Voasazin'ny fitsarana ejipsiana handoa onitra 540 tapitrisa livra ejipsiana (90 tapitrisa dolara amerikana) noho ny fanapahana ny aterineto sy ny finday nandritra ny revolisiona nanaisotra azy ny filoha voaongana Ejipsiana Hosni Mubarak sy ny olom-panjakana hafa, araka ny didy nivoaka androany.
Araka ny voalazan'ny Reuters, dia nodidian'ny Fitsarana misahana ny asam-panjakana handoa onitra 200 tapitrisa livra i Mubarak, 40 tapitrisa livra ny Praiminisitra teo aloha Ahmed Nazif ary 300 tapitrisa livra ny minisitryny atitany teo aloha noho ny famotehana ny toe-karem-pirenena vitany.
Nanakatona ny fidirana amin'ny Twitter aloha ny fitondrana Mubarak raha vao niandoha ny fihetsiketsehana tamin'ny 25 Janoary , avy eo ny Facebook tamin'ny 26 Janoary 26, nialoha ny nanakatonana ny aterineto tamin'ny 28 Janoary.
Indreto ny tora-po avy amin'ny fitaovam-pampitaon'olo-tsotra tamin'ity tantara ity.
Tao amin'ny Twitter, ny mpanoratra an-gazety Emirà Arabo Mitambatra Sultan Al Qassemi no nitatitra:
Al Jazeera: Egypt: Mubarak fined $90 million for disconnecting the Internet & mobile phone services during the revolution. #Jan25
Mahavaky loha ihany ny mpisiokantsera Ejipsiana, tamin'ny famoahana ny milina fikajiana ijereny raha ho tonga any amin'ny mpamandrika izany onitra izany na tsia.
Nanontany i Mohammed Hamdy :
Nanampy i Mohammed Yousif, izay misiokantsera @JawazSafar:
Sentencing on Mubarak seems based on financial impact. he also should be trialled for easing-murdering & forbidding SOS services #Egypt
Ary nanampy ihany koa ny mpahay lalàna ejipsiana iray sady tale mpanantanteraka amina tambazotram-baovao Arabo miaro ny zon'olombelona: