Fanafihana Tsenambarotra Tao Nairobi Nanome Aingam-Panahy Fitaovana Vonjy Taitra An-Tserasera Roa

Vakio ihany koa: Ahoana ny Nivoahan'ny Fanafihana Tsenambarotra tao Nairobi Tamin'ny Tambajotra Sosialy sy Mpanoratra Global Voices Mahatsiaro Ireo Namana Novonoina Tamin'ny Fanafihana Tsenam-barotra Tao Nairobi [mg].

Tamin'ny 21 Septambra 2013, Nisy vondrona mpikatroka ahiana ho al-Shabab nanakorontana ny tsenambarotra Westgate tao Nairobi, renivohitr'i Kenya, izay nahafatesana olona 61 farafahakeliny, enina mpiasan'ny fiambenana sy naharatrana lehilahy, vehivavy ary ankizy tsy manan-tsiny an-jatony.

Taorian'io fanafihana mampihoron-koditra io dia namoaka fitaovana ilaina amin'ny vonjy taitra roa ny Ushahidi. Orinasa tsy mitady tombombarotra miompana amin'ny resaka teknolojia ny Ushahidi amin'ny fampivelarana rindrambaiko malalaka loharano sy maimaipoana amin'ny fanangonam-baovao, topimaso ary ny fifarimbonana an-tsarintany.

“Ushahidi”, izay midika hoe “vavolombelona” amin'ny fiteny Swahili, dia tranonkala niainga tamin'ny fanaovana tatitra an-tsarintany ny herisetra tao Kenya taorian'ny fifidianana niteraka gidragidra tamin'ny fanombohan'ny taona 2008.

Ny fampihatra Ping dia “fitaova-pamaliana antso” (fanamarinana raha tsy maninona) maro-zotra ho an'ny vondrona. Hanampy ny fianakaviana, ny namana ary ny orinasa hifanamarinana amin'ny fomba haingana ny fahavelomana ny fitaovana:

There was a consistent problem in every disaster that happens, not just in Kenya, but everywhere. Small groups, families and companies need to quickly check in with each other. They need to “ping” one another to make sure they’re okay. It has to be something incredibly simple, that requires little thinking to use. People have been doing some stuff in this space in the past, the best like “I’m Ok” are focused on smartphone users, but we have a need to make it work for even the simplest phones. Our goal is to have this available for anyone globally to use.

Misy olana azo tsapai-tanana isaky ny misy voina mitranga, tsy eto Kenya ihany, fa na aiza na aiza. Te-hahalala haingana izay mety manjo ny ao aminy ny vondrona madinika, fianakaviana ary ny orinasa. Mila mi-“ping” ny hafa izy raha te-hahafantatra fa tsy misy maninona ny ao aminy. Misy zavatra ilaina ho tena tsotra dia tsotra tokoa, tsy mila fieritreretana be. Efa nampiasa zavatra sasantsasany eto amin'ity sehatra ity ny olona taloha, natao tamin'ny mùpampiasa finday avolenta [smartphone] ny tsara indrindra tahaka ny “tsy maninona aho”, saingy ilaintsika ny hampety azy na dia amin'ny finday tsotra indrindra aza. Ny tanjonay dia ny hananan'ny rehetra azy ity ka samy afa-mampiasa azy daholo.

The Ping App – a group check-in tool for emergencies. Photo source: Ushahidi blog.

Ny Fampihatra Ping – fitaova-panamarina-pahavelomana raha misy vonjy taitra. Loharanon-tsary : blaogy Ushahidi.

Toy izao ny fomba fiasan'ny Ping:

You create a list of your people (family, organization), and each person also adds another contact who is close to them (spouse, roommate, boy/girlfriend, etc).
When a disaster happens, you send out a message for everyone to check-in. The admin sends out a 120 character message that always has “are you ok?” appended to the end.
This goes out via text message and email (more channels can be added later).
The message goes out three times, once every 5 minutes. If there is a response, then that person is considered okay. If no response, then 3 messages get sent to their other contact.
We file each response into one of 3 areas: responded (verified), not responded, not okay.
Every message that comes back from someone in that group is saved into a big bucket of text, that the admin can add notes to if needed.

Manangana lisitr'olona (fianakaviana, fikambanana) ianao, ary dia samy mampiditra lisitry ny ifandraisana izay akaiky azy ihany koa ny tsirairay (vady, iray efitrano, sipa, sns).

Raha misy voina mitranga, mandefa hafatra ho an'ny rehetra ianao fa te-hamantatra. Mandefa hafatra mahazaka tarehintsoratra 120 izay ahitana soratra manao hoe “tsy maninona ve ianao?” any amin'ny farany hatrany ny mpandrindra (admin).

Mandeha sms sy imailaka iny (afa-manampy fantsona maro hafa ihany koa aoriandriana ao).

Mandeha in-telo isaky ny 5 minitra ny hafatra. Raha misy ny valiny, dia azo heverina ho tsy maninona iny olona iny. Raha tsy misy valiny, dia misy hafatra telo hafa alefa any amin'ny olona hafa ananany fifandraisana.

Mameno ny valiny amin'ny faritra telo isika: izay namaly (voamarina), tsy namaly, mampanahy.

Ny hafatra rehetra izay mivaly avy any amin'ny hafa ao amin'io vondrona io dia voatahiry ao amin'ny harona fitoeera-tsoratra, izay azon'ny mpandrindra ametrahana naoty raha ilainy izany.

Misy ny fitaovana hafa, dia ny Blood Donation Kenya, [Fanomezan-dra Kenya] izay sarintany ifandrimbonan'ny ivotoerana mpanangon-dra rehetra. Mampifandray ny toera-panangonana amin'ny te-hanolotra fanomezana, na fitaova-pitsaboana na mpiasan'ny fitsaboana ilay fitaovana.

A screenshot of a crowdmap showing blood donation sites in Kenya. Image source: Ushahidi blog.

Pikantsarin'ny sarintany ifandrimbonana mampiseho ny toerana fanomezan-dra ao Kenya. Loharanon-tsary: blaogy Ushahidi.

Manazava ny lojikan'ny ilàna ny sarintany i Erik Hersmann:

One of the most amazing guys in Kenya in any emergency is Philip Ogola of the Kenya Red Cross. He’s first on scene with great updates, but there’s only so much that one person can do. Now, the Kenya Red Cross itself has been doing incredible work, but they have a problem with a lot of their stuff still being paper and pen (and there’s another group working on a locally hosted database system to digitize this without putting real people’s names online, run by Nivi of eLimu). Another problem that they have is that the hospitals are running short on some types of blood, and are overwhelmed with others, as the Kenyan population comes out in full force to donate blood.

How can this be managed better, so that people aren’t turned away from some places and so that they know where to go for their type?

We set up a crowdmap deployment to map our all locations of blood drive centers, in an effort to match these areas with those willing to help at BloodDonationKenya.Crowdmap.com, either through blood donation, medical instruments or medical personnel.

Iray amin'ny olona mampiaiky indrindra amin'ny fandraisana anjara raha misy vonjy taitra rehetra i Philip Ogola avy ao amin'ny Vokovoko Mena Kenya. Izy no tonga voalhoany eo amin'ny toerana ary manana ny fanampim-baovao farany, saingy maro loatra ny tokony atao ka [moa] ho vitan'ny olona iray. Ankehitriny nahavita zavatra mampiaiky volana ny Vokovokomena Kenyana, saingy manana olana ry zareo fa mbola maro ny ao amin-dry zareo no amin'ny taratasy sy penina hatrany (ary misy ny vondrona hafa ao an-toerana no miasa amin'ny rafitra fanangonana tahirinkevitra no mamadika izany ho nomerika fa tsy mametraka ny tena anaran'ilay olona ao amin'ny aterineto, ampandehanin'i Nivi ao amin'ny eLimu) . Ny olana hafa dia rehefa misy ny hopitaly no lany ny sokajin-dra sasantsasany ao aminy, nefa be dia be ny sokajin-dra hafa, rehefa tonga maro hanome ra ny vahoaka kenyana.

Ahoana ny handrindrana izany tsara kokoa, mba tsy hiveri-maina any amin'ny toerana sasany ny olona ary mba hahalalany hoe aiza no alehany mila ny sokajin-dra ananany?

Nametraka sarintany ifandrimbonana izahay hametrahana amin'ny sarintany ny ivotoerana mpanangon-dra rehetra misy eto amintsika, mba hifandraisan'ireo toerana ireo amin'izay te-hanampy ao amin'ny BloodDonationKenya.Crowdmap.com na amin'ny fanomezan-dra izany, na fanolorana fitaova-pitsaboana na fanolora-tenan'ny mpiasan'ny fahasalamana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.