Fahalotoan'ny Rivotra Isanandro Ao Teheran Atao An-tsary.

Ho an'ireo Iraniana an-tapitrisa, fahavalom-bahoaka voalohany nandritra ny taona maro ny fahalotoan'ny rivotra iainana. Tsy vaovao mahagaga intsony rehefa manakatona andrim-panjakana sasantsasany ny governemanta  noho ny fahalotoan'ny rivotra.

Tany ampiandohan'ity volana ity,  nanambàra ny Minisitry ny Fahasalamana fa olona maherin'ny 4.400 tamin'ny taona lasa no namoy ny ainy noho ny fahalotoan'ny rivotra tao Teheran, renivohitr'i Irana.

Teheran Be Vovoka

Misy sariitatra marobe nozarain'ireo Iraniana mpisera ety anaty aterineto mikasika ny fahalotoan'i Teheran. Nanao sariitatra iray i Omid tao amin'ny Iroon.com hanehoana an'i Teheran be vovoka.

Omid, Iroon.com

Tsy nanadino ny politika i Mana Neyastani tany anatin'ny sariitatra nataony momba ny loto : “Dadabe” miteny hoe “Maraina indray ny andro, ary dia tokony hifoha aho… izao vaovao ratsy rehetra izao…famonoana ho faty, fonja…” Mifoka rivotra tsara i “Dadabe” mba hanombohany ny androny ary dia tafatorombina teo anilan'ny gazety iray nisy lohateny vaventy hoe : “Loto mahafaty amin'ny rivotr'i Teheran”.

Mana Neyestani, Mardomak.

Tanàna Maizina

Ity ny lahatsary iray maneho Teheran iray maizina amin'ny mitatao vovonana tamin'ny fotoana nidinan'ny fiaramanidina iray ho ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Mehrabad.

Tsy Misy Oksizena

Zeyton, Iraniana bilaogera, miteny [fa] fa :

Mahazatra antsika ny miteny hoe tsy misy ifohana rivotra eto amin'ity firenena ity. Amin'ny fitenenana an'io dia ny famoretana ara-politika sy sosialy ataon'ny fitondràna no tondrointsika. Fa ankehitriny dia ara-bakiteny mihitsy ny tsy fisian'ny oksizena hofohana. Fitondràna iray izay tsy afaka akory hanome oksizena ho an'ny olom-pireneny nefa milaza fa hametraka ny fomba fitantanany amin'izao tontolo izao.

Tsy tokony ho adinointsika fa vahoaka any aminà tanàna maro any Iran no nanjary niharan'ny fahalotoan-drivotra ihany koa, tahaka ny any Ahwaz [fa], tanàna any atsimo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.