Sarimiaina 5 Mampiroborobo Ny Zon'Olombelona Sy Ny Fitovian-jo ao Myanmar

Screencap from an animation video that highlights human rightsabuses in Myanmar

Pikantsary tao amin'ny sarimiaina manasongadina ny fanararaotana ny zon'olombelon ao Myanmar

Misy vondrona iray ao Myanmar mampiasa sarimiaina hampiroboroboana ny zon'olombelona, ny fitovian-jo, sy ny rariny nanerana ny firenena.

Namolavola fitaovana fampitam-baovao marolafy (multimedia) hikarakaran'izy ireo fanabeazana momba ny zon'olombelona sy ny fandaharanasam-pisoloana vava mba hampahery ny olona sy hanome aingam-panahy ho amin'ny fanovana ara-tsosialy ny vondrona Equality Myanmar. Tao anatin'ny 15 taona, nampiofana vehivavy, mpianatry ny oniversite, moanina sy mpitondra fivavahana, mpikatroka, mpampianatra an-tsekoly, mpitarika ara-piaraha-monina, mpamboly, ary mpiasa izay efa ao anatin'ny tambajotram-pampiofanana sy fiarovana ny zon'olombelona ny vondrona.

Amin'ny alalan'ireo atrikasa ireo, afaka mijery akaiky ireo olana sasany ara-tsosialy atrehin'i Myanmar ankehitriny ny vondrona. Ankoatra ny fahatsapana ireo olana ireo, mianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny zon'olombelona amin'ny alalan'ny fanorenana  fiarahamonina demokratika sy iombonana kokoa ireo mpandray anjara.

Sady tsotra no manome fampianarana ny lahatsary. Azo ampiasaina any amin'ny firenen-kafa ihany koa, natao hoan'ny rehetra sy mora takarina ny lohahevitra.

Fifidianana

Miresaka momba ny fifidianana hoavy ny lahatsary navoakan'ny vondrona vao haingana indrindra. Mampiseho mpifidy maromaro izay niharan'ireo olana sasany mifandraika amin'ny fifidianana tahaka ny fanerena, hosoka, sivana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona isan-karazany ny lahatsary:

Vehivavy eo amin'ny sehatry ny politika

Mampiroborobo ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy amin'ny politika ity lahatsary ity. Mitantara ny tantarana tovovavin'i Myanmar iray izay nanonofy ho lasa mpiasam-panjakana ny lahatsary rehefa nahita izy fa ilaina ny politika ara-tsosialy tsaratsara kokoa mba hiadiana amin'ny fahantrana sy ny tsy rariny. Tany am-boalohany, nanakivy azy ny fianakaviany saingy naharitra izy ary nanjary lasa mpikambana ao amin'ny parlemanta:

Fampiasana zaza tsy ampy taona

Ity lahatsary novelabelarin'i Maung Maung Aye ity kosa dia mampiseho fanararaotana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ao amin'ny lahatsary, nisaraka tamin'ny olon-tiany ny vehivavy iray rehefa nahita fa mitafy lobaka namboarin'ny orinasa iray mampiasa ankizy tsy ampy taona izy:

Resa-pankahalana

Lahatsary iray hafa lehibe kosa mampahatsiahy ny vahoaka mikasika ny loza ateraky ny resa-pankahalana. Mampiseho tanàna kely iray miaina ao anatin'ny firindrana ny lahatsary saingy niseho ny korontana rehefa nisy papango (mampiseho resa-pankahalana) nampiely fihantsiana sy fankahalana. Soa ihany fa nisy voromailala nanidina teny ambonin'ny tanàna nampiely fitiavana sy ny filaminana.

Tokony hampiroborobona fatratra ity lahatsary ity hatramin'ny nihamafisan'ny resa-pankahalana antserasera tao Myanmar, manamafy ny fihantsiana sy ny ady kaominaly manerana ny faritra maro ao amin'ny firenena.

Fahasamihafana sy ny Fanavakavahana

Nanangana lahatsary mampiroborobo ny fahasamihafana i Maung Maung Aye ary manentana ny olona mba tsy hanavakavaka ny hafa mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy, ny firazanana, ny fivavahana na ny volon-koditra. Ilaina tokoa ity lahatsary ity mba hanoherana ny fitomboan'ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanavakavahana ara-poko ao amin'ny firenena. Manana vondrom-poko maherin'ny 100 i Myanmar ary Bodista avokoa ny ankamaroan'ny mponina.

Manome fahafantarana bebe kokoa momba ny fiarahamonin'i Myanmar sy mampiseho ny lanjan'ny fampiroboroboana ny fampianarana ny zon'olombelona sy ny asam-pisoloana vva ireo lahatsary mampiseho zava-baovao ireo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.