Efa ho herintaona izao ny Sampam-pitsikilovana iray any Korea Atsimo no nanao sora-baventy ho familiana ny saim-bahoaka talohan'ireo fifidianana filoham-pirenena farany teo, saingy nasehon'ireo ampamoaka mahatohina fa mbola lasa lavitra noho izay familiviliana saim-bahoaka no nataon'ireo mpitsikilo sasantsasany miezaka ny hanova ny hevi-bahoaka – satria dia natao nanaraka lamina sy tamin'ny fomba midadasika be izany.
Vao tsy ela izay, nanao fanadihadiana lalina ny biraon'ny mpampanoa lalàna ary nahita fa malalaka be sady voaomana mihoatra noho izay noheverin'ny maro ny fanodikodinana ny valim-pifidianana: bitsika 1.2 tapitrisa no nalefan'ny National Intelligence Service (NIS) mba handotoana ireo lohandohan'ny mpanohitra, ary bitsika 23 tapitrisa [ko] no naparitaky ny Fibaikoana ny Ady anaty Aterineto an'ny Minisiteran'ny Fiarovana mba hampitongilana ny mizana hankany amin'ny Filoha amin'izao fotoana, Park Geun-hye.
Toa mihamafana ireo hetsi-panoherana tanterahana isan-kerinandro, sy ireo bitsika marobe mikasika io tsy fahatomombanan'ny fifidianana tsy fahita hatrizay io:
총체적대선개입 공약파기 노동탄압규탄 범국민촛불대회 수 만의 뿔난 시민들과 함께 개최 중에 있습니다. [6시현재] pic.twitter.com/eNPFBOoVdj
— 신비, 김상호 (@sinbi2010) November 23, 2013
Manao famoriam-bahoaka miaraka amina labozia izahay izao [toy ny tamin'ny 23 Novambra, tamin'ny 6ora hariva] ahitana olom-pirenena an'aliny tezitra mikasika ny fanembatsembanana voalamina ny fifidianana, ireo toky nomena nandritra ny fampielezan-kevitra tsy voatàna sy ny famoretana ireo vondrom-piasàna.
국정원의 선거개입 트윗 110만건은 어마어마한 규모.댓글부대원이 100명이라면 1인당 1만1000건을 쓴 꼴.한 사람이 하루 50건씩 써도 220일 소요.공무원이니 토-일요일,휴뮤일 빼면 1년 내내 써야하는 물량.조직적-체계적인 선거개입의 물증.
— 김영호 (@ghyh44) November 20, 2013
Manodidina ny 1,1 tapitrisa eo ny isan'ireo bitsika mifandray amin'ny fifidianana hita tao amin'ny NIS – izay isa midangana be. Raha heverintsika fa zato ny mpiasan'ny NIS [izay ny ankamaroan'ny asany dia mandefa tsikera anaty aterineto fotsiny], midika izany fa misahana bitsika 11.000 ny mpiasa iray. Raha heverinao fa nanoratra bitsika 50 isan'andro izy amin'ny ankapobeny, dia mbola mila 220 andro izy vao hahatratra io isa io. Raha tsy isaintsika ireo faran'ny herinandro sy ireo andro tsy fiasana nefa handraisan-karama, mila taona iray manontolo izy ireo mba hamoahana io habetsahana bitsika io. Ary izay no porofo fa nisy tetika matipaika, voaomana, sy ezaka maro tao mba hanembatsembanana ny fifidianana. [* Fanamarihana: Maro tamin'ireo bitsiky ny NIS no hita na dia mbola an-dàlana aza ny famotorana, ny ampamoaka iray farany indrindra dia milaza fa misy eo amin'ny 1.24 tapitrisa eo ireo bitsika [ko] raha atambatra.]
Tsy natao hoan'ireo mpiasan'ny NIS irery ireo tsikera maneso tsy hita isaina fa koa hoan'ny Fibaikoana ny Ady anaty Aterineto an'ny Minisiteran'ny Fiarovana, izay inoana ho avo telo heny noho ny ekipan'ny NIS [ko] misahana ny Aterineto. Nandefa bitsika mifandray amin'ny fifidianana in-droapolo avo heny noho ny sampam-pitsikilovana izy:
@SamuelWKim1: 국정원 121만건..사이버부대가 2300만 건..국정원 놀았네.
@SamuelWKim1: Nandefa bitsika 1.21 tapitrisa ny NIS ary 23 tapitrisa kosa ny Fibaikoana ny Ady anaty Aterineto an'ny Tafika. Tsy niasa mafy ny NIS [raha oharina amin'ny Fibaikoana ny Ady anaty Aterineto].
세계 그 어떤 나라도 국정원 같은 국가 기관이 이처럼 대규모로 대선 공작한 나라는 없었다. 어서 영국 기네스북에 전화해서 세계 역사상 최대 규모의 대선 공작 댓글 120만개가 발견된 나라로 등재해야 한다. 포탈 댓글도 나오면 기록 갱신도 가능하다.
— 애견인; 미니핀만 25년 (@planner95) November 21, 2013
Tsy misy firenena eto ambonin'ny tany ka nahatanteraka fanodikodinana fifidianana maty paika sy goavana tahaka izao. Miangavy olona hiantso ny Boky Guinness-n'ireo “Zavabita Tsara Indrindra Erantany” any Angletera ary hangataka azy hanoratra anay ho tahaka ny firenena izay nahitana bitsika mpanodinkodina fifidianana miisa 1.2 tapitrisa, izay mbola tsy fahita hatrizay. Raha toa ka afaka ampidirina ihany koa ireo tsikera nataon'izy ireo [ny NIS sy ny Fibaikoana ny Ady anaty Aterineto] tao amin'ireo vohikalan-tserasera, dia afaka mandresy io isa voalohany io mihitsy aza izahay.
檢, 국정원 정치.선거 트윗글 124만건 최종확인 http://t.co/KI7s7t93L0 현재 확인된 트윗글만 124만건! 하지만 저 엄청난 규모도 빙산의 일각일 것… 네이버, 다음 등 포털 등의 댓글을 제대로 수사했다면?
— 서주호 (@seojuho) November 20, 2013
Nanamafy ny biraon'ny mpampanoa lalàna fa nanoratra bitsika miisa 1.24 tapitrisa mikasika ny fifidianana sy ny politika ny NIS. Nahita bitsika 1.24 tapitrisa ry zareo hatreto! Saingy mino aho fa na io isa io aza mety ho ny tendron'ny vongan-dranomandribe fotsiny. Ahoana raha nanao fanadihadiana lalina kokoa mikasika ireo vohikala midadasika toy ny Naver sy Daum ry zareo?
Nivoaka[ko] ny ampamoaka fanampiny taty aoriana izay miteny fa voakendrin'ny fanafihan'ireo bitsiky ny NIS ihany koa ireo mpanoratra malaza indrindra, ireo mpanabe ary eny fa na dia ireo mpampiala voly aza izay miteny ny fitantànana :
@actormoon: 이건 대상이 ‘민간인'이란 면에서 또 다른 차원의 ‘범죄'입니다
@actormoon: Raha raisina ny fisehoan-javatra izay mampiseho fa mikendry olom-pirenena ireo bitsika sasany, dia haavona “heloka” hafa koa io.