Shina: Rafitra fanamarinana ny mombamomba ny olona (ID)

Ity dia lahatsorats'i Oiwan Lam nivoaka voalohany tao amin'ny Advocacy ny 16 Septambra 2010

baiduMiady hevitra momba ny fametrahana ny tena anarana ao amin'ilay sehatra fitorahana bilaogy kiritiky ny  Baidu, Baidu Shuoba, ireo mpitoraka bilaogy sy mpandefa bitsika (twitterers). Maro no miahiahy fa i Baidu, lohamilina fikarohana lehibe indrindra ao Shina, dia mifampitohy amin'ny raki-tahirin'ny governemanta (government ID Data base), satria ny fanamarinana ilain'ny Baidu Shuoba dia mitaky feno ireo rehetra mombamomba ny nanarana sy ny laharan-karapanondro.

William Long , goavana amin'ny fitorahana bilaogy, dia nanoratra tao amin'ny  twitter:

百度说吧可真够恶心的,注册个“说吧”居然还要身份证号码,你以为自己的开公安局的啊,用户的身份证信息如果泄漏这责任谁来负责,如果有人用这些身份证来做坏事谁来监管?

百 度说吧对于用户身份证的验证非常特别,其后台可能连接了中国居民身份证的数据库,用户输入的身份证号码必须和姓名完全对应,才能通过认证,这说明了百度说 吧有可能和政府机关进行了深度合作。另外,在百度说吧不能随便“关注”人哦,在双方都互相关注下,对方可以不经许可得到你的手机号码。

WL: Tena maharikoriko i Baidu Shuoba, tsy maintsy mampiditra ny laharan-karapanondronao ianao rha te-hanokatra kaonty. Fa polisy ve ry zareo e? Raha miparitaka ny mombamomba ny olona tsirairay? Iza no hibaby ny andraikitra? Raha misy olona mampiasa ny mombamomba ny hafa mba hanatanterahana heloka bevava eto amin'ny aterineto, iza no hipetraka ho mpanara-maso?

WL: Tena miavaka tsara ny rafitra fanamarinana ao amin'ny  Baidu Shuoba, azo eritreretina ny fisian'ny fifampitohizany any ambadika any amin'ny raki-tahiry faoben'i Shina. Ilay izy dia mitaky feno ny laharan-karapanondro ka hatramin'ny anaran'ny mpampiasa azymba ho fanamarinana. Miara-miasa akaiky amin'ny governemanta ny  Baidu amin'io. Tsy izay ihany, tsy manaraka eo fotsiny ihany ny olona, vantany vao misy fifandraisana amin'olona akaiky anao dia azon'ilay mitsongo dia koa ny laharan'ny findainao.

Zhengyun, manampahaizana iray hafa amin'ny IT, no ndray ilay adihevitra ka nampivoitra fa Baidu, toy ny ankabeazan'ireo lohamilina fikarohana hafa ao an-toerana ihany, dia efa nifampitohy hatrany tamin'ny GFW,  fanivanana napetraky ny Ministeran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny Fifandraisana [Ministry of Industry and Information Technology (MIIT)]. Hoy ny teniny ao amin'ireo  bitsika nalefany:

看来实名上百度说吧真的安全风险很大。劝各位IT人士莫去做小白鼠。尤其是各类维权人士,小心注册后十分钟内警察赶到。

关于百度搜索引擎与工信部有一个接口,会把搜索关键词提交给这个接口,『帮忙判断一些敏感词的结果是否合法』,这层特殊处理是工信部要求国内各大搜索引擎都必须加的,包括原来的谷歌中国,包括bing。工信部随时可以加关键词黑名单和域名黑名单,控制自如。

Zhengyun: Toa sahala amin'ny marobe ny  risika momba ny fahalemana (security) ao amin'ny Baidu Shuoba. Mandroso hevitra ho an'ireo namana eo amin'ny tontolon'ny IT aho tsy hanaotao foana sahala amin'ny voalavo fotsy. Satria ho an'ireo mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona, minitra vitsy monja no isaina dia hitan'ny polisy ianareo.

Zhengyun: Ny lohamilina fikarohana an'ny Baidu dia manana fifampitohizana amin'ny MIIT, izay mandray irao teny mafampàna ary manampy amin'ny fijerena raha araka ny lalàna ny valin'ilay fikarohana. Io fifanarahana manokana io dia fitakiana nalefan'ny MIIT tamin'ireo lohamilina fikarohana rehetra tazonin'ireo kaompania ao Shina. Na dia ny   Google sy ny  Bing aza dia nasaina nanaraka azy ireny. Ireo teny mafampàna sy ny lisitra mainty dia ny MIIT avy hatrany no manara-maso azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.