Libanona : Fantaro i Ziad Antar, Libaney mpamokatra lahatsary

Fa iza moa ireo  Libane mpanakanton'izao vanimpotoama izao? Manodidina ny fanadihadiana anaty aterineto iray eo ampanomanana ary mikasika ny tontolon'ny fisehoana an-tsehatra vao misondrotra ao Libanona, ny bilaogy mpiara-miasa amin'ilay fanadihadiana, Libalel, no manasongadina ireo mpanakanto toa an'ilay Libane mpamokatra lahatsary Ziad Antar.

Ziad Antar (loharano: bilaogy Libalel)

Ziad Antar dia teraka tamin'ny 1978 tao Saïda any Libanona ary miasa eo anelanelan'i Saïda sy Parisy amin'izao fotoana. Manohana mpamokatra sy mpanatanteraka lahatsary maro aloha no ataony ao Libanona (Akram Zaatari, ankoatr'ireo maro hafa), miasa ho an'ny Fondation Arabe pour l’Image à Beyrouth (Ivontoerana Arabo ho an'ny Sary ao Beyrouth) ary nihaona tamin'ilay mpanakanto Jean-Luc Moulène. Tamin'ny 2003, norasina tao amin'ny Pavillon du Palais de Tokyo tao Parisy izy ary manaraka ny La Seine, le post diplôme de l'ENSBA (Beaux-Arts). Nanao fampirantiana tao amin'ny New Museum of Contemporary Art de New York ( Mozea Vaovaon'ny Zavakanton'ny Vaninandro Maoderina), tamin'ny Biennale de Sharjah tany amin'ny Emira Arabo mitambatra sy tao amin'ny Centre Pompidou ao Paris, ankoatr'ireo maro hafa.

Ny bilaogy Libalel dia liana tamin'ny làlana nizoran'i Ziad Antar :

Any amin'ny fototry ny asany dia misy izao faharesen-dahatra izao : Hevitra iray ny sary. Izany ho azy dia tsy asa fikarohana toy ny hoe famadihana ny sary ho lasa hevitra : ny lahatsary no fanahy sy ain'ny hevitra. Manamafy i Ziad Antar fa tsy manana « lohahevitra manokana iaingana, [sa] fa ny lahatsary amin'ny maha-fitaovana fampitàna azy no asa ifotorana voalohany». Namorona fomba hafa mihitsy izy hiasàna : fametrahana laharam-pahamehana. « Mametraka fepetra hentitra mba hamadihana ny zavatra faran'izay tsotra indrindra ho lasa lahatsary aho». Miainga avy amin'ny sehatra teknikan'ny lahjatsary sy ny fakàna sary izy ireny : drafitra raikitra, drafitry ny ampahan-tsary tsirairay, tsy fisian'ny fanambàrana… Miteraka resabe ireny, fampieritreretana, sary ary hevitra. Ny fandraketana an-tsary sy ny asa fanatontosana ny lahatsary no tena zava-dehibe mialoha ny zavatra ho resahana.

Iray amin'ireo lahatsariny voalohany ny TOKYO TONIGHT, notontosaina tamin'ny 2003 no maneho tsara izay làlan-kizorany izay.

Faritra manaraka fomba hentitra no napetraka mialoha: faharetana telo minitra raha be indrindra, kely na tsy misy mihitsy ny fivezivezen'ny camera, ampahany iray ihany, ary indraindray lamina iray monja. Laharam-pahamehana iray tsy maintsy koa ny fanomezana lohateny, teraka avy amin'ilay toeram-ponenana nandraisany anjara tamin'io taona io ihany tany Japana. Tamin'ny fomban'ny road-movie (lahatsary an-dalambe) sy tanatinà sehatra famahanam-bilona tany Libanona, dia manasa antsika izy hanao fiatoana in-telo, fihaonana telo amin'ireo mpiandry ondry miteny teny tokana amintsika:  « Tokyo » . Ampahany telo natohitohy hitambatra.

Manana toerana lehibe ny mozika eo amin'ny asan'ny mpamokatra lahatsary. Any anatin'ireo lahatsary rehetra nataony, Ziad Antar dia mampiaza azy miaraka aminà hira na famerimberenana feo sy matetika  mitady ny hamoahana an-« tsary » ilay mozika. Azo atao ny mahita an'izay ao anatin'ilay lahatsary La Marche Turque (2006) izay ilalaovana ilay mozika malaza novokarin'i Mozart ary natao tamin'ny piano tsy misy tadiny, mahatonga ny feon'ny rantsan-tànana mikapoka ny fitendry ho re, toy ireny famindra miaramila ireny.

Ny lahatsarin'i Wa (2004) dia mampiseho ny zanaky ireo iray tampo aminy misehatra ny hira vokatry ny asa famokaran'izy ireo ihany:

Amin'ny alàlan'ilay lahatsary maharitra segondra vitsy monja, indraindray ampahany iray monja koa, raketiny ireny zavatra toa tsy misy dikany ireny ho aminà tanjona iray, dia ny fanontaniana ny amin'ny fomba fitenin'ny lahatsary. Ity ny lahatsary Mdardara (2007), nahandro voamaina antsoina hoe “lentilles” noraketina tamin'ny alalàn'ny  “super 8″ :

Ho an'ilay mpanakanto, io lahatsary io dia vavolombelon'ny zavatra niainany nandritra ny ady taomin'ny 2006. Mitantara izy fa tany amin'ireo faritra natao fahirano, ny “lentilles” sy vary no karakaraina ho sakafo « izay manome hery ary faran'izay tsotra raha resaka fikarakarana ». Ao amin'ny Safe Sound (2006), noraketiny anaty lahatsary ihany koa ny fiainana andavanandron'ny ankohonana Libane iray voadona tamin'ny ady.

Rohy roa mankany amin'ny tafatafa niarahana tamin'ilay mpanakanto sy ny tahirin-tsariny:

Fihaonana noraisim-peo niarahana tamin'ilay mpamokatra lahatsary  nandritra ny fampirantiany tao amin'ny galerie “Où” tao Marseille

Resadresaka tao amin'ny Zenith Magazine, gazetiboky anaty aterineto miresaka zavakanto sy ny kolotsaina any amin'ny tontolo arabo

Ireo sariny

Barbara Coffy ho an'ny LIBALEL

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.