Nosamborina ny mpandrindra famoahan-dahatsoratra ao amin'ny gazety ivoariana Le Patriote, Charles Sanga, tamin'ny 31 Janoary 2012 taorian'ny nanambaran'ny gazetiny fa nanapa-kevitra ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàm-panorenana any Côte d'Ivoire fa hanafoana ny valin'ny fifidianana parlemanta natao tsy ela tany amin'ny distrika 11. Milaza ny gazety ivoariana Nord-Sud fa navotsotra izy rehefa notànan'ny Fiadidiana ny Fandriampahaleman'ny Tany sy ny fanjakana (DST) nandritra ny 24 ora.
Nangatahan'ny Sampam-pitsikilovana ihany koa ilay mpanao gazety nanoratra ny tantara, Jean-Claude Coulibaly, ny hamborahany ny loharom-baovao.
Talohan'ny namotsorana azy dia niteny ny Reporters without Borders:
Raha nandika lalàna ny Le Patriote tamin'ny fianitsahany ny fepetra napetraky ny manam-pahefanam-panjakana mpamoaka vaovao, dia afaka saziana izy, fa tsy amin'ny fampidirana am-ponja ny mpandrindra lahatsoratra na ny mpanao gazety nanoratra izany (…) Araka ny lalàna mifehy ny haino aman-jery any Côte d’Ivoire nivoaka ny 2004, tsy azo gadraina noho ny “délits de presse” ny mpanao gazety, ka tokony havotsotra i Charles Sanga. Ankoatr'izay, mandika ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ny faneren'ny DST azy hamboraka ny loharanom-baovaony.
Fanafihan'ny “Anonymous” (tsy mitonona anarana)?
Ora vitsy taorian'ny nisamborana an'i Sanga, nitatitra ilay vohikalam-baovao Les grandes oreilles (Ireo Sofina Be) fa nampitahotra ny hanafika ny DST ireo mpijirika izay manambara ny tenany ho anisan'ilay vondrona maneran-tany “Anonymous“, ary nilaza fa hamoaka antontan-taratasy mifono tsiambaratelo an'ny Sampam-pitsikilovana, raha tsy avotsotra ilay mpandrindra lahatsoratra. Nisy kaonty Twitter anonymous (@An0nym0usLeader) vaovao tsy mbola nanana afa-tsy mpanaraka latsaky ny 30, nilaza hoe:
@An0nym0usLeader: Libérez Charles Sanga, directeur du journal Le Patriote. Dans 24H nous publierons des documents de la DST ivoirienne #anonymous #cotedivoire
Nivoaka tao amin'ny Pastebin.com (vohikala afaka amoahan'ny rehetra lahatsoratra) ireo antontan-taratasy nolazain'ilay kaonty Twitter fa nangalarina tamin'ny DST, anisan'izany ny lisitry ny anaran'ireo voalaza fa mpiasa miafina an'i DST sy ny laharan'ny “plaque d'immatriculation” ampiasain'ny sampam-pitsikilovana. Tamin'ny 1 Febroary ny hafatra farany nivoaka tao amin'io kaonty Twitter io.
Tao amina lahatsoratra manokana momba ny fisamborana an'i Charles Sanga, nilaza ny Nord-Sud [fr]:
A quand la fin de l’arrestation des journalistes pour leurs écrits en Côte d’Ivoire ? Le gérant et directeur de publication du quotidien Le Patriote, Charles Sanga, a été relâché, hier, après 24h de détention à la Direction de la surveillance du territoire (Dst), au Plateau. Ce, après une audition qui a duré plus de deux heures. (..) La situation a inquiété de nombreux hommes de presse qui se posent des questions sur la liberté de la presse sous le régime Ouattara.