Ny Trosa Mavesatra Loatra Mianjady Amin'ny Amerikana Mpianatra

Day 3 of the protest Occupy Wall Street in Manhattan's Zuccotti Park. Photo by  David Shankbone  (CC BY 3.0)

Toetoetry ny trosan'ny Amerikana mpianatra, araka ny fanehoan'ny mpandray anjara iray tamin'ny andro fahatelo tamin'ny Bodoy i Wall Street tao Manhattan amin'ny zaridaina Zuccotti. Saripika avy amin'i David  Shankbone (CC BY 3.0)

Raha feno 17 taona aho, ka nisoratra anarana tany amin'ny Oniversite, nilaza tamiko ny ray aman-dreniko fa ifampizarana ny fandaniana. Ho ahy sy ho azy ireo dia midika hoe mitrosa any amin'ny US federal izay averina mandritra ny folo taona na mihoatra.

Tsara vintana ihany aho. Amin'ny maha-mpianatra kely fidiram-bola ahy, dia azo nofidiana hahazo ny Vatsy Pell aho ary nekena hianatra amin'ny oniversitem-panjakana anisan'ny tena tsara, izay zara raha mihoatra ny 10.000 dolara isan-taona ny saram-pianarana tamin'izany fotoana izany. Voafehiko tamin'ny fanaovana asa tsy maharitra iantohana ny fandaniana ny trosako ary nankasitraka izay fanampiana azon'ny ray aman-dreniko natao aho. Rehefa nahazo ny diplaoma avy any amin'ny oniversite aho dia nandray anjara tamin'ny fanompoam-pirenena naharitra herintaona be izao, izay nahazoana valisoa 5000 dolara izay navantana tany amin'ny famerenana ny trosako.

Tamin'ny farany dia naharitra 11 taona ny famerenako ny trosa naha-mpianatra ahy. Nataoko tamin'ny 3 jolay lasa teo tamin'ity taona ity ny fandoavan-trosa farany.

Ankehitriny ny Amerikana mpianatra dia mandao ny oniversite amin'ny trosa eo ho eo amin'ny 29.000 dolara eo. Miakatra io tarehimarika io ho an'ny mpianatra oniversite any amin'ny tanàndehibe goavana kokoa—ny salanisan'ny trosan'ny mpianatra ao Washington, D.C. dia mananika hatramin'ny 41.000 dolara.

Io toe-javatra mpitranga io no mahatonga ny manampahaizana manokana sy ny mpampianatra ambony ao Etazonia hiantso azy ho “krizy,” ary ny tena iharany mafy indrindra matetika dia ireo mpianatra kelikely kokoa ny trosany nefa kely dia kely ny herijika hahazoany asa. Ho an'ireo tanora vao nahazo mari-pahaizana, ny tahan'ny tsy fananan'asa tamin'ny herintaona dia 8.5%. Tsotra ny kajikajin'izany: Rehefa tsy mahazo asa ireo vao nahazo mari-pahaizana ireo dia tsy afa-mamerina ny trosany.

Fotoana fohy taorian'ny nifindrako nankany Alemaina tamin'ny 2014, ny fanjakan'i Saxony Ambany no lasa faritra niditra farany nanafoana ny saram-pianarana, mametraka ny oniversite ho maimaim-poana ho an'ny rehetra, na dia ho an'ny tsy olom-pirenena ao aminy aza. Firenena Eoropeana maro hafa (tahaka an'i Finlandy sy Slovenia) no manolotra fampianarana oniversite maimaim-poana tahaka an'i Brezila sy Arzantina.

Saritra ny manamaivana ny dikan'izany hevitra izany ho an'ny Amerikana iray. Hatramin'ny fotoana nahazoanay taona hanonofy izany kolejy [fiantso ny oniversite any Etazonia], misy taminay tsy manan-koraisina loatra ihany koa no manahy amin'ny fomba handoavanay [ny trosa], raha tsy afa-mihaotrahotra akory handoa ny lefalany [acompte] ny hafa. Ao amin'ny firenena ahitana mpianatra tsy manana fonenana ny mpianatra 1,2 tapitrisa amin'ny sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa, dia tombondahiny manokana izany fanabeazana amin'ny kolejy [fiantso ny oniversite any Etazonia] izany.

Na dia efa nahavita dingam-piovana mivaingana amin'ny fomba iasan'ny trosan'ny mpianatra aza ny fitondrana Obama, dia mbola tsy ampy izany ho an'ny maro. Ny fampianarana any amin'ny Oniversite maharitra efa-taona ao Etazonia dia mitentina anelanelan'ny $40.000 isan-taona any amin'ny farany ambany (hoan'ny mpianatra mankany ami'ny oniversitem-bahoaka ao amin'ny fanjakana misy azy) ka hatrany amin'ny  $125.000 mihoatra ho an'ny mpianatra mankany amin'ny oniversite tsy miankina—ary dia resaka saram-pianarana fotsiny aza izany. Anampiana izany ny fandaniana amin'ny fiantranoana sy ireo zavatra tsy maintsy ilaina amin'ny fiainana, ka tsy mahagaga ny mpianatra raha tsy liana. Ary tsara izany—raha tena safidy tokoa izany.

Saingy eo amin'ny tontolo ara-toekarena misy ankehitriny, tsy tena [safidy] io. Tamin'ny herintaona dia latsaka hatrany amin'ny dimy hetsy. ny fandraisana mpianatra tao Etazonia. Milaza ireo mpahay ara-toekarena fa rehefa miakatra [tomady] ny toekarena dia vitsy kokoa ny olona mankany amin'ny kolejy sy oniversite, fa raha tsy izany kosa dia lasa “fitodiana mampilamin-tsaina” ny fampianarana ambony. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia misafidy kokoa any amin'izay mora iantohan-tena ny tanora.

Ary efa hita sahady amin'ireo asa mitaky ny mari-pahaizana efa-taona na dia eo aza ny halafon'ny fankanesana any, dia mahafatiantoka ihany rehefa ela ny ela eo amin'ny lafiny karama ny tsy fianarana any amin'ny oniversite. Ny Pew Research Center no manombana ny elanelan'ny vola raisin'ny manana maripahaizana lisea sy ny vola raisin'ny manana mari-pahaizana kolejy na oniversite efa-taona ho manodidina ny $17.500.

Tokony ho afa-misafidy ny lalantsika tsirairay avy isika. Tsy natao hoan'ny rehetra ny Oniversite, ary tsy tokony atao hoan'ny rehetra. Saingy ny safidy, ny fahafahana manatrika kosa dia tokony ho zo avelatra hoan'ny rehetra, tsy misy ny vesatry ny trosa maharitra ampolony taonany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.