Ejipta: Ho andron'ny Intifada Ejiptiana ve ny andron'ny 25 Janoary?

Inona no zavatra hiseho any Ejipta amin”ny 25 Janoary? Mangataka hetsika sy fitorevahana etsy sy eroa ny vahoaka. Iza no handray anjara, ary aiza? Inona no angatahan'izy ireo? Mety hoe misy olona sasany manohitra ny zavatra rehetra? Mila mitsidika kely ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana fotsiny isika dia mahita valiny amin'ny fanontaniantsika rehetra.

Egyptian Wish, izay mipetraka any Etazonia, dia nanoratra miantso ny olona handray anjara amin'ny hetsika sy ny fitorevahana izay hatao any Ejipta amin'ny 25 Janoary

يوم 25 يناير بداية إنتفاضة الشعب المصرى

كن جزء من تجربة يمكن أن تجعل أولادك وأحفادك فخورين بأنك كنت جزء منها ، سنتصدى للفساد مهما كلف الثمن ، قد لا يكون هذا الحدث هو النهاية ، ولكنه بالتأكيد سيكون شرارة وبداية للتغيير الحقيقى إن شاء الله.

Hanomboka amin'ny 25 Janoary ny Intifada ho an'ny vahoaka Ejiptiana. Mba mandraisa anjara hiaina izany, izay mety hahatonga ny zanakao sy ny zafikelinao hirehareha ny aminao indray andro any. Hanao hetsika manohitra ny kolikoly isika, tsy ahoantsika ny vidin'izany. tsy ity mihitsy no tokony ho farany, fa ny azo antoka aloha dia ity no voalohany. Ity no taratra ary dingana voalohany amin'ny tena fiovàna marina.

Noho ny zava-nisy tany Tonizia izay nanery ny filoha Toniziana teo aloha Zine El Abidine Ben Ali hitsoaka ny firenena, sy satria toa hita ihany hoe niparitaka nanerana ny tontolo Arabo ny sehon'aretina Toniziana, ary koa ny sasany mety hihevitra an ‘i Tonizia ho ampahany voalohany amin'ny fianjeran'ny daomy.

Manohy i Egyptian Wish:

فى تونس نزل الآلاف من المواطنين صامدين مصممين على ضمان حقوقهم وحقوق الأجيال القادمة وحصلوا على حقوقهم كلها حتى هروب الديكتاتور بن على و مصر مش أقل من تونس.
Any Tonizia, Toniziana anarivony maro no naneho hetsika ho an'ny zony sy ny an'ireo taranaka ho avy, ary nihizingizina izy ireo tamin'ny zony mandra-pahatratrany ny tanjony ka nanery an'i Ben Ali ilay mpanao didy jadona hitsoaka ny firenena. Tsy hoe malemy noho ny Toniziana akory ny Ejiptiana.
Jan25 Freedom to Egypt

Nosoratan'ny Breziliana mpanao sary miaina Carlos Latuff manokana ho an'ny fotoana ny sary miaina ataony.

Fahafahana ho an'i Ejipta amin'ny 25 Janoary.


I Zeinab Samir, toy ireo Ejiptiana maro, dia tsy mbola mahazo antoka tsara izay mety hiseho amin'io andro io.

ماكدبش عليك، أنا مش عارفة إيه اللي هيحصل يومها، مش عارفة العيال اللي على فيس بوك هينزلوا فعلا زي ما بيقولوا وللا لأ.. مش عارفة حتى إذا كان يضحك وللا يبكي إنها تتسمى “ثورة”.. يعني، من باب إن الثورة دايما بتبقى مفاجأة مش بمعاد
Raha ny tena marina, tena tsy haiko hoe ahoana ny fandehan-javatra amin'io andro io. Tsy azoko antoka hoe handeha haneho hetsika sa tsia ireo miantso ny olona amin'ny Facebook handeha ho eny an-dalambe ireo ? tsy azoko antoka koa hoe zavatra mahafinaritra ve ny hiantso azy ity hoe “revolisiona” na tsia, satria tsy mbola nisy ny revolisiona natao manaraka fandaharam-potoana efa mipetraka.

Vondrona maro sy hetsika maro no nokarakaraina tao amin'ny Facebook mikasika ny hetsika. Maherin'ny Ejiptiana 78,000 no nanamafy vao tsy ela akory ny fandraisany anjara tamin'ny hetsika nataon'ny vondrona ” Khaled Said avokoa isika”  tao. Nanoratra teto hamehy ireo mpandray anjara i Zeinobia. Eny fa na dia ny any ivelan'i Ejipta aza, dia miantso ny hanaovana hetsika manoloana ny masoivoho Ejiptiana  any Londona sy any Washington ny vahoaka.

Hoy i Zeinobia nanoratra:

Efa tena mihamahazo olona hatrany hatrany ny hetsi-panoherana amin'ny 25 Janoary. Pejy Facebook maro sy vondrona maro no miantso ny #25 Jan ary vondrona ara-politika maro no handray anjara amin'ilay fotoan-dehibe “Eo amin'ny vondrona 17 eo izy ireo”.

Fa maninona no ity andro ity mihitsy? Hitan'i Zeinobia fa andro fahatsiarovana izy ity ho an'ny vahoaka Ejiptiana sy ny polisy izay tamin'io andro io, nitsangana niaraka tamin'ny vahoaka Ejiptiana ny polisy  hanohitra ny hery mpanani-bohitra tamin'izany andro izany.

Ny androm-pirenena  ho an'ny Polisy Ejiptiana ny 25 Janoary izay ahatsiarovantsika ny nitsanganan'ny polisintsika tany “Ismailia”  nanampy ny vahoaka sy ny fanoherana natao ny fibodoan'ny Anglisy tamin'ny tolona ho an'ny tanindrazana tamin'ny 1952.

Amin'izao fotoana izao kosa, indrindra taorian'ny namonoana an'i “Khaled Said”, tsy mitovy intsony ny zava-misy.

Hoy i Zeinobia nanazava:

Amin'izao 2011 izao, misy hetiksa goavana  karakarain'ny vondrona “Khaled Said avokoa isika” ary tohanan'ny antoko politika mpanohitra maro hafa sy vondrona hafa amin'io andro io ,ary betsaka ny fanantenana hoe hanova an'i Ejipta rahatrizay ity fotoana ity,  indrindra taorian'ny zava-nitranga tany Tonizia.

Alahatr’ i Zeinobia avy eo ireo fangatahan'ny mpanao fihetsiketsehana.

Mangataka ny olona hidina an-dalam-be ny vondrona mba hahatanteraka ireo fangatahana:

  • Hampiakatra ny karama ambany indrindra ho LE 1200 ary hahazo fanampiana noho ny tsy fananana asa.
  • Hanafoanana ny maha-firenena latsaka an-katerena ny firenena, hanalàna an'i Habib El-Adly ary hamotsorana ireo voatana am–ponja tsy misy didim-pitsarana.
  • Handravànna ny parlemanta ankehitriny, hanaovana fifidianana malalaka ary hanamboarana ny lalampanorenana mba ho voafetra ho indroa ihany ny firotsahana ho filoha.

Ny fanontaniana mipetraka izao dia ny hoe aiza ilay nantenaina ho filoha Mohamed ElBaradie sy ny lohan'ny hetsika mpanohitra amin'izao zavatra rehetra izao. Hoy i Nawara Negm:

اه وربنا

والبرادعي مسافر

والاخوان خالعين

ومش محتاجين نقول الوفد خلع لانه مالوش لازمة في الحياة اساسا

بس التوانسة نازلين عشانا… ومش بعيد الاردن كمان تنزل عشانا، ويمكن نتفاجئ ان الجزائر كمان نزلت عشانا، وامبارح كان فيه مظاهرات في السودان على الغلاء، على الله بقى السودان تنزل عشانا

النكتة حتبقى لو كل دول نزلوا عشانا واحنا ما نزلناش بحجة ان “القيادات” مش نازلة.

Marina ve!

Mitsangantsangana any ivelany izao i El Baradie. Tsy eo i Ikhwan. Tsy ilaina lazaina intsony fa tsy eo ihany koa ny Antoko Al Wafd, na izany aza, efa haintsika fa antoko tsy misy ilana azy io.

Nefa ny Toniziana miroso maneho ny firaisankinany amintsika. Ary mety ho toy izany koa ny Jordaniana. Ary iza no mahalala, ny Alzeriana ihany koa. Ary, omaly, nisy ihany koa ny fihetsiketsehana tany Sodàna noho ny fisondrotam-bidy.

Tena ho tsara raha ireo olona rehetra ireo no hanao hetsika ho antsika, raha jerentsika ny tsy firaharahan'ny lohan'ny mpanohitra hanome rariny antsika hijanona any an-trano.

Na izany aza, nilaza ilay “Hetsiky ny Salafists ho amin'ny fiovana” aka “HAFS” fa handray anjara ihany koa izy[Ar], na dia raha ny tokony ho izy aza, ny hetsika Salafy hafa dia manohitra ny zavatra rehetra. Manahy ihany koa ny mpitoraka bilaogy sasany ary tsy mahazo antoka raha mety hoe hiafara amin'ny korontana tsy ho voafehy sy fisamborana ity antso ity. I Amira Bahhy El Din eto dia manoratra mikasika ny tahony.

لن اقول لكم لاتحرقوها ….

لكن تذكروا ان هذا الوطن اغلي من العبث به وبحياه مواطنيه !!

ربما نعيش ايام سوداء لكنها ليست الاسود !!!!

ولو احرقتموها واحرقتمونا ، فلا تبكوا ولا تندموا فوقت البكاء والندم سيكون قد فات !!!!

Tsy izaho akory no handeha hiangavy anao tsy handoro ny firenenao.

Nefa tadidio fa dia mamintsika loatra ity firenena ity ta tsy tokony hataontsika antona andrana sy kilalao!

Mety hoe miaina anatina andro ratsy isika izao, nefa tsy ilay faran'izay ratsy!

Raha doroantsika izy ka mirehitra, dia ianao ihany no hanenina sy hitomany amin'izany.

Farany, mila maharitra isika mijery ny zavatra mety hiseho amin'ny andro vitsy manaraka ho avy eo. Mila miandry isika dia mijery hoe iza marina no tena handray anjara, inona no ataon'izy ireo, ary ahoana ny hetsiky ny fitondrana. Ary dia ny fotoana no hanamarina raha tena i Tonizia no voalohany marina amin'ny singa voalohany amin'ny fiantraikan'ny fianjeran'ny daomy teo amin'ny faritra na tena zavatra hafa mihitsy amin'ny tany Ejipta, Alzeria sy ny firenena hafa Arabo rehetra ny tany Tonizia .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.