Inona avy ireo olan'ny fifamoivoizana amin'ny fivezivezen'ny olona any amin'ny firenenao?
Ho an'ity andiany manokana ity, nandray anjara nandefa tantara kely avy any aminy ireo mpanoratry ny Global Voices avy amin'ny firenena samihafa hanasongadinana ny fahaiza-mamoron'ireo olom-pirenena manoloana ireo fanamby atrehan'ny fitaterana iraisan'ny daholobe ka hatramin'ny tsy fanjarian'ny drafi-panorenana hita miverimberina eny an-tanàn-dehibe.
Inty lohahevitra iray izay mitondra ny olona ho eny an'arabe noho ny antony maro. Tamin'ny taona lasa, vanja nandrehitra ny hetsi-panoherana faobe tany Brezila ny fisondrotan'ny saran'ny fiara fitateram-bahoaka tao Rio de Janeiro. Ary manerana izao tontolo izao, tompon'ny làka any amin'ny toerana tsy ampoizinao hisy azy akory ny fampiroboroboana ny fivoizana bisikilety.
Raha tianao, tsy hoe olan'ny mpandeha an-tongotra fotsiny izy io…
1. Ao Bangladesh, Mivoy Bisikilety Mba Ho Afaka Amin'ny Fitohanana Mampiteny Ny Maona Ao Dhaka
2. Raha Mila Mandalo Aty Madagasikara Ianao?
3. Tsy Tian'Ireo Any Ivelan'ny Renivohitra Ireo Fiarabe ‘My Love’ Haphazard Any Môzambika
4. Nataon'i Japana Ho Toy Ny Fandrotsirotsiana An'ireo Ray Aman-dreny Ny Fitateram-Bahoaka
5. Mampiasa Indray Ny Araben'i Puerto Rico…Eny Ambony Bisikilety
- Mitaingina bisikilety eny amin'ny arabe tranainy San Juan, renivohitr'i Puerto Rico. Sary avy amin'i video.
6. Ny Fiarandalamby Ambanin'ny Tany: Ain'i Tananan'i New York
- Sary an'i RomanK Photography, mpampiasa Flickr. CC BY-NC-ND 2.0.