Naharaisana tatitra ny hoe mirehitra ny Foibe ara-Kolotsaina Heydar Aliyev ao Baku, Azerbaijan. Ilay tranobe, nomena ny anaran'ny filoha teo alohan'ity repoblika manan-karena solika ity sy ny rain'ny filoha amperin'asa, Ilham Aliyev, dia nosokafana tamin'ny May 2012 ary rafi-tranon'ilay mpanao maritrano metisy iraniana-britanika Zaha Hadid. RFE/RL dia mametraka ny sandan'ilay foibe ho any amin'ny 250 tapitrisa dolara Amerikana.
Miaraka amin'ireo dolara be an-davitrsa avy amin'ny solika manosika ny firoboroboan'ny asa fanorenana izay tsy mbola nisy toy izany tao Azerbaijan, ilay tranobe maoderna dia asongadin'ny Extreme Engineering, andiam-pandaharana fanadihadian'ny Discovery Channel. Miely amin'ny alalan'ireo tranonkalam-baovao Twitter sy Facebook ny vaovao. Helicopters no voalaza ho isan'ny mandray anjara amin'ny famonoana ny afo.
@LvIsmylv: Heyder Aliyev center yanır pic.twitter.com/pNOEAAQ6
@sakitoglu: Mirehitra ny Heydar Aliyev! #Baku #Azerbaijan pic.twitter.com/ZoKag7Kd
Nisy lahatsary nakarina ihany koa ao amin'ny YouTube:
@nhacizade: Bakü'de yanan (http://bit.ly/NmuGHS) HA Kültür Merkezi inanılmaz güzel bir binaydı, üç hafta önce çektiğim hali: http://twitpic.com/a9m35m