Manamatroka Ny Rano Mangatsakatsak'i Karaiba Ny Ahidrano Sargasse

Sargassum lines a Caribbean beach in 2011. photo by Mark Yokoyama; used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

Sargasse mameno ny tora-pasika Karaibeana ny 2011. Sary avy tamin'i Mark Yokoyama. Nampiasàna ny fahazoan-dàlana CC BY-NC-ND 2.0.

Teneno ny teny hoe “sargasso” fa tonga ireo mpakafy literatioran'ny Indiana Tandrefana dia hieritreritra ho azy ilay boky tantara mitsikera sy notehafana “Ranomasina Sargasse Midadasika“, izay an'i Jean Rhys, ilay Britanika mpanoratra teraka tao amin'ny Repoblika Dominikana. Fa ankehitriny, mitsingevana ambongadiny nanamorina ny moron-dranomasina avy any Atsimon'i Etazonia ka hatrany Karaiba, ny “sargasso” — na antsoin'ny maro hoe Sargasse — miendrika mihaja, ahidrano volontany matroka misy voany bitika kely.

Tsy zava-baovao ny fisian'io ahidrano io any amin'ireo rano any amin'ny faritra. Ny zava-misy, misy mihitsy toerana any avaratry ny Ranomasimbe Atlantika nomena anarana avy amin'io. Fa mampiahiahy ny habetsahan'ny sargasse nandritra ny volana lasa iny; ny olona sasany mampifandray io zava-miseho io ho vokatry ny fiovan'ny toetrandro.

Mazava ho azy, miasa saina amin'ny vokatry ny ahidrano eo amin'ny fizahantany ny governemanta Karaibeana. Nisavovona avo tokoa teny amin'ny torapasika ny sargasse nanamorona ny morontsiraka atsinanan'i Tobago, hany ka nilàna fitaovana manokana ny fanesorana ny sasany tamin'izy ireny. Nitaraina ireo mpanjifan'ny hotely lehibe iray eny amin'ny morontsiraka atsimo atsinanan'ny nosy hoe maimbo be ny fofona avy amin'ireo ahidrano betsaka be ireo. Nefa, toy ny tamin'ny herinandro lasa teo, hita ho feno mpiala sasatra ao Tobago, satria mbola tsy tratran'io ny morontsiraka andrefan'ny nosy, mety hoe noho ny fihetsehan'ny fisehon'ny rano angamba.

Naka horonantsary fohy momba ny sargasse, ny mpitsoraka anaty ranomasina manana maripahaizana PADI, Dave Elliot, izay matetika mitsoraka an-dranomasina any Tobago — voalohany, mahita ny zava-miseho eny imorony aloha ireo mpijery, ary avy eo ny any ambanin'ny rano. Tena mahavariana sy tokony hojerena mihitsy ilay izy.

Amin'ny ampahany voalohany amin'ilay lahatsary, tena feno sargasse matevina tokoa, ka lasa tahàka ny fotaka mihitsy ny manamorona ny hoalan'ny Tyrell ao Speyside, any amin'ny morontsiraka avaratra atsinanan'ny nosy. Eo amin'ny 5:45 amin'ny maripotoana, mandeha mivantana ao ambanin'ilay sargasse mihitsy ireo mpitsoraka an-drano. Rehefa tena manakaiky ny morony farany azony itsofohana izy ireo, manomboka mihamaizina; lasa mila mandefa ny jirony izy ireo mba ahitàna zavatra amin'ilay fitaovana fakàna sary, ary mila mampiasa ny tondroavaratra izy ireo milaza ny làlana alehany. Tena natevina tokoa ilay ahidrano ka nahamàzana ny filomanosana. Hoy i Elliot mitantara:

Indrindray, mety hoe noho ny fihodinan'ny onja, ahitana ny eny ambony ny hazavàna […] Amin'izany fotoana izany, eny amin'ny fanambanin'ny ranomasina, tena feno fasika be ny faritra. Ny tena tsikaritra dia ny tsy fisian'ireo trondro tsotra fantatsika mpihinana ahidrano : ny “perroquet”, ny “ange de mer”, ny trondro mpandidy, “trompette” sy ireo trondro kelikely hafa rehetra…ny “demoiselles” sy ny mitovy aminy…tsy nisy ireo karazana trondro ireo mihitsy.

Hitan'i Elliot avy eo fa “rakotra ahidratsy” ny fanambanin'ny ranomasina; tsy nahita “zava-miaina betsaka tao ambany tao” izy. Zavatra iray mampiasa saina an'ireo mpiaro ny tontolo iainana io — hoe mety hisy vokany amin'ny fiainana anaty ranomasina ny fahabetsahan'ny ahidrano — na dia nilaza izao tao amin'ny tsanganana iray tanaty gazety aza i Lori Lee Lum, lehiben'ny fanabeazana ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny Ivontoerana misahana ny Raharaha An-dranomasina ao Trinite sy Tobago :

Ankoatry ny maha loharanon-tsakafo azy, manohana fivoaran'ny tontolo iainana maro io fiarahamonin'ny ahidrano io, ary manome toerana iainana ilaina tokoa ho an'ireo zava-miaina maro any anaty ranomasina, tafiditra amin'izany ny foza, makamba, “mollusque”, trondro sahala amin'ny mahi mahi, ary ireo soka-dranomasina, ary toerana fitomboana sy fanatodizana ho an'ny sasany.

Tsy nanan-tsafidy afatsy ny nitady ny làlana miverina ho any amin'ny nitsorahany an-drano ao amin'ny Blue Waters Inn, any amin'ny faritra avaratry ny nosy, i Elliot sy ilay namany mpiaraka mpitsoraka an-drano aminy; mihetsiketsika be ihany ny sary any ambany rano; mampiahiahy mihitsy. Misy fiantraikany amin'ireo mpanjonon'i Tobago ihany koa io.

Zavatra manintona, efatra taona lasa izay, ny Septambra 2011, raha tratran'ny sargasse betsaka toy izao ihany koa ilay faritra, nahita fika hanodinana ilay olan'ny sargasse mba hahazoana  tombotsoa ilay mpandraharaha lehibe iray efa ao anatin'ny faha-valopoto taonany, avy any Bardade. Namokatra lahatsary iray ny Sampan-draharahan'ny Fampahalalam-baovaon'ny Governemantan'i Bardade, mampiseho ny fomba fanodinana sargasse ho zezika, amin'ny fomba Cavendish Atwell:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.