Ho arahi-maso akaiky ny Facebook, ankoatra ny tranonkala hafa, rehefa mihatra ny tolo-dalàna “manohitra ny fampihorohoroana”.
Ny lalàna drafitra, izay nampidirin'ny Minisiteran'ny ny Atitany tao amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana, izay ho ampidirina ao amin'ny filankevitry ny minisitra ho ankatoavina, dia mametraka fa azo tampenam-bava ny tranonkala aterineto mandrisika ny fampihorohoroana. Tafiditra amin'izany ny tranonkala malaza toy ny Facebook, izay lasa fantsom-piseraseran'ny Ejipsiana hamoaka ny feo manivaka.
Araka ny gazety mivoaka isan'andro amin'ny teny arabo Al Sherooq [ar]:
تضمن مشروع قانون «مكافحة الإرهاب» المرسل من وزارة الداخلية للعدل، قبل إرساله إلى مجلس الوزراء، لإقراره، ولأول مرة موادَّ جديدة لضمان فرض السيطرة على الجرائم «الإرهابية» بشكل أكثر شمولًا من مواد قانون العقوبات، بداية من فرض الرقابة اللازمة على مواقع فيسبوك والإنترنت؛ لمنع استخدامها في الأغراض «الإرهابية» المنصوص عليها
Sambany ny tolo-dalàna enti-miady amin'ny fampihorohoroana, izay nalefan'ny minisiteran'ny atitany any amin'ny minisiteran'ny fitsarana, mialoha ny handefasana azy ao amin'ny filankevitry ny minisitra, ho fankatoavana, no mampiditra lalàna vaovao miantoka ny fanaraha-maso ny “fampihorohoroana” amin'ny fomba mivelatra kokoa, izay manomboka amin'ny fanaraha-maso ny aterineto sy ny Facebook mba tsy ampiasana azy ho amin'ny fampihorohoroana
Nanamarika ny bilaogera Ejipsiana Ramy Yaacoub:
First implementation of article 31 of #Egypt‘s new constitution seen in Anti-terror law bill, proposes monitoring Facebook, blocking sites.
— Ramy Yaacoub (@RamyYaacoub) January 31, 2014
Voalohany ny fampidirana ny andininy faha-31 amin'ny lalampanorenan'i Ejipta vaovao hita ao amin'ny tolo-dalàna, dia mamolavola ny hanaraha-maso ny Facebook, ny fanakanana tranonkala.
Ary nanampy:
This is becoming ridiculous. There needs to be an international treaty that governs the sanctity of private communication.
— Ramy Yaacoub (@RamyYaacoub) January 31, 2014
Efa lasa fahadalàna izany. Tsy maintsy ilaina ny lalàna iraisampirenena izay manjaka amin'ny tsy fahazoana midikidi-poana amin'ny fifandraisan'olona manokana.
Miteny ny mpanoratra tantara foronina Ezzedine Choukri Fishere fa hisy fiantraikany mihoatra noho ny fampihorohoroana fotsiny io tolo-dalàna io:
الف مبروك يامصر: الإضرار بالبيئة أصبح عمل ارهابي (عوضنا على الله في 3/4 الشعب) — نص مشروع قانون «مكافحة الإرهاب» http://t.co/5yZ6jHsHHA
— C. Fishere شكري فشير (@EzzedineCF) January 30, 2014
Arahabaina i Ejipta! Efa lasa asam-pampihorohoroana ankehitriny ny fiarovana ny tontolo iainana
Ary namehy i Mai El-Sadany:
2. New anti-terrorism draft law will incorporate internet and social media monitoring [aka, spying]. #Egypt
— Mai El-Sadany (@maitelsadany) January 29, 2014
2. Ho ampidirina ao amin'ny tolo-dalàna miady amin'ny fampihorohoroana ny fanaraha-maso [na fitsikilovana] ny aterineto sy ny tambajotra sosialy.