Kambodza: Dokambarotra finday tsy mandeha ilalana

Voatsikeran'ny mpiserasera maro ho mandrisika ny tanora hanao fihetsika tsy mety ny dokambarotra navoakan'ny mpanome tolotra antso finday kambojiana vao haingana izay. Mampiseho andian-tanora maka ny sarin'ny namany ary manaparitaka izany amin'ny namany amin'ny alalan'ny aterineto ny dokambarotry ny CellCard. Mihevitra ilay orinasa amin'ny alalan'izany dokambarotra izany fa manasongadina ny halakin'ny aterineto atolony. Saingy toa tsy fantatrity orinasa ity ny andraikiny amin'ny fandrisihana ny tanora hanosihosy ny fiainana manokan'ny namany.

Piseth Mao, mpamaham-bolongana sady manampahaizana manokana momba ny fifandraisana ao amin'ny Women's Media Center of Cambodia (Ivom-pampahalalam-baovao ho an'ny vehivavy eto Kambodza), no nampaneno ny ahiahiny sady manohitra ity dokambarotra ity ka manolo-kevitra ny handrarana ilay rindran-tsary. Nampirisihany ny orinasa hamoaka hafatra tsaratsara kokoa ho an'ny olona indrindra fa ny tanora raha tiany ny hanasongadina ny tolotra fanomeny. Ao amin'ny bolongany moa i Piseth no mampiasa ny zony hiteny an-kahalalahana hanala ity “faingo” (rindran-tsary dokambarotra) ity:

LET ME USE MY FREEDOM OF EXPRESSION: I really want to see the latest Mobitel (Cellcard) spot banned from all TV Channels. What is the value of the spot? Encouraging the youth to take a picture of a girlʼs ass and share it with a friend as the Internet is fast? The producer of this spot must be somehow unusual.

AVELAO AHO HAMPIASA NY ZOKO HITENY ANKAHALALAHANA: Tiako indrindra ny hanalana amin'ny fahitalavitra rehetra ny “faingo” navoakan'ny Mobitel (Cellcard) farany teo. Ahoana ny lanjan'ilay faingo? mandrisika ny tanora haka ny sarin'ny fitombenan'ny sipa iray dia mizara izany haingana amin'ny namany amin'ny alalan'ny aterineto? Mpanao zavatra tsy mahazatra mihitsy ny mpanatontosa azy io

Nanome torohevitra ny mpanatontosa izy avy eo nanohy ny lahatsorany:

If you want to promote your good Internet connection, then why donʼt you think of something like “ A friend is at school and taking the picture of the lesson their teacher/lecturer writes on the board and share with a friend who is on mission in the province.”

Raha te-hanasongadina ny fahatsaran'ny aterineto ianao, maninona ilay hevitra raha mba tahaka izao ohatra “Ao ampianarana ny namana iray dia maka an-tsary ny leson'ny mpampianatra manoratra eo amin'ny tabilao ary mizara izany ho an'ny namany mamita iraka any amin'ny faritany.

Mihevitra i Piseth, izay faly tamin'ny faingo iray taloha nanasongadina ny Angkor Wat nataon'ity orinasa ity ihany , taorian'ny toroheviny fa handrisika ny fananganana fiaraha-monina tsaratsara kokoa hifampitsinjovan'ny olona sy hamela ny olona hiserasera sy hahara-baovao farany mivoaka amin'ny aterineto ny orinasa.

Efa nisy ihany koa ny olana efa nitranga taloha tamina dokambarotra navoakan'ny orinasa-na mpivarotra môtô izay nanivaiva ny hasin'ny vehivavy.

Tetsy ankilan'izany dia vao nandrara sarihimetsika mitohy amin'ny fahitalavitra mitondra ny lohateny hoe “Mpifankatia Hafahafa” ny fanjakana, tantara izay hahitana vehivavy manja iray atao lavanty ka ny tonombola voalohany dia iray tapitrisa dôlara. Azo raisina ho fanimbana ny hasin'ny vehivavy kambojiana ihany ilay tantara raha jerena amin'ny solomaso mainty. Nefa misy ihany koa no mijery izany fandrarana izany ho toy ny fanohintohinana ny fahalalaham-pitenenana ho an'ny mpamokatra sarimihetsika. Mampifandray ity trangam-pandrarana ity amin'ny nataon'ny fitondrana teo aloha nandrara ny fampisehoana ara-kolontsaina hafa ry zareo. Ohatra, hira madinika iray miresaka moanina bodista mikasika sy manoroka sipa iray sy rock arahina dihy iray, “Where Elephants Weep,”( Ny [toerana] itomanian'ny Elefanta) izay ahitana moanina manao fihetsika tsy mendrika dia samy efa voasivana avokoa. Ny nentin'ny fitondrana nanamarinana ny fandrarana moa dia noho ny fanajana ny fombam-piaraha-monina sy ny moanina bodista.

Raha azo ekena ihany amin'ny lafiny sasany ny fandrarana ny hira sasany dia tokony hifanaraka amin'ny fahalalaham-pitenenana izany ary tokony hijery ny tonony (votoaty) sy ny tanjony (ao amin'ny tononkira) ny fitondrana fa tsy hanonona ny hoe fomban-drazana tsara sy ny fiarovam-pirenena fotsiny izay mety hiteraka tsikera mavaivay amin'izay mety hisamborana noho ny fanalana baraka, fanomezana vaovao diso na fanentanana noho ny tsy fitoviana hevitra amin'ny politikan'ny fitondrana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.