Famafàna Alahelo Ny Famonin'ny Serizy ao Japana

桜並木 - Row of cherry blossom trees

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, IZAYOI YUKARI (CC BY-NC-SA 2.0)

Niverina tao Japana indray ny vanim-potoana amelanan'ny serizy. Raha midika fahafenoan'ny sary mahafinaritra tsy mampino ny haino aman-jery sosialy ny fahatongavan'ny voninkazo sarobidy mavokely, dia fotoana hisaintsainana, hanantenana, hanofinofisana sy hamaranana ny fisaonana indray ny vanim-potoana.

Ao Iwaki, prefektioran'i Fukushima, mampiseho izany indrindra ny tetikasa Iwaki Manbon Sakura (izay azo adika hoe “Mandrandrana Serizy 10.000 an'i Iwaki”) .

50 km atsimon'ny orinasan'ny angovo nokleary, Fukushima Daiichi niharam-boina no misy an'i Iwaki. Niharan'ny tsunami goavana izay namely ny morontsiraka Pasifika ao Japàna ity tanàna ity taorian'ny horohoron-tany goavana tamin'ny Martsa 2011. Niharan'ny vokatra nateraky ny voina ara-nokleary tao amin'ny tobin'angovo Fukushima ihany koa i Iwaki.

Tafiditra ao anatin'ny tetikasa Iwaki Manbon Sakura, mba hanamarihana ny fahaefataonan'ny loza goavana, hazo serizy 9000 no nambolena tamina vohitra iray ao an-tanàna. Manazava i Tadashige Shiga, izay manana orinasa manohana ara-bola ilay tetikasa : 

負の遺産を残してしまうことにすごい悲しさ、悔しさを今さらながら感じています。なんとかならないものなのでしょうか!春、桜の花が満開に咲いているのを見て、20年後、30年後の未来の子供達に、山一面の桜を見てもらえるようにしようと思いたちました。万が一いわきに住めなくなった時でさえ、いわきの土地を愛していた人達の気持ちが伝わるくらい、沢山の桜の木を植えたいと思っています。

Namela alahelo teto ny voka-dratsy ny loza tamin'ny Martsa 2011. Ka andeha hanao zavatra hamahàna izany! Isan-taona amin'ny fotoana amelanan'ny serizy. Andao hampitodika ny ankizy rahatrizay afaka 20 taona na afaka 30 taona any ho any,  hijery ny hantsan'ny tehezan-tendrombohitra ambonin'i Iwaki. Na dia tsy misy aza ny afaka honina ao Iwaki noho ny antony samihafa, dia mbola afaka maneho fitiavantsika ho an'ny tanànantsika amin'ny fotoana rehetra isika, ary afaka manao izany amin'ny alalan'ny fambolena hazo serizy

Ny heviny dia afaka mandrava ireo tsiaron'ny horohoro sy ny alahelo nateraky ny voinan'ny 2011 izany hazo serizy sy ny famoniny amin'ny lohataona izany.

Tantara lavaben'i Sakura

Miraikitra lalina ny fandraisan'i Japàna amin'ny famonin'ny serizy, na sakura. Hita ao amin'ny Man'yōshū, angona tononkalo Japoney tranainy indrindra, nosoratana efa ho 1.300 taona lasa izay nandritra ny vanim-potoana Nara tao Japana ny felana tsy maharitra ela (mandalo)

Nandritra ny tantaran'ny famonian'ny serizy ao Japàna izay naneho fanombohana, fanantenana sy nofy vaovao. Tsara tarehy loatra ny felany rehefa fofonina ary avy eo manjavona haingana. Manome fifangaroan'ny fihetseham-po ny famonian'ny serizy ary mitana toerana manokana ao am-pon'ny olona Japoney.

Throughout Japan's history cherry blossoms have represented new beginnings, hopes and dreams. The blossoms are beautiful enough to take one's breath away and then quickly disappear. Cherry blossoms stir a mixture of emotions and occupy a special place in the hearts of Japanese people.

Ankehitriny, tsy ny fiovan'ny vanim-potoana ihany no manamarika ny fahatongavan'ny famonian'ny serizy isan-taona amin'ny faramparan'ny Martsa fa maro kokoa. Mifanojo amin'ny fizarana diplaoma sy ny fiafaran'ny taom-pianarana ny faran'ny volana Martsa ary ny fanombohan'ny taom-pianarana vaovao ny fiandohan'ny volana Aprily ny famonian'ny serizy.

Today the arrival of cherry blossoms each year in late March marks more than a change of season. Cherry blossoms also coincide with graduation and the end of the school year at the end of March, and the start of a new school year at the beginning of April.

Amin'ity vanim-potoana ity, nandefa sarina sakura mamelana mahavariana ireo mpisera Twitter Japoney:

Tonga ny lohataona

Efa hamelana tanteraka ny hazo serizy ambanin'ny Tokyo Skytree.

Nahavitra naka sary tsy lefin'ny fotoana tao Japàna ilay mpisera Twitter @7D_ITACHI:

Sambany Tafaverina teto Joetsu tao anatin'ny efa-taona. Tena milamina eto.

Satria mamelana ny sakura, vanim-potoanan'ny fandehanana lavitra vaovao izany:

Mahafinaritra hatrany ny lohataona satria mamelana ny Sakura tsara tarehy. Na dia nankafy hatrany ny  lohataona amin'ny fotoana hankahalako azy aho rehefa tsy maintsy mandao namana taloha.

Satria manomboka mihintsana ny ravina serizy, manomboka maneho ny fahatsapana mahery vaikan'ny fisarahana izy ireo:

“Firotsahan'ny serizy mamelana”> manamorona ny tokontanin'ny tempoly ny serizy mamelana.(Tempolin'ny Kokugon Temple, Nagano)

Toa miantraka lalina eo amin'ny fanahin'olombelona ny famonin'ny serizy.

Nahamarika ny hazo serizy voalohany tamin'ny vanim-potoana aho! Na dia somary reraka aza aho dia mieritreritra ny mbola afaka mijanona mandritra ny fotoana elaela.

Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Izumi Mihashi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.