Etazonia: Fihetsiketseham-panohanana ny zon'ny mpiasa (Lahatsary)

Nivezivezy nanerana ny valan-tserasera malaza any Etazonia ny tenim-piraisan-kina amin'ny zon'ny mpiasa sy ny fanahiana hanapotehana ny sendikà. Nanomboka ny 15 febroary 2011 ny Hetsika ao Wiscosin ho fanoherana ny volavolan-tetibola ho valin'ny fepetra noraisin'ny mpitarika Repoblikana mikasa hampifandanja ny fatiantoka ao amin'ny tetibolam-panjakana mitentina 3,6 miliara  amin'ny alalan'ny fampihenana ny tombontsoan'ny mpiasa sy hanalefaka ny fifanarahan'ny mpampiasa sy ny mpiasa .

Nitarika ny olona hanao fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fandaharam-potoanan'ny mpandala ny mahazatra  izany fanambarana izany  -ao Etazonia izany, ka niteraka fampitahana maro amin'ny fitroarana malaza ao Afovoany-Atsinanana [Moyen-Orient]  ary indrindra ny tao Egypta.

Nanomboka ny 20 febroary, nilasy tao anaty sy ivelan'ny tranobem-panjakana Capitol tao Wisconi ireo manao fihetsiketsehana mandritra ny 24-ora isan'andro. Ity lahatsary navoakan'i Stew Fyfe tamin'ny  Vimeo ity dia mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana mihira ny hiram-pirenena “The Star Bangled Banner”  tao anatin'ny tranobe Capitol  manodidina ny tamin'ny 10 ora maraina teo ny 21 febroary.

Telo herinandron'ny fihetsiketsehana, nanomboka nanenjana tamin'ny  ny mpanao fihetsiketsehana ny mpiambina ny Capitol  ary nandrara ny fidiran'ny olon-kafa.

Tamin'ny 28 febroary, Ny Sendikàn'ny fahafahan'ny Sivily Amerikana ao Wisconsi dia nanoratra taratasy ho an'ny sekretera misahana ny asam-panjakana , Michael Huebsch izay nanipika fa fanakatonana ny tranom-panjakana amin'ny vahoaka dia tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana. Namindra ny biraony tao ivelan'ny tranobe ny solontena Demokraty mba ahafahany mihaona amin'ireo mpifidy azy.

Mbola milasy eo amin'ny kianjan'ny Capitol, izay nomeny anarana hoe  “Walkerville”, ny mpanao fihetsiketsehana. Ity lahatsary manaraka nataon'i Stew Fyfe tao amin'ny Vimeo dia mampiseho ny sasany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana taorian'ny misasakalin'ny 1 martsa 2011.

Lahatsary fanampiny tamin'ny fihetsiketsehana misy ny  sary nalain'i Matt Wisniewski izay nojeren'olona an'aliny. Mampiseho ny fitiavana sy tanjaka lehibe an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao Wisconsin ny lahatsariny .

http://www.youtube.com/watch?v=5TmSNPpzkWc

Fanohanana nasionaly

Miombon-kevitra amin'ny fihetsiketseham-panoherana ao Wiscosin ihany koa ny mpanao lalàna, ny olo-malaza, ireo mpitolona ary ireo tompon’ andraikitra sendikaly manerana ny firenena. Tafintohina  amin'ny fepetra famelezana ny sendikà tao Wisconsin ireo vahoaka hatrany amorontsiraka atsinanana sy ny amorontsiraka avaratra mankany atsimo-atsinanana ka miomana hiaro ny asany .

Maryland

Nihaona tao Annapolis, Maryland ny mpisolo-vava tamin'ny 22 Febroary 2011 mba hanambara ny fahitany ny zava-nitranga vao haingana tao Wisconsin momba ny famelezana ny sendikà. Nilaza ny mpitondra teny  fa tsy ho eken'izy ireo ho fialana tsiny hanafoanana ny Dina fifanarahan'ny mpampiasa sy ny mpiasa ny fanekelezana ny fitontongan'ny vidinjavatra na ny fatiantoka ao amin'ny Tetibola .

California

Nikarakara fihaonana teo amin'ny tohatra miakatra ho eny amin'ny  Capitol ny California Nurse's Association [fikambanan'ny  mpitsabo mpanampy vehivavy] tamin'ny 22 Febroary 2011. Nilaza ny mpitondra teny fa ny lalàna napetraka vao haingana momba ny fanoherana ny sendikaly tao Wisconsin dia fanimbazimbana ny hajan'ny mpiasa madinika ao Amerika sy ny tolona ho amin'ny demokratia.

Texas

Nivory ny Austinites tamin'ny 26 Febroary 2011 ary nanao fihetsiketsehana teo an-tohatra ao amin'ny Capitol miaraka amin'ilay olona be mpanaraka Jim Hightower nitarika adihevitra milaza fa tsy hanavotra azy ireo i Washington , fa anjaran'ireo vahoaka no mamaha ny olany sy  miaro ny hevitr'i Amerika. Nilaza koa izy hoe tsy ilaina intsony ny  “liam-pivoarana”, fa fotoanan'ny  “sekoseko” izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.