Bahrain: Ny Fiakaran'ny feon'ireo mpomba ny Fitondrana sy ny Mpanjaka

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Koa satria mitohy ity Alarobia 16 Febroary 2011 ity ny andro faha-telon'ny fihetsiketsehana, maro ireo manainga feo maneho ny fanohanany ny Mpanjaka Hamad bin Isa Al-Khalifa sy ny Governemanta Bahraini.

Hetsika fanohanana roa no natao tao amin'ny Facebook tany amin'ireo tanàn-dehibe roan'i Muharraq [ar] sy tany Riffa [ar], atsimon'i Manama renivohitra. Misy hetsika faha-telo[ar] kasaina hatao ny Zoma 18 Febroary 2011 aorian'ny fotoam-pivavahana eo ivelan'ny moske Al-Fateh, izay lehibe indrindra any Bahrain, any Juffair eo ivelan'ny Manama.

Ao amin'ny Twitter, maro ireo mpitoraka tweets mpomba ny fitondrana nampahatsiahy ny tontolon'ny Twitter mikasika ny sasany tamin'ireo zava-bita fototra eto amin’ ny firenena, sy ireo tolotrasa nomena ny vahoaka taorian'ny fametrahana ny Fifanarahana Nasionaly tamin'ny 2001.

@hussakhalid Fantatrao ve fa manome Fampianarana K-12 ho an'ny vahoaka rehetra i Bahrain? #Bahrain #silentmajority

@hussakhalid Fantatrao ve fa tsy misy hetra alaina amin'ny karama any Bahrain? #Bahrain #silentmajority

@hussakhalid Fantatrao ve fa manome fitsaboana maimaim-poana ho an'ny vahoaka rehetra i #Bahrain? #Feb14 #silentmajority

@abdullamandi Fantatrao ve fa mandoa $530 isam-bolana ho an'ireo tsy manana asa mandritra ny enim-bolana ny governemanan'i #Bahrain ary manome fara-fahakeliny tolotr'asa telo #Feb14

@abdullamandi Fantatrao ve fa mandoa $400 isam-bolana ho an'ny mponina tsirairay mbola miandry trano fonenana ny governemantan'i #Bahrain #Feb14

@abdullamandi Fantatrao ve fa manome trano fonenana amin'ny sandany tena antonony sy mahavelona ambanin'ny $40 isam-bolana #Feb14

Mandritra izay fotoana izay ihany, ny mpitoraka bilaogy Mohammed Al-Mastaki (@emoodz) izay milaza ny tenany ho “Tsy mafàna fo, fa vokatra  nateraky ny taranaka Nido fotsiny ihany [manan-karena, tanora mitondra loko tandrefana] mirotsaka an-tsehatra!” dia nitoraka tweet mikasika ny antony sasantsasany mahatonga ny vahoaka hanohitra ao amin'ny Rond-point Lulu:

@emoodz Maninona no manohitra ny any #Bahrain: Manakenda ireo sehatra fiadian-kevitra sy bilaogy any an-toerana ny Governemanta, nanomboka sivana henjana amin'ny aterineto #feb14

@emoodz Maninona no manohitra ny any #Bahrain: Mpitoraka bilaogy any an-toerana /mpikirakira sehatra fiadian-kevitra ao amin'ny aterineto iray no tànana sy arahi-maso noho ny heviny nanomboka ny Septambra #feb14 (mpitoraka bilaogy malaza Bahraini Ali Abdulemam)

@emoodz Maninona no manohitra ny any #Bahrain: Taorian'ny nahavery ny renivola $200 tapitrisa dia nisedra fatiantoka $225 tapitrisa ny BIC (Bahrain International Circuit) ny taona manaraka.. mbola voatohana foana izany #feb14

@emoodz Maninona no manohitra ny any #Bahrai: 10%-n'ny vola miditra amin'ny solika dia tsy voatahiry ao amin'ny tetibolam-panjakana #feb14

@emoodz Maninona no manohitra ny any #Bahrai: 30%-n'ny tetibolam-panjakana no lany tamin'ny miaramila sy ny polisy, 12% monja no lany tamin'ny fahasalamana sy ny fampianarana #feb14

@emoodz Maninona no manohitra ny any #Bahrai: Mihoatra ny 20%-n'ny  hery rehetra afaka mamokatra no mandray latsaky ny 400 BD isam-bolana #feb14

@emoodz Nanambara ny Firenena Mikambana fa ny vola miditra latsaky ny 283 BD  amin'ny fianakaviana iray any #Bahrain dia any ambanin'ny fetran'ny fahantrana #feb14 http://bit.ly/gVq1QP

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.