Nipoaka tamin'ny 1 ora maraina ny sinibe iray, ny 25 Aogositra teo, tao amin'ny toby fanadiovan-tsolika ao Amuay à Judibana, dans l'Etat de Falcón any Venezuela. Raha kely indrindra, 26 no maty tamin'ilay fipoahana (ireo mpampahalala vaovao any an-toerana, ao Falcón , dia milaza fa nisy 35 ireo tra-doza) ary 86 no naratra. Avy amin'ny Garde Nationale bolivarienne ny ankamaroan'ireo tra-doza. Amuay no toby fanadiovan-tsolika lehibe indrindra any Venezuela ary iray amin'ireo lehibe indrindra manerana izao tontolo izao.
Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny anton'ilay fipoahana.
Gabriela Gonzalez (@gabriela2400) [esp.], mpitsabo, izay mipetraka tsy lavitra eo, dia nilaza tamin'ilay venezoeliana mpanao gazety, Nelson Bocaranda, fa efa antsasak'adiny nialoha an'ilay loza no nandeha ireo anjomara fanairana tao amin'ilay toby, avy eo niato.
(@gabriela2400): @NelsonBocaranda Las alarmas empezaron a sonar a las 12:30 y al poco rato las apagaron.
Samy tonga tany Amuay i Elías Jaua, filoha lefitra, sy ny filoha Petróleos de Venezuela (Pdvsa), Rafael Ramírez. Nanambara izy ireo [esp.] hiasa ao amin'ilay toby fanadiovan-tsolika ireo manampahefana mandra-pifehy ny afo, ary ireo setroka izay mampiahiahy ny mponina manodidina dia tsy inona fa nateraky ny asan'ny mpamono afo ho fifehezana ny zava-mitranga. Fanampin'izay, nanome toky izy ireo fa horaisin'ny governemanta daholo ny andraikitra mikasika fahasimban-javatra.
Ireo saripika sy lahatsarymivezivezy anaty aterineto dia mampiseho faritra iray izay tahaka ny nandalovan'ny horohorontany, mihoatra noho ny fipoahana. Noticias 24 [esp.] dia nanangona saripika avy amin'i Héctor Silva, izay tany Amuay tamin'ny fotoana nytrangan'ilay zava-doza.
arobe ireo lahatsary novokarin'olon-tsotra no hita ao amin'ny YouTube :
Ny gazety La Verdad (@laverdadweb) [esp.] manamarika fa misy fofona entona ‘propane’ miely enyamin'ny faritr'ilay toby fanadiovan-tsolika. Mitovitovy amin'ny entona mandatsa-dranomaso ilay fofona.
José Luis Cova R (@JLCova) [esp.] naneho hevitra tao amin'ny Twitter hoe :
@JLCova: El radio de accion de la explosion d las esferas d propano es devastador.. La entrada a Judibana y todo alrededor esta Destruida
Nomarihany ihany koa fa nisy nandroba ny toeram-pivarotana iray fantatra ao Venezoela amin'ny hoe bodegon, toerana izay ivarotana enta-madinika sy alikaola :
@JLCova: El bodegon Lizolca a la entrada de judibana Fue Saqueado!
Nalefa any amin'ny toeram-pitsaboana ao Calles Sierra ny ankamaroan'ireo naratra, toerana izay tsy ampy fitaovana, hoy y bitsika avy amin'i Gabriela Gonzalez (@gabriela2400) [esp.] :
@gabriela2400: Hospital Calles Sierra Necesita: antibióticos, plasma, sangre, analgésicos, morfina, demerol, gasas, ringer, sol fisiológica.
Namoaka didy nametraka andro telo ho fisaonam-pirenena ny filoha Hugo Chávez ho an'ireo niharan-doza tao Amuay.