Faritany Balochistan Mahantra indrindra Ao Pakistana, Nahazo Ny Anjara Asa Federaly Ho Azy Ve?

Screenshot of FPSC website

Pikantsary milaza fandraisana mpiasa asa nalefa tamin'ny tambajotran'ny FPSC, izay tsy nahitana toerana omena an'i Balochistana

Dika nasiam-panovàna tamin'ny lahatsoratra voalohany nosoratan'i Adnan Aamir ho an'ny The Balochistan Point ity lahatsoratra ity. Naverina navoaka indray eto amin'ny global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoatiny.

Ao Pakistana, zaraina manerana ireo faritany efatra ao aminy ireo asan'ny governemanta federaly sy ireo faritra araha-maso araka ny fomba federaly mifanaraka amin'ny fetra faritana araka ny isan'ny vahoaka ao aminy. Ho an'ny faritra ambanivohitra midadasika indrindra, nefa ny tsy mivoatra indrindra no sady vitsy mponina ao Balochistana, 6% no fetran'asa federaly tandrify azy.

Narahan'ny The Balochistan Point maso raha toa ka nahazo marina tokoa ny anjara fetra voafaritry ny lalàna federaly tokony ho azy ilay faritany mahantra, avy amin'ny Kaomisiona iray misahana ny Asam-bahoaka Federaly (FPSC – Federal Public Service Commission), antokon-draharaha iray misahana ny filazàna ireo toerana banga sy fanaraha-maso ny fetra. Nandalina ny filazàna fahabangan-toerana farany navoakan'ny FPSC ny Balochistan Point ka nahita fa antsasaky ny anjarany no nomena an'i Balochistana.

Tsy mifameno ireo isa

Ny 2 Aogositra teo, nilaza fahabangan-toerana miisa 156 ny FPSC, aminà departemanta sy ireo fikambanana isan-karazany eo ambany fanaraha-maso federaly. Amin'ireo asa ireo, ny ankamaroan'ireo faritra rehetra dia nomena nifanaraka tamin'ireo anjarany avy. Noheverina ho nahazo 50% i Punjab, natao  53.2% io, Sindh noheverina hahazo 19%, natao 18%, Khyber Pakhtunkhwa noheverina hahazo 11.5%, natao 9.6%. Noheverina no nahazo 6% i Balochistana, nefa natao antsasany monja io: 3%.

Toy izao manaraka izao ny fitsinjarana amin'ny antsipirihany an'ireny asa ireny miaraka amin'ny anjara isam-paritany:

 

Areas  …Faritra
Merit Punjab Sindh (Urban) Sindh (Rural) KP GB-FATA Balochistan AJK Total
Tolotr'Asa 17 83 12 16 15 5 5 3 156
Isan-jaton'ny tontalibeny  10.9% 53.2% 7.7% 10.3% 9.6% 3.2% 3.2% 1.9% 100%
Anjara napetraky ny Federaly 7.5% 50% 7.6% 11.4% 11.5% 4% 6% 2% 100%

Natao anjorom-bala tamin'ireo fisokafana asa matanjaka

i Balochista

Tsy noraharahiana mihintsy i Balochistana tamin'ny fanomezana ireo toerana banga manan-danja, toy ireo Inspektoran'ny Masoivoho Federaly momba ny Fanadihadiana (FIA).

Amin'ireo toerana 61 banga ho an'ny Inspektora FIA, tsy nisy na iray aza nomena an'i Balochistana. Na i Azad Jammu sy Kashmir ary i Gilgit-Baltistan aza samy nahazo avokoa fa i Balochistana kosa tsia.

Ireny inspektora matanjaka ireny, ankoatra ireo andraikitra hafa, dia afaka ihany koa mihisaka miasa toy ny tomponandraikitra eny amin'ireo toerana fanarahan'ny FIA maso ny fifindrà-monina eny amin'ny seranam-piaramanidina.

Matetika nitaraina ny vahoakan'i Balochistana mikasika ny fomba fandraisana azy ireo any amin'ny biraon'ny fifindrà-monina eny amin'ny seranam-piaramanidina.

“Miatrika fanavakavahana izahay eny amin'ireo toerana fisavàna any an-tseranam-piaramanidina noho ny mpiasan'ny FIA sy ny ANF mieritreritra anay ho toy ny avy any amin'ny planeta hafa”, hoy i Haji  Badr-un-din, mpandeha matetika amin'ny sidina iraisam-pirenena, raha nitafa tamin'ny The Balochistan Post. Nanampy izy fa, “tokony ho asiana manampahefana FIA avy any Balochistana, raha misy,  ny fisavàna eny an-tseranam-piaramanidin'i Quetta sy Karachi, toerana izay fiaingànay mandray sidina araka ny tokony ho izy.”

Na eo aza ireo andrana niverimberina nataon'ny The Balochistan Point mba hifandraisana, tsy azo mihitsy mba hakàna fanehoan-kevitra ny Mpitantsoratry ny FSPC momba ny fandikàna ireo fitsipika mifehy ny anjarany ao Balochistana.

Tsy ny filazàna toerana banga amin'izao fotoana izao no voalohany nanitsakitsahan'ny FPSC ny tokony ho anjaran'i Balochistana. Ny 27 Jolay teo, efa nohitsakitsahan'ny Quetta Electricity Supply Company (QESCO) sampana eo ambany fitantanana federaly ihany koa ny toerana banga 45 tokony ho anjaran'i Balochistana izay nambara.

Fiverimberenana fandikan-dalàna tsy noraharahain'ny tompon'andraikitra federaly

Amin'ireo toerana 47 banga tamin'ny BPS-17, tsy misy na iray aza nomena an'i Balochistana. Taorian'ny nandraisany ireo fanamarihana fa nisy hetsi-panoherana nataon'ny fiaraha-monim-pirenena Balochistana, manohitra ny fandikan-dalàna amin'ireo anjara fetra ho azy, dia nangatahan'ny QESCO ny Sekretera Jeneralin'i Balochistan mba hampiato ny dingana fandraisana mpiasa.

“Amin'ny maha-mpikambana ahy ao amin'ny komity maharitry ny Antenimieran-doholona, nametra-panontaniana tamin'ny PIA, HEC, CDA, OGDCL, SNGPL, SSGC sy ireo departemanta [federaly] hafa aho sady nilaza tamin'izy ireo mba hanazava ny fomba namenoan-dry zareo ny 6 isanjato anjaran'i Balochistana”  hoy ny Loholona, Jehanzeb Jamaldini, tamin'ny The Balochistan Point.

Nampahatsiahy koa ny Loholona, Jamaldini, fa mponina avy amin'ireo faritra hafa nitondra fanamarinam-ponenana hosoka tao Balochistana no nandray ireo anjara sisa tavela tamin'ny fetra ho an'i Balochistana. “Ireo manamboninahitra DMG miasa sahala amin'ireo Kaomisera Lefitra sy Mpanampy ny Kaomisera no namoaka taratasy fanamarinam-ponenana ho an'ireo havany, aminà isa marobe, izay nampiasaina hanakanana ireo mponina ao Balochistana tsy hisitraka ny anjara fetran'asa natao ho azy “, hoy ny filazan'ny Loholona Jamaldini.

Tao anatin'ny hetsika izay nitsikeràn'ny mponina maro tao Balochistana, ny taona lasa teo, nolavin'ny fanjakana federaly ny hanomboka fandraisan'asa federaly amin'ireo asa miisa 3.692 natokana ho an'i Balochistana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.