontosa azy.

Fifandroritan'ny mety ara-politika

Tahaka ny mitondra mpamaky boky avy any ivelan'ny vondron'ny siansa-famisavisana ny loka Hugo. Mpanoratra siansa-famisavisana iray hafa, Baoshu, manahy fa hanimba tanteraka an'i Liu ny mpitsikera :

真心觉得大刘不容易,以前自己想写什么写什么,现在吸引太多人的注意,新作写出来如果不严谨给硬科幻迷骂,文笔没有逼格给文评家骂,塑造的女性不如意给女权骂,设想的未来不够普世价值给右派骂,太普世了也许根本出不了……要真想方方面面周全,就永远写不出新作了。

Izany no mahatonga Liu ho saro-toerana. Taloha izy afa-nanoratra izay tiany, fa ankehitriny noho ny fahazoany ny fifantohana be dia be, raha tsy lavorary ny siansany amin'ny asany manaraka, dia hahazo fanozonana avy amin'ny mpankasitraka ny siansa-famisavisany izy. Raha tsy ao tsara ny endrikendriny dia ho henony avy amin'ny mpitsikera ara-literatiora izany. Hahazo ny mamay avy amin'ny mpandala ny vehivavy izy raha vao tsy araka ny antenaina ireo vehivavy noforoniny, sy avy amin'ny liberaly raha vao tsy liberaly loatra ny ampitso eritreretiny, nefa raha vao liberaly loatra dia tsy hisy izany … raha tsy maintsy handray ireo fangatahana rehetra ireo izy, dia tsy hanoratra ho na inona na inona intsony

Shinoa mpamaky ny siansa-famisavisana, izay tsy mpankasitraka ny mety ara-politika ny maro amin'izy ireo, nanondro fa ny fanoritsoritana ny vehivavy sy ny fokom-pirenena ao amin'ny Vatana-Fahatelo angamba dia akaiky kokoa amin'ny andra-tsira tian'ny Zanak'Alika avy amin'ny elatra-havanana noho ny tsy izay.

Ary avy eo dia misy ny hakanton'ny tsiferesimandidy izay hita fa itokisan'ny Shinoa iray tale, nandresy lahatra i Star River mpanoratra :

Mahatalanjona tokoa ny Siansa-Famisavisana ao amin'ny Vatana-Telo, saingy amin'ny maha-tantara foronina azy dia feno rafitry ny jadona sy ny tsirefesimandidy. Ny ankamaroan'ny siansa-famisavisana dia avy amin'ny famoizampo mahita ny zavamisy, ary tsy azo andosirana amin'ny fandravahana, sady mitaratra ny soatovina sy ny fomba fijerin'ny mpanoratra izao tontolo izao. Izany no antony mahamety ny manana ny [mpampiasa vola] Kong Ergou hanao ny sarimihetsika, ho ao anatin'ny tetikasa izany.

Eny fa na dia amin'ny siansa-famisavisana mampiahiahy an'i Liu Cixin aza, raha apetraka eo ankilany ny taletany ara-haisoratra, dia mbola misongona lavitra dia lavitra ireo Shinoa mpanoratra siansa-famisavisana indray mihira aminy ny fahaizany maka an-tsary an-tsaina. Mahatonga ny olona tsy hahataka-davitra, hahay maka sary an-tsaina ary hahay haneho hevitra, mahatonga ny literatioram-pitenenana shinoa maoderina amin'ny toerana iva dia iva ny rafitra tsirefesimandidy. Ny fahambaniana dia fifandonana eo amin'ny mpanoratra sy ny mpamaky, arymariky ny rafitratsirefesimandidy ihany koa.

Nanampy i Liu Di, mpisintaka sady mpanoratra siansa-famisavisana manana ny anaram-panoratana Stainless Steel Rat:

Fanombatombanana kisendrasendra : ny fizarana voalohany amin'ny tokotelo dia nahazo loka satria miampanga ny Revolisiona ara-Kolontsaina, saingy tsy mifanaraka ami'ny soatoavina amerika ny boky roa tohiny ka tsy hisy vintana hahazoany amboara.

Ny andiany faharoa amin'ny boky tokotelo, Ny Ala Matroka, dia vao nivoaka tamin'ny teny anglisy vao tamin'ity volana ity, ary mbola eo ampandikana azy kosa ny fizarana fahatelo.

Liu Cixin, nanoratra tamin'iny herinandro iny tao amin'ny forum [dinika] malaza iray an-tserasera niaraka tamin'ny mpianatra sy ny nahazo mari-pahaizan'ny oniversite Tsinghua, no tsy maintsy niteny izao tao amin'ny naoty fisaorana:

最想感谢的还是本书的读者,感谢他们分享了我的想象世界,在《The Three Body Problem》和其后的两部续集中,展现了一个最糟的宇宙,但像其它的科幻小说一样,在其中人类是做为一个整体出现的,面对着共同的危机和挑战,面对着共同的未来。在宇宙中做为一个整体的而出现的人类,是科幻小说带给我们最珍贵的感受;事实上,在现实中人类也正在变为一个整体,这不用等到外星人到来,为此,科幻小说做出了微小但宝贵的努力。

Ny tiako isaorana indrindra dia ireo mpamaky ireny boky ireny, noho ny nizarany ny tontolo nofinofisiko. Ny Olan'ny Vatana-Telo, miaraka amin'ireo boky roa manaraka, no nampiseho ny karazan-tontolo rehetra tsy taka-maso, saingy amin'ny tantara foronin'ny siansa-famisavisana dia miara-dia hatrany ny olombelona miatrika fandrahonana iraisana sy ampitso miaraka iaraha-monina. Ary io fampitondrana miaraka ny olombelona io ho vatana iray eto anivon'ny tontolo tsy taka-maso no kanto entin'ny siansa-famisavisana antsika; ny marina, amin'ny zavamisy dia miara-dia tsy vakydia ny olombelona amin'io fotoana io indrindra; tsy mila miandry ny vahinin'ny tany isika vao hampiseho izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.