Ireo tatitry ny Fampahalalam-baovao dia maminavina fa 250 any ho any ny naratra taorian'ny lalao baolina kitra tao atsimon'i Amman nifanandrinan'ny tarika Wihdat, izay matetika no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana Palestiniana, sy ny tarika al-Faisali, izay mazàna kosa no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana avy any Transjordania.
Maro ny mpandefa Tweet no nifantoka tamin'ny fanamelohana ilay herisetra:
@Namleh Tsy maintsy manana fo mahay mandefitra & sy mahay mifanaja ny Atleta ! indrisy anefa fa tsy izany no nitranga nandritra ny lalao baolina kitra tany #jo
Ny sasany nanatsiny ny ekipa iray ho fototry ny herisetra; 5hadz nanatsiny ny mpanohana ny Faisali:
@anammari No, el Wehdateye bi7ayathom ma balasho fight, it's always been el Faisaleye.
http://twitter.com/5hadz/status/13531784515952640
Dania Ab nanatsiny ireo mpanohana ny Wehdat:
We all know how savage the wi7dat team are ,oo ya reet kan el darakyeen thaba7ohom o 7aragohom kman bekon a7san #Jo” هذاتفكيرلايجدي
Tsy niandry ela i Noha Safar nanameloka an'io teny mahery io:
“@Daniiiaa: We all know how savage wi7dat team are,oo ya reet kan el darakyeen thaba7ohom o 7aragohom kman bekon a7san #Jo” هذاتفكيرلايجدي
Na dia ny Solombavambahoaka iray aza dia nirotsaka koa tao anatin'ny lalaon'ny fifanomezan-tsiny:
@5hadz Even MPs .. الفايز مع اتخاذ عقوبات بحق النادي الذي تسبب جمهوره بهذه الاحداث He means Wehdat? http://bit.ly/gmK2ca
Maro ireo mpandefa Tweets, na izany aza, no nampifantoka ny hatezeran-dry zareo tany amin'ny fomba fandrakofana iny tranga iny nataon'ny Al-Jazeera, izay nanome tsiny ny mpitandro filaminana Jordaniana, ary ny fivoaran'ny fanavakavahana mankamin'ny herisetra:
Sanad Azab nanoratra:
Such a BS misleading report “@fayez: تقرير #الجزيرة حول ضرب الدرك للجمهور #jo #video http://j.mp/e0PePz”
Niaiky i Ayment Saket :
Na dia nilaza aza ny #AlJazeera fa ireo mpanohana ny #AlWihdat no namaky ny fefy nandritra ny fankalazany, ary nifanitsaka tao, mbola ny mpitandro filaminana #Jo ihany no tsinian-dry zareo.
Nanoratra i Ahmad Ammari :
Fantatsika rehetra tsara ny zavatra tian'ny Al Jazeera hatao amin'io amin'ny Gov #JO Gov amin'izao fotoana RT @5hadz: اه لإنو هاي هي مشكلت العنصرية في الأردن، لعبة كرة قدم!