Nanaovan'ny fanjakana Koreana Tatsimo fanadihadiana ny pretra Katolika malaza iray taorian'ny fanamarihana nataony tamin'ny nitakiany ny Filoham-pirenena hametra-pialàna amin'ny sampan-draharaham-pitsikilovan'ny fanjakana sy ny filalaovan'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena ny aterineto, niteraka ny fifidianana tamin'ny taon-dasa.
Resahana matetika izao i Park Chang-shin, pretra avy ao amin'ny diosezin'i Jeonju sady mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Pretra Katolika ho an'ny Fahamarinana izay nitsikera tsy nihambahamba ny filoha tamin'ny tranga mahamenatra tamin'ny fampielezan-kevitra, noho ny fanehoankevitra nataony momba an'i Korea Avaratra. Nandritra ny toriteny (lahatsoratra feno [ko]) nataony vao haingana, “tsy nampaninona ny Tavaratra ny namely ny nosy Yeonpyeong hatramin'ny niarahan'ny tafika Amerikana sy Koreana Tatsimo nanao fanazarantena teny akaikin'ny sisintaniny”, hoy izy mantsy ny fanafihana nataon'ny Koreana Tavaratra tamin'io nosy sisiny io izay nahafaty olon-tsotra roa sy mpiantafika an-dranomasina roa tamin'ny Novambra 2010.
Nanjary fitaovam-piadiana ho an'ny governemanta ny fanadihadiana azy nataon'ireo mpampanoa lalàna. Nosokajian'ny Piraiminisitra Koreana Tatsimo ho toy ny “fandravana ny firenena sy fanomezana vahana ny fahavalo” izany fanehoankevitr'i Park izany ary nolazain'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenana hoe “fahavalom-panjakana” izy. Hafahafa ihany izany satria ao amin'io lahateny io ihany no ilazan'ny Park fa “leo tanteraka ny fomba fiteny ‘miandany amin'ny Avaratra’ izay tian'ny fitondrana mpiaro nentin-drazana ampiasaina sy araraotina izy mba hanafoanana ireo tsikera rehefa nolazaina ry zareo fa mpanara-dia ny mpomba an'i Korea Avaratra.”
Tamin'ny fiafaran'ny fahavaratra teo dia nampiaka-peo ny mpitarika Katolika any Korea Atsimo, tarihin'ny Fikambanan'ny pretra Katolika ho an'ny Fahamarinana, noho ny fitsabahana mahazatra ataon'ny governemanta, indrindra noho ny fandraisany ireo Lamesa sy fiaretan-tory an-dabozia ho hetsi-panoherana. Manana ny tantarany io vondrona io raha ny fanoherana ny jadon'ny mompera Filoha Park tamin'ny 1970; izy ireo ihany koa no namoha indray ny fampijaliana sy ny fahafatesan'i Park Jong-Chul, izay nitarika ny Hetsibahoaka tamin'ny Jona 1987.
Fantatra tamin'ny vaovao mafàna farany momba ny trangan'ny fampielezankevitra fa bitsika maherin'ny 24,2 tapitrisa no nosoratan'ny sampan-draharaham-pitsikilovana sy ny sampana ho an'ny ady amin'ny aterineto ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovana, mba hanalàna baraka ireo kandidàn'ny mpanohitra sy hanandratana ny filoha am-perin'asa Park Geun-hye. Arakaraky ny mampirongatra ny hetsi-panoherana no itenenan'ny filoha fa ‘tsy mandefitra amin'ny hetsika rehetra hampisara-bazana ny vahoaka sy handravana ny firaisam-pirenena izy’.
Nivatravatran-katezerana sy niahiahy ny tontolon'ny aterineto Koreana momba ny fanehoankevitra malalaka eo amin'ny firenena sy ny demokrasia amin'ny fikarakarana ny raharahan'ny mompera Park.
Nobitsihinà mpanao gazety malaza, @mediamongu ny sarin'ny lamesa manokana nokarakarain'ny CPAJ ary notarihin'i Mompera Park tamin'ny 22 Novambra. Manodidina ny 400 ireo pretra sy mpino katolika voalaza fa tonga nanatrika io hetsi-panoherana io :
박근혜 대통령 사퇴 촉구 첫 시국미사가 끝난 후 신부님들과 신자들이 촛불 들고 “대통령은 사퇴하라”는 구호 외치며 거리행진을 하고 있습니다 pic.twitter.com/BtJz0KM5Cc
— 미디어몽구 (@mediamongu) November 22, 2013
Rehefa vita ny Lamesa sy ny hetsika nangatahana ny fametraham-pialànan'ny Filohan'ny Park dia nidina teny an-dalam-be nitàna labozia sy niantsoantso hoe ‘mialà ry Filoha !’ ireo pretra sy ireo mpino Katolika
Mpiserasera maro amin'ny aterineto no maneho ny ahiahiny amin'ny fampiasana matetika ilay fitenenana hoe mpomba ny Tavaratra mba hanoherana ireo vondrona progresista sy mpanohitra ny governemanta :
박정권이 사제단을 종북으로 몰기 위해 연평도 발언을 왜곡이용하고 있는데, 그것이 아니었어도 어떤 식으로든 종북으로 몰았을 것입니다. 그것 밖에 카드가 없거든요. 이제 부정선거 지적하는 개신교도 원불교도 조계종도 전부 종북이 될 것입니다. 한심합니다
— 김정란(국민TV) (@pupituu) November 26, 2013
Amboarin'ny governemantan'ny Park sady araraotiny ilay fanamarihana momba ny nosy Yeonpyeong mba hilazàna ny CPAJ hoe ‘mpomba ny Tavaratra’. Raha tsy nampiasainy izany dia tsy maintsy nahita fomba hafa indray izy mba ilazàna fa ‘mpomba ny tavaratra’ ry zareo. Satria izany [fitenenana izany] sisa no karatra entiny miady, izay no antony ampiasany izao tetika izao. Izay vondrona rehetra mitsikera io fifidianana misy fangalarana io dia lazaina fa ‘mpomba ny Tavaratra’– na Protestanta izany, na Won Bodista, na Bodista Koreana Jogye na tsia. Mampalahelo.
이명박 정부 이래 정권에 비판적 목소리는 무조건 종북으로 매도..이젠 천주교 정의구현 사제단마저 ‘종북'사제단으로 매도되는 지경이니 마침내 ‘종북’의 기준이 분명해졌다. 정권에 쓴소리를 하거나 대통령 사퇴를 주장하면 모두가 종북이다!! (민중의 소리) — Yoon.s (@prettyYoon7002) November 26, 2013
Nandritra ny fitantanan'i Lee Myung-bak [taloha], izay feo rehetra mitsikera ny governemanta dia lazaina fa mpomba ny Tavaratra. Izao dia lazaina ny CPAJ fa vondrona Katolika mpomba ny Tavaratra. Mangarahara izany izao : izay rehetra miteny manohitra ny governemanta ary mangataka ny fialàn'ny Park dia ‘mpomba ny Tavaratra’ daholo.
광주 시민사회. “천주교 정의구현 사제단의 시국미사를 적극 지지한다. 국가기관을 총동원한 헌정유린에 대해 국민들의 규탄의 목소리와 종교인들의 시국미사에 ‘종북’으로만 답하는 박근혜정부는 더 큰 국민적 저항을 맞이할 수 밖에 없다.”
— 레인메이커 (@mettayoon) November 26, 2013
Nambaran'ny fiarahamonim-pirenena Gwangju fa “Tena nanohana ilay Lamesa sy ny hetsi-panoherana nataon'ny CPAJ izahay. Nampangain'ny olona ho miray tsikombakomba ny olona ao amin'ny governemanta mba hanitsakitsaka ny lalàm-panorenana ary mbola manao lamesa sy hetsi-panoherana ihany ny filoham-pivavahana – Raha toa ka mbola ny fitenenana hoe ‘mpomba ny Tavaratra’ ihany no valin-teny azon'ny governemanta Park omena ho setrin'ireny antso maro be ireny dia hiatrika fanoheram-bahoaka mafimafy sy mivelatra kokoa ry zareo atsy ho atsy.
Itarainan'ireo mpiserasera amin'ny aterineto ihany koa fa ny haino aman-jery Koreana mpandala ny nenti-paharazana dia manaraka an-jambany ireo antoko eo amin'ny fitondrana, ary tafihan'ireo mpitahiry ny fomban-drazana ireo mpivavaka ao amin'ny fiangonana katolika :
정교분리는 ‘종교기관'의 정치유착을 경계하는 의미지 헌법상 보장된 ‘개인'의 표현자유를 묶는 의민 아니다.국정원 대선개입 물타기에 급급한 한국언론아.너의 주인을 위해 짖더라도 뭘 알고 짖어라.그리고 잊지마라.너의 주인은 국민이다.반드시 죄과를 치르리라
— 최경영 (@kyung0) November 26, 2013
Natao ialàna amin'ny fifangaroan'ny politika sy ny fivavahana ny ‘fanasarahana ny fiangonana sy ny fanjakana’ fa tsy hamerana ny fahalalahan'ny ‘tsirairay’ maneho hevitra, izay arovan'ny lalàm-panorenana. Sahirana amin'ny fandambolamboana ny fifidianana mahamenatry ny NIS [ Sampan-draharaham-pitsikilovana Nasionaly] ianareo, ry haino aman-jery Koreana, amin'ny fanaovana lohateny vaventy manaitra. Na dia mivovò miaro ny lehibenareo aza ianareo, fara-faharatsiny mbà manàna fahalalàna hoe momba ny inona no ivovòzanareo. Ary tsarovy fa ny vahoaka no lehibenareo. Hivaly aminareo izao.
사제단에 가해지는 ‘종북’ 폭격..'확성기’ 노릇하는 언론들 http://t.co/MJvNLYo3T3 — 표창원 (Changwon Pyo) (@DrPyo) November 26, 2013
Ny fanafihana amin'ny ‘fitenenana hoe mpomba ny Tavaratra’ dia fidarohana baomba ny CPAJ ary vao maika namafisin'ny haino aman-jery izany famelezana izany.
오늘 박근혜가 말안듣는 국민들을 가만두지 않겠다는 협박 멘트가 떨어지기 무섭게 고엽제 전우회가 전주대교구 성당을 난장판을 만들었다. 불법폭력시위에 단호히 대처한다고한 박근혜씨는 성스런 성당의 불법폭력 난입사태에는 어떻게 대응하는지 지켜봐야 겠다.
— 언론이 살아야 나라가 산다.(나친노) (@answer1219) November 25, 2013
Androany, taorian'ilay fampitandremana nataon'ny Park Geun-hye fa tsy avelany amin'izao ireo mpikomy ireo, [fanamarihana : tsy izany akory no teny marina nilazan'ny Filoha azy fa izao no fomba nahatakaran'ny mpiserasera azy], dia nopotehin'ny vondron'ny mpandala ny nenti-paharazana, ary ny vondron'ireo zokiolona Goyeopje, ny fiangonan'i Jeonju. Ndeha hojerena hoe ahoana ny fihetsik'i Park Geun-hye manoloana izao fanafihana tsy ara-dalàna sy mahery setra atao amin'ny fiangonana masina izao, satria izy nilaza fa handray fepetra hentitra amin'ny fihetsehana tsy ara-dalàna sy mahery setra.
이석기사건이 터젔을땐 이석기인형을 불태우더니 이번엔 천주교사제단을 종북으로 몰며 인형을 불태우는 보수단체들. 흡사 마녀화형식을 보는듯 촌스럽군요. 어르신들 모여서 고작 이런 협박이라니. 참 새로움이 없어요. pic.twitter.com/6fANlkVT1w
— 희윤#바보가꿈꾸는세상#국정원특검 (@hee1025w) November 25, 2013
Nodoran-dry zareo [vondron'ny mpandala ny nenti-paharazana] ny sarin'i Lee Seok-ki taorian'ny fahavoazany. Izao dia lazainy fa mpomba ny Tavaratra ny CPAJ sy nandoro ny sarin'izy ireo. Tena mandreraka be izany- ohatra ny mijery fanaovan'ny mpamosavy sorona. Ity karazana fampihorohoroana ataon'ireto jiolahimboto antitra ireto ity- tsy misy zava-baovao amin'izany rehetra izany.