Mpanao Gazety sy Bilaogera Mifandrafy Hevitra Momba ny Fampihorohoroana Rosiana

Anti-establishment  journalist Kungurov (left) vs. special forces blogger hardingush (right). Image remixed by author.

mpanao gazety mpanohitra ny rafitra Kungurov (ankavia) sy ilay bilaogera tsy fantatra anarana ao amin'ny vondro-tafika manokana (ankavanana). Sary natambatry ny mpanoratra.

Mbola mitoetra ho lohahevitra lehibe indrindra ao amin'ny RuNet ilay fipoahana in-droa misesy tao Volgograd [tatitra Global Voices], izay nahafaty olona am-polony tamin'ny desambra 2013. Avy ao anatin'ny hevitra, fanadihadiana, ary fihetseham-po maro dia maro, dia misy adihevitra tsy mety tapitra iray mahaliana manokana — fifandiran-kevitra an-tserasera eo amin'ny bilaogera roa malaza, dia eo amin'ilay mpanao gazety mpanohitra ny rafitra Alexey Kungurov sy ilay mpiantafika manana fiofanana manokana miasa any Ingushetia, hardingush [tatitra Global Voices amin'ny teny malagasy].

Taorian'ny fipoahana voalohany nandritra ny volana Desambra tao amin'ny garan'i Volgograd, Kungurov, izay mirehareha ho manana mpanjohy 11.000 ao amin'ny LiveJournal ary mitana ny laharana faha-66 eo amin'ny fampilaharan'ny LiveJournal, dia nanao izao fanambarana feno fihantsiana izao tao amin'ny lahatsoratra bilaogy [ru]:

В очередной раз говорю очевидное: никакого теракта в Волгограде не было.

Hilaza aminareo zavatra iray miharihary indray aho: tsy misy fanafihan'ny mpampihorohoro tany Volgograd.

Baotsimivily, araka ny filazany ny lojikan'i Kungurov. Faritan'ny lalàna momba ny heolika bevava rosiana fa ny asam-pampihorohoroana dia “fipoahana, fandorana niniana natao, na fihetsika hafa natao hampihorohoroana ny vahoaka, manohintohina olona na fananana […], ka manana tanjona hanery hampivily (hampiova) ny fanapahan-kevitra ataon'ny manampahefana na fikambanana iraisampirenena […].” Rehefa tsy nanao fitakiana tamin'ny manampahefana ireo vondrona tompon'andraikitra tamin'ny fanapoahana baomba tao Volgograd, rehefa tsy nisy ny fandrahonana na fikasana hanery na iza na iza hiova hevitra, rehefa tsy misy ny milaza ho  tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana, ary ts misy na iza na iza niseho tamin'ny fanaovana izany hampalaza ny ideolojiany, dia hoy fotsiny i Kungurov momba ireny fipoahana ireny:

«убийство двух или более лиц, совершенное общественно опасным способом» (ч.2 ст. 105 УК РФ). Квалифицирующего признака теракта в упор не вижу.

“famonoan'olona roa na mihoatra, natao tamin'ny fomba mampidi-doza eo amin'ny fiaraha-monina” (Fizarana faha- 2, Andininy 105, Lalànan'ny Heloka Bevava Rosiana). Tsy mahita marika fampihorohoroana mihitsy ao anatin'izany

Azo ahiahiana ho mananihany i Kungurov — saika mitovy avokoa manerantany ny fomba fihevitra ny amin'ny atao hoe “asam-pampihorohoroana”, izany hoe ny fanapoahana garan-dalamby sy ny famonoana olona ampolony dia tsy “famonoan'olona” tsotra, raha tsy jerena ny fitakiana atao na tsy ataon'izay nanao izany, na hoe ahoana ny famaritan'ny lalàna momba ny heloka bevava ny fampihorohoroana. Nandeha lavidavitra kokoa, anefa, izy tamin'ny filazana fa ny famonoana miaraka amin'ny fanaovana vivery ny ainy rehetra nitranga tany Rosia, raha ny marina, dia nataon'ny “sampan-draharaha manokana” Rosiana sy ny siloviki, izay mahazo tombontsoa amin'ny fandrosoan'ny fanjakana mahatandro filaminana sy ny fatahoran'ny mponina:

Выгоду  от «теракта» при любом раскладе извлекает государство, точнее отдельные лица, государство приватизировавшие.

Amin'ny toe-draharaha rehetra dia mahazo tombontsoa amin'ny asam-pampihorohoroana ny fanjakana, indrindra indrindra fa ireo olona nanao ho fananany manokana ny fanjakana

Niteraka sahotaka tao amin'ny RuNet ny lahatsoratr'i Kungurov, ka nametraka azy hahazo ny faratampony ao amin'ny fandaharana lisitry ny lahatsoratra am-bilaogy maro malaza, ary nahazoana fanehoan-kevitra 2.281 izay maro amin'izy ireo no mitovy hevitra aminy. Tonga avy amin'ny bilaogy LiveJournal iray izay manana ny dikantsoratra manao hoe “Fiadiana amin'ny Fampihorohoroana. Fijery avy ao anatiny” ny setriny [ru] roa herinandro taty aoriana. Nampalaza ny tenany tao amin'ny RuNet tamin'ny fanaovana bemidina ho fiadiana amin'ny fampihorohoroana any avaratr'i Kaokazy amin'ny fanehoana amin'ny antsipirihany mahavariana sy feno ra mandriaka ilay miaramila nahazo fiofanana tao amin'ny vondro-tafika manokana ambadik'ilay bilaogy hardingush [ru] (mpanjohy 13.600, laharana faha-23 ao amin'ny LiveJournal)

Notoherin'i hardingush ny fametrahana anarana ny asam-pampihorohoroana ho “famonoan'olona,” sy ilay hevitra fa tsy maintsy misy ny fangatahana ao amin'ilay heloka bevava vao azo kilasiana azy ho “fampihorohoroana.” Ny tena mahaliana dia nanao tahaka an'i Kungurov ihany koa izy tamin'ny fanatsongàna ny famaritana ofisialy ny antsoina hoe asam-pampihorohoroana (jereo etsy ambony). Saingy nifantohany manokana ny eo amin'ny sombiny manao hoe “fampitahorana ny mponina”. Araka an'i hardingush, “fahadisoana” ny mijery manavaka tsirairay ireo famonoana miaraka amin'ny fanaovana vivery ny ainy. Raha ny marina dia manao fanentanana lavitr'ezaka ny mpampihorohoro. Tsy manana fitakiana manokana izy ireny (izay fantatry ry zareo fa tsy ho ekena izany), saingy tsy maintsy manana tanjona “hampitahotra” ny mpifidy Rosiana. Avy eo ireo mpifidy ireo hiteny hoe:

“Нет, нам Кавказ не нужен, давайте отделим”. Нужно быть полным кретином, чтобы требовать отделения территории от руководства страны с помощью терактов. Но можно воздействовать на население, которое возьмет да и проголосует за придурка, который пообещает отделить Кавказ.

“Tsia, tsy mila an'i Kaokazy isika, avelao hisaraka.” Tsy ilaina ho vendrana be ianao ka hitaky fisintahana amin'ny governemanta amin'ny fanaovana asam-pampihorohoroana. Fa azonareo atao indray ny mandresy lahatra ny mponina, izay handeha hifidy ilay adala mampanantena ny fisarahana amin'i Kaokazy.

Mandritra izay fotoana izany i Kungurov no mamoaka tohivakana [ru] lahatsoratra [ru] milaza an'i hardingush ho miasa amin'ny tetikasan'ny governemanta sy ho mpandainga, ao anatin'ny milina mitady “asam-pampihorohoroana” sy manao izay hametrahana ny Rosiana hipirina tsara. Tsy namaly ny fiampangana i hardingush. Koa satria moa miha-antomotra ny Lalao Olamipikan'i Sochi, ary te-hanenjana ny fepetra hiadiana amin'ny fampihorohoroana [ru] ny governemanta rosiana, dia mety mbola hafana izao fifandirana an-tserasera izao. Antenaina fa mbola hitoetra an-tserasera ry zareo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.