“Como estaba configurado mi Facebook, la cuenta de correo y un amplio grupo de contactos del chat BlackBerry, el ladrón utilizó mi equipo y comenzó a enviar mensajes, lo que me llevó no sólo a la tarea de poner el denuncio sino que además enviar mails masivos informando del hurto y que no se tuviera en cuenta lo que enviara mientras me cancelaban el plan”.
Víctima de robo de celular referenciada en el blog 24 horas noticias
“Satria namboariko manokana ny kaontiko Facebook, ny mailaka ary ny vondrona tena firesahako amin'ny seha-pifaneraserana BlackBerry, dia nampiasain'ilay mpangalatra ny findaiko mba handefasana hafatra, izay tsy hoe fotsiny nanery ahy hametraka fitoriana fa koa nandefa mailaka betsaka ho fampandrenesana ny fisian'ny halatra ary mangataka ny rehetra tsy hiraharaha izay hafatra nalefa mandram-panafoanana ny famandrihana amin'ny anarako.”
Olona iray niharan'ny halatra finday voatanisa [es] ao amin'ny bilaogy 24 horas noticias [vaovao tao anatin'ny 24 ora.]
Olan'ny daholobe
Olan'ny filaminam-bahoaka ao Kolombia ny halatra finday sy ny famarotana azy ireny eny amin'ny varo-maizina avy eo, ka nahatonga ny governemanta hanapa-kevitra hiatrika azy io tamin'ity taona ity, tamin'ny alàlan'ilay didy hitsivolana 1630 tamin'ny 2011, izay soritsoritan'ny vohikala Geek the planet [es], mametraka hoe:
La venta de terminales móviles nuevos y usados en el país solo la podrán adelantar las personas autorizadas entre ellas los proveedores de redes y servicios; cualquier persona que los proveedores de redes y servicios autoricen, y las que el Ministerio TIC igualmente autorice.
Ho fampanoavana an'io indrindra, ny olona misahana ny Ministeran'ny Teknolojian'ny Fifandraisan-davitra ao Kolombia, Diego Molano Vega [es] (voateny [es] ao amin'ny bilaogy Bacalaoconpapa.com), dia manamafy fa:
Con esta medida no queremos restringir el libre mercado sino proteger la vida de los colombianos y frenar el derramamiento de sangre que se ha generado a través de los robos de los celulares. Quiero hacerle un llamado a los colombianos a que denuncien los robos porque a partir de ahí podemos enfrentar a los delincuentes.
Any aoriana, ny governemanta dia mihevitra ny hanangana lisitra mainty, ahitàna ireo pitsopitsony samihafa mikasika ireo finday voalaza fa nisy nangalatra [es], mba hanafoanana tanteraka ny fiasan'izy ireny aorian'ny volana Jolay. Fanampin'izay, hanome hatrany taratasy avy amin'ny Komity Mpandrindra ao Kolombia [ Commission of Communications Regulation of Colombia (CRC) ] ho an'ny mpanjifa ireo mpivarotra finday.
Araka ny efa nanampoizana azy, niteraka fanehoan-kevitra samihafa ny fametrahana ilay didy hitsivolana, ary tamin'ny 25 May, tany amin'ny tanàna sasantsasany toa an'i Neiva, nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana ireo mpandraharaha nanohana ny hoe “mandray lalan-jotra mifanohitra amin'ny zo hànana asa io sady manome vahana ny ampihimamban'ireo vaventy.” [es]
Tao amin'ny Twitter, amin'ny fampiasàna ny tenifototra #nomascelularesconsangre (Aoka izay ny finday mihoson-drà), mahita famoahan-kevitra tahaka ny an'i Alexander Vásquez (@alexgreencode) ianao:
Yo soy sobreviviente, hace un año en la 90 con 11 me apuñalaron en la pierna
Na ity iray ity avy amin'ny Ministry ny Teknolojian'ny Fifandraisan-davitra ao Kolombia, Diego Molano Vega (@DiegoMolanoVega):
A mi duele como colombiano que maten colombianos por robarles el celular
Rohy mifandraika amin'ity:
- Ao amin'ny Lanación.com dia ahitànao ny fanamarihan'ny olona momba ny hetsi-panoheran'ireo mpivarotra tao Neiva [es].
- Ao amin'ny Facebook dia misy sary maro avy amin'ny diaben'ireo mpivarotra tao Medellín [es] hanoherany ny fametrahana ilay didy hitsivolana (avy amin'ny gazety mpiseho isan'andro ao an-toerana El Colombiano.)