#52ThingsAboutTanzania Ho Fankalazàna ny Faha-52 Taonan'ny Fahaleovantena

Nankalaza ny faha-52 taonan'ny fahaleovantenany niala tamin'ny Britanika i Tanzania tamin'ny 9 desambra 2013. Fantatra taloha tamin'ny anarana Tanganyika, tamin'ny tanibe nitambatra tamin'ny nosy Zanzibar ny firenena tamin'ny 26 aprily 1964 ka nanangana ny Tanzania.

Tamin'ny fankalazàna ny faha-52 taonan'ny fahaleovantena ny mpisera Twitter sasantsasany no nanangana ny diezy  #52ThingsAboutTanzania (zavatra 52 momba an'i Tanzania) hifampizarana zavatra sy tarehimarika mahaliana momba ny firenena :

Julius Nyerere, ny “Rain'i Tanzania”, no nandika ny piesin'i Shakespeare “Ilay Mpivarotr'i Venizy & Jolio Kaisara (Sezara)”  ho amin'ny teny swahili.

Mount Kilimanjaro,  the highest mountain in Africa, and the highest free-standing mountain in the world, in Moshi, Tanzania. Photo released by Muhammad Mahdi Karim (www.micro2macro.net) under GNU Free Documentation License.

Tendrombohitra Kilimanjaro, tendrombohitra avo indrindra ao Afrika, sy tendrombohitra avo indrindra mijoro samirery manerantany, ao Moshi, Tanzania. Sary navoakan'i Muhammad Mahdi Karim (www.micro2macro.net), GNU Free Documentation License.

Ny Tendrombohitra avo indrindra mijoro samirery manerantany dia ny Tendrombohitra Kilimanjaro

Nakàna aingam-panahy avy amin'ny valan-javaboaharim-pirenena Tanzaniana ao Serengeti ilay Sarimiaina Malaza an'i Disney  “Ny Liona Mpanjaka”.

Ny Tanzanite [vato sarobidy tsy fahita avy ao Tanzania] dia anarana nomena avy amin'i Tanzania Fanjakana Atsinanan'i Afrika niaviany. Tiffany's no namorona ny anarana.

Coconut crab,  the largest land-living terrestrial crab in the world, Photo released under Creative Commons by Flickr user Drew Avery.

Fozam-boanio, fozantany goavana indrindra manerantany . Sary navoaka tamin'ny alalan'ny Creative Commons, avy amin'ilay mpisera Flickr, Drew Avery.

Zanzibar, Tanzania no fonenan'ny fozam-boanio. Fozµa lehibe indrindra manerantany (sy toa iray amin'ireo matsiro indrindra)

Firenena 10 isan-karazany ankehitriny no miteny ny teny KiSwahili izay avy ao Tanzania, ary anisan'izany ny Nosy Komoro.

Ngorongoro Crater,  a UNESCO World Heritage Site and one of the seven natural wonders of Africa, located in Arusha, Tanzania. Photo released by Thomas Huston under  GNU Free Documentation License,.

Vavam-bolokano Ngorongoro, toerana natokan'ny UNESCO ho lovan'izao tontolo izao, ary iray amin'ireo zavaboahary fito mahagaga indrindra ao Afrika, miorina ao  Arusha, Tanzania. Sary navoakan'i Thomas Huston tamin'ny alalan'ny GNU Free Documentation License.

Ny vavam-bolokano maty Ngorongoro, ao Tanzania, no vavam-bolokano feno midadasika indrindra manerantany.

Tanzania no manana Tendrombohitra faharoa lehibe indrindra manerantany (Kilimanjaro)

Ny volan'i Tanzania dia ny shilling tanzaniana

Ny Valan-javaboaharim-pirenena ao amin'ny Farihin'i Manyara, Tanzania, no akanin'ireo liona hany mpihani-kazo manerana izao tontolo izao.

Tree climbing lion in Tanzania. Photo released under Creative Commons by Flickr user Tracey Spencer.

Liona mpihani-kazo ao Tanzania. Sary navoaka tamin'ny alalan'ny Creative Commons avy amin'ilay mpisera Flickr Tracey Spencer.

Ny karandohan'olona ela indrindra hita teto ambonin'ny tany dia tao Olduvai Gorge ao Tanzania no nahitana azy.

Ny Valan-javaboahary Amani (Atsinanan'i Tanzania) no toerana tokana ambonin'ny tany ahitana ny violety Afrikanina mitsimoka hoazy eny rehetra eny.

Iray amin'ireo olo-malaza Afrikanina hajaina indrindra, Julius Nyerere (1922 — 1999), mpanao politika manana fitsipi-pitondrantena sy haranita-tsaina miavaka.

Ny Hazo Mpingo antsoina na Andramainty , fahita mahazatra ao Tanzania, no hazomafy lafo vidy indrindra manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.