Boky Iray Vaovao Okrainiana Mitantara Ny Euromaidan Aminà Hafatra An-jatony Nalaina Tamin'ny Facebook

A new Ukrainian book tells the story of Euromaidan in hundreds of Facebook posts. Photo from Facebook.

Boky Iray Vaovao Okrainiana Mitantara Ny Euromaidan Aminà Hafatra An-jatony Nalaina Tamin'ny  Facebook. Sary avy ao amin'ny Facebook.

Nitàna anjara toerana lehibe tamin'ny hetsi-panoherana Euromaidan nipoaka tao Okraina tamin'ny lohataona lasa iny ny media sosialy. An-tapitrisa ireo fanavaozana sata nataon'ny Okrainiana tao amin'ny Facebook sy Twitter, an'arivony ny saripika sy lahatsary nakariny tao amin'ny Instagram sy  YouTube. Midika izany fa misy ampahany betsaka tamin'ilay hetsi-panoherana no voatahiry ety anaty aterineto.

Boky iray vaovao, izay narafitra manontolo avy amin'ireo  hafatra 700 nalaina taty anaty Facebook, fikirakiràna ireo zava-nitranga ny Novambra 2013 hatramin'ny Jona 2014 araka ny nandraketana sy nilazàn'ireo Okrainina mpampiasa Facebook azy ireny. Ny lohatenin'ilay boky hoe, “Phantom Pain #maidan,” (Avelom-panaintainana) dia manaiky ny endrika mandalon'ireo fahatsiarovana ny fiovàna tampoka sy mahery setra niseho nandritra sy taorian'ny korontana, ary mahatsiaro ny fahavoazana noho ireo namoy ny ainy nandritr'ny vanim-potoana feno herisetra tamin'ilay hetsi-panoherana. Ny mpanoratra ny boky, izy roa samy mpikatroka mafàna fo amin'ny Euromaidan, Anastasiia Savytska sy  Andrey Myrhorodskiy, dia miteny fa ny hevitra tany am-piandohàna dia ny hanao rakitsary miaraka aminà teny fohy  avy amin'ireo hafatra vitsivitsy tao amin'ny Facebookl, saingy avy eo ny votoaty tety anaty media sosialy no nanao fotsiny ny tohiny. Milaza i Anastasiia fa roa volana no laniny nanapahana hevitra mikasika izay hafatra ho ampidirina tao.

Можна сказати, що відтепер ми маємо матеріальне втіленні революції, яка сталася у Facebook. Що стосується відгуків читачів, то люди у більшості випадків кажуть, що поки не можуть прочитати книгу – надто живими і болючими є спогади.

Afaka miteny ianareo hoe manana porofo hita maso isika maneho ny revolisiona nitranga tao amin'ny Facebook isika ankehitriny. Ho an'ny fanehoankevitr'ireo mpamaky, miteny ny ankamaroan'ny olona fa tsy mbola afaka mamaky ireo hafatra aloha ry zareo hatreto – mbola tena mamamy sy mangirifiry loatra ireo fahatsiarovana.

3.000 isa ihany no nantonta tamin'ilay boky, saingy toa hita ho mitombo ny fangatahana. Naneho hevitra momba ny fihetsehampony ny sasany amin'ny mpamaky taorian'ny nahazoany ho eno an-tànany ny ‘boky Facebook -n'ny Euromaidan'— ao amin'ny Facebook ny ankamaroan'ireo fanehoankevitra, mazava loatra. Heverin'i Victoria Arbuzova-Powell fa manan-danja be ilay boky satria asa famoronana iray nifandrimbonana.

Написанная не одним автором, а всеми. Всеми теми, кто делал историю. Написанная не после, а во время. […] Эту книгу можно разобрать на цитаты.

Tsy hoe mpanoratra iray no nanorara azy ity, fa ny tsirairay. Ny tsirairay izay nanao ny tantara. Tsy nosoratana taorian'ny nitrangàny, fa nandritry ny nisiany. […] Fitanisàna miampy fitanisàna ity boky ity.

Iray amin'ny mpamaky i Sergey Gnidets nibaboka hoe raharaha iray mampihetsi-po ny famerenana mamaky ny sasany amin'ireo hafatra.

Отримав. Читаю ці сторінки і мурашки по шкірі. Нахлинули спогади тих подій.

Nahazo ilay boky aho. Mamaky ireny pejy ireny dia mangorintsina mitsangam-bolo. Miezaka mandresy ireny fahatsiarovana ny zava-nitranga ireny.

Tsy hoe fotsiny nitahiry topimaso tamin'ilay ranomasimben'ny dindon'ny media sosialy navelan'ny Euromaidan akory ny “Phantom Pain #maidan”, fa toy ny taratasy azo tsapain-tànana, ho afaka ampiasaina ho fampahatsiahivana fa nisy tena nisy marina ireny tranga ireny, ary tena nisy koa ireo olona nandefa ireny teny sy eritreritra ireny—savatra izay adinon'ny maro amintska nony injay efa lasa toy ny tantara iray hafa tanaty media ireo hetsi-panoherana tao Okraina.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.