Ny 21 Aprily teo, naharay fehezam-boninkazo fitondra mandevina napetraka teo an-tranony i Borjan Jovanovski, Makedoniana iray malaza, mpilaza vaovao. “Fara Veloma,” hoy ny vakin'ny hafatra. Miasa ho an'ny tranonkalam-baovao mahaleotena Nota TV i Jovanovsk, ary fantatra tsara amin'ny fanakianana ny governemanta mpitahiry ny nentin-drazana tarihan'i Praiminisitra Nikola Gruevski. Natolotra mivantana tamin'ny vadiny ilay fehezam-boninkazo.
Nilaza tany amin'ny polisy ny fisian'ilay tranga ho toy ny fandrahonana ho faty i Jovanovski, saingy manify dia manify ny vintana hahitàna ireo tomponantoka tamin'io. Araka ny tondro vao haingana navoakan'ny World Press Freedom sy ny hafa, ny laharana misy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Makedonia no “ratsy indrindra any amin'ny faritra Balkana” ary efa lasa zavatra mahazatra ny fandrahonana ho faty sy ny fanenjehana mampiahiahy ho nanala baràka atao an'ireo mpanao gazety.
Ny 22 Aprily, marobe ny mpanao gazety tao Makedonia no nanao fihetsiketsehana nanohitra ny fandrahonana an'i Jovanovski, tamin'ny fampifandraisana ilay tranga tamin'ny olana politika lalina misy ao amin'ny firenena. Ny 22 Aprily koa, naharay fandrahonana ho faty tamin'ny alàlan'ny Facebook ny mpanao gazety, Zoran Bojarovski, ary nampita azy ireny tamin'ny polisy, izay avy hatrany dia nanokatra fanadihadiana.
Nangataka tamin’ ireo manampahefana i Dunja Mijatović, solontenan'ny OSCE ho an'ny Fahalalahan'ny Media, mba hanao fanadihadiana momba ilay fehezam-boninkazo fitondra mandevina nalefa tany an-tranon'i Jovanovski, tamin'ny fanamarihana fa vondrona marobe no nifanotrona nanameloka ilay fandrahonana, isan'ireny ny avy amin'ny antoko mpanohitra SDSM, ny Plenum an'ireo mpanao gazety, ny Ivontoerana ho an'ny Media Makedoniana, ny Masoivoho ho an'ireo Onjampeo sy Tolotra Media Mampiasa Sary sy Feo, ary hatramin'ireo fikambanana AJM sy MAN an'ny mpanao gazety.
Niantso ny governemanta Makedoniana i Mijatović mba hanova ity fironan'ny firenena hita mivaingana mankany amin'ny famotehana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ity. Ny fivoaran-draharaha vao haingana dia nahitàna ny fanamelohana sy ny famotsorana ilay mpanao gazety, Tomislav Kezarovski, ny filazàna imasom-bahoaka ny mpanao gazety iray hafa, Jadranka Kostova, ho manao asa fitsikilovana ho an'ireo masoivoho any ivelany, ary ny honohono fa hoe maherin'ny zato ny fifandraisan-davitr'ireo mpanao gazety no paingorina sy henoin'ny governemanta.
Ny Fikambanan'ireo Mpanao Gazety Ao Makedonia (ZNM) sy ny Ivontoeran'ny Media Makedoniana (MIM) koa dia nanameloka ireo fandrahoana ho faty, tamin'ny fiampangàna ireo andrim-panjakana ho manome vahana ny rivo-piarahamonina tsy misy fandeferana manoloana ny kiana atao amin'ireo politisiana sy ny governemanta.
ZNM niantso azy io ho “asan'ny kanosa atao amin'ireo mpanao gazety ao Makedonia,” tamin'ny fanampiany hoe ity “tranga ity dia vokatry ny famafàzana kabary feno fankahalàna eny anaty media, nalaina tàhaka avy amin'ny fitondrantenan'ireo antoko politika.” Nasongadin'ny ZNM fa hatreto dia tsy vitan'ireo andrim-panjakana ny namàha na dia tranga iray aza izakàn'ny mpanao gazety herisetra, fandrahonana am-bava, na kabary fankahalàna.