Boky Mampihomehy Iray Mitantara Maherifo, Miaraka Amin'ny Hanitra Kyrgyz

Hanana ny (maherifòny) mpanavotra malazany i Kyrgyzstan amin'ny Martsa amin'ny herintaona, izay antsoina hoe Barsbek. Haseho [ru] ho toy ny mampihomehy i Barsbek amin'ny voalohany, avy eo haseho ho toy ny andian-tantara lahatsary miaina. Raha ny hevitr'i Kunai Medetkhan, mpanoratra ilay tantara an-tsary, dia nalaina tamin'ny tantaram-piainan'olona tena nisy ny mpilalao fototr'ilay maherifo, ilay Kyrgyz mpandihy malaza Atay Omurzakov. Fa mahita tsirin-kevitra hafa koa anefa ny mpisera anaty aterineto ao ambadiky ny endrik'i Barsbek – Spider-Man.

Mpanoratra Kunai Medetkhan ary ny mpandihy Atay Omurzakov manolotra ny savaranonandon'ny hatsikan'i Barsbek.

Milaza ny tantaranà ankizilahy iray antsoina hoe Atay i “Barsbek”, izay niaina zavatra mafy sy maro hatrany amin'ny hatanorany. Taminà fotoana iray, toy ireo boky mampihomehy Amerikana mitovy sokajy aminy, dia nanjary lasa tampom-pahaizana izy tafian'ny herin'olombelona tsy manam-paharoa. Fa ny tsy hitoviany amin'i Spider-Man kosa, izay nahazo ny fahakingàny sy ny fahaiza-manaony avy tamin'ny tontolon'ny hala, dia i Atay izay lasa Barskek noho izy nahazo ny heriny avy amin'ny Snow Leopard, karazam-biby efa ho lany tamingana izay famantarana manokana ny faritra Azia afovoany.

Na izany aza, efa nahazo kiana sahady ho “somary Amerikana kokoa” i Barsbek, raha izy mbola miomana ny hiady tsy amin-tahotra amin'ny mpamono olona, hiaro ny marefo ary hamaha ny olana ara-tsosialy iny.

Nampipongatra hevitra maro samihafa teny anivon'ireo mponina ny vaovao mikasika ity boky fampihomehezana vao misondrotra ity.

Ao amin'ny fandrakofan'ny Limon.kg ny famoahana ilay boky, nanakiana [ru] i True, iray amin'ireo mpampiasa aterineto hoe :

Американщина пошла полная… Люди почему америка для нас эталон а? Почему мы постоянно за Америкой? Теперь и комикс Барсбек… Теперь наши дети будут деградировать еще сильнее… не читать а смотреть картинки.

Tena nomena loko Amerikana tanteraka izy ity … Rey vahoaka, fa maninona i Amerika no filamatra volamena ho antsika? Maninona isika no mandika foana [manarak'efa] an'i Amerika? Izao dia ny boky fampihomehezana Barsbek … Vao mainka ho simba haingana kokoa ireo zanatsika, hijery ireto sary ireto toy izay hamaky boky.

Ny hafa, toa an'i ‘6796‘ kosa milaza fa ireo asa sary dia nahatonga aingam-panahy [ru] ho azy ireo hanaovany ny famoronany manokana .

у меня тоже есть зарисовки, думаю приступить к изготовлению комикса, сюжет конечно у Барсбека однотипная похожую на аналогов Человека-паука и т.д. и т.п. а то что выпускаются и распространяются безвозмездно это классно…

Manana tantara mampihomehy ihany koa aho, ary mihevitra ny hanamboatra hatsikana. Mazava ho azy fa mitovy amin'ny maro iray sokajy aminy ny tantaran'i Barsbek, toy ny Spider-Man sns. Saingy ny zava-misy dia mahatalanjona ity izy hoe vokarina ary avy eo hozaraina maimaim-poana…

Tsy voakolokolo tsara ny boky mampihomehy any Kyrgyzstan, fa ny boky fampihomehezana Tandrefana sy Japoney kosa no malaza amin'ireo vahoaka tanora. Ny Anime.kg dia tranonkala iray ahafahan'ny sary miaina sy mpankafy “manga” miresaka mikasika ny tantara sy ireo maherifo tiany, ary tonga miaraka hikarakara lanonan'ny sarimiaina sy filalaovan'ireo mpandray anjara amin'ny tantaran'i Bishkek.

Fa nandalo sedra ihany koa i Barsbek ho toy ny ompa ho an'ny tantara Kyrgyz ary koa nolazaina fa fandikana fahatany ny hatsikana Tandrefana. Na izany na tsy izany, dia mpifehy  ny Kyrgyz tany Enisei i Barsbek, izay nampitambatra foana ny olona teo anatrehan'ny fanitsakitsahan'ny fanjakana vahiny nandritra ny taonjato fahavalo. Iray amin'ny mpisera anaty aterineto, mitondra ny anarana ‘1’, no nitaraina [ru] mikasika ny fampiasana tsy ara-drariny ny anarana manan-tantaran'ilay maherifo:

Барсбек это историческая личность, а не мальчик с комиксов. Авторы, вы представляете если бы   российские авторы придумали бы комикс о Грозном или Лермонтове?

Mpilalao manana ny tantarany i Barsbek, fa tsy tovolahy avy amin'ny boky mampihomehy. Ry mpanoratra, azonao an-tsaina ve inona no hitranga raha tonga avy any ireo Rosiana mpanoratra miaraka amin'ny boky mampihomehy iray mikasika ny [tsar Ivan-n'ny taonjato faha enina ambinifolo ] ilay Tsy Mivalo na  Lermontov [Mikhail, mpanoratry ny taonjato faha sivy ambinifolo]?

Nizara ny heviny mikasika ny sarin'i Barsbek mipetraka eo amin'ny kianja Ala-Too an'i Bishkek ireo Kyrgyz mpampiasa Facebook.

Barsbek mijery ny kianja Ala-Too, toeran'ireo revolisiona roa tao anatin'ny valo taona farany. Sary nomen'ny Kloop.kg, nampiasaina niaraka tamin'ny fahazoan-dalana.

Nanoratra [ru] i Jazi Fleur :

костюм какой-то непонятный….

Hafahafa tokoa ny akanjony….

I Jumgal Amangulov kosa nampiako [ru] ny ahiahy efa miverimberina foana: 

Что очень похоже на человека паука :))
    

Mitovy be amin'ny Spider-Man tokoa izy:))

Ary i Symbat Baetova nanaraby [ru] hoe:

Супергерой в образе снежного барса, оба вида предназначены для любования и грёз; внесены в красную книгу. Ни того, ни другого не видать в реальности

Maherifo iray maka ny endriky ny snow leopard iray – samy zavatra tsy misy sy nofinofy izy roa; ny iray mampiditra ny Boky Mena [rafitra Sovietka nasaina nanao lisitra sy  hiaro ny biby ahiana ho lany tamingana], nefa tsy hita maso akory amin'ny fiainana tena izy.

Mandritra izany, i Atay Omurzakov, ilay mpandihy – maherifo ao ambadik'ilay mehrfion'ilay boky mampihomehy, dia nanolotra [ru] ny fanohanany ilay tetikasa:

Мне очень нравится идея комикса. Я счастлив, что стал прообразом главного героя. Многих ребят у нас воспитывает западный шоу-бизнес, но всегда мечтал участвовать в подобном национальном проект

Tena mahafinaritra ahy ilay hevitra hanao boky fampihomehezana. Faly aho fa ho lasa endrika voalohan'ny mpilalao fototra. Maro ireo tovolahy teto no nijoro nanohitra [amin'ny hevitry hoe] fihetsiketsehana ara-barotra tandrefana, nefa efa niriako foana hatrizay ny handray anjara amin'ny karazana tetikasa nasionaly toy itony.

Isan'ny Tetikasa Anatin'ny GV Azia Afovoany ao amin'ny Anjerimanontolo Amerikana any Azia Afovoany ao Bishkek, Kyrgyzstan, ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.