Egipta: mpitoraka blaogy navotsotra rehefa voatana an-tranomaizina nandritra ny roa taona mahery

Mos'ad Abu Fagr daughter

Zanakavavin'i Mos'ad Abu Fagr

Taorian'ny fitanana azy an-tranomaizina nandritra ny telo taona teo ho eo izay, dia novotsorina tamin'ny Talata, 13 Jona, 2010 ihany ilay mpitoraka blaogy Ejiptiana Mus'ad Abu Fagr. Na dia efa mihoatra ny valo aza ireo didy famotsorana azy hatramin'ny nahavoasambotra azy ny 26 Desambra 2007, dia navaozin'ny Minitsitry ny Ati-tany ny fitanana azy. Ny fanapahan-kevitra hamelana an'i Abu Fagr hivoaka dia anisan'ireo fiezahana hampitoniana ny fifampihenjanana misy eo amin'ireo Mpitandro ny Filaminana Ejipsiana sy ireo “Bedouins” ao Sinai. Abu Fagr dia anisan'ireo Bedouins 68 novotsorina an-tranomaizina.

Ilay mahery fon'i Sinai sady mpanoratra Fagr dia mitoraka blaogy ao amin'ny Wedna Ne3eesh (Te-hiaina izahay) izay hanoratany mikasika fangatahan'ireo “Bedouins” Sinai, mampiseho ny fiainan'izy ireo ary mikatsaka ny fitovian-jo amin'ny maha-ponina.

Ity mpitoraka blaogy navotsotra ity dia mbola tsy niverina nitoraka blaogy. Afaka nifampiresaka taminy tamin'ny finday ny gazety Al-Masry Al-Youm, izay nanehoany ny fahafaliany tamin'ny famotsorana azy, nitenenany fa mbola any am-ponja ny rahalahiny. The Hisham Mubarak Center for Law (HMCL) nanoratra an'i Abu Fagr amin'ny famotsorana azy, miteny:

سجين الرأي”مسعد أبو فجر”اليوم بعد الإفراج عنه” سنحتفل جميعاً فى اليوم الذى يخرج فيه جميع المعتقلين، وأننى أشكر جميع من تضامن معي ومع قضيتي وأطالبهم بتقديم الدعم لقضية المعتقلين

Niteny ilay nigadra noho ny fieritreretana Abu Fagr taorian'ny namotsorana azy:  hanaovantsika fety ny andro hamotsorana ireo voasambotra rehetra, mankasitraka ireo rehetra nanohana ahy sy ny tolona nataoko aho, ary miangavy anao aho mba hanao soroka miara-milanja  izay mbola any am-ponja

Tsy midika ho fanafahana ireo mpitoraka blaogy hafa ny namotsorana an'i Abu Fagr fa nifandraika tamin'ny mahampitolona bedoins azy!”

Rohy:

(HMCL) nanonona an'i Abu Fagr

HYPERLINK “http://www.hmlc-egy.org/node/1549″ http://www.hmlc-egy.org/node/1549

Afaka niresaka taminy tamin'ny finday ny gazetin'ny Al-Masry Al-Youm

HYPERLINK “

Nanavao hatrany ny fitanana azy ny Minisitry ny Ati-tany

HYPERLINK “https://advocacy.globalvoicesonline.org/2009/04/22/egypt-a-new-detention-order-for-a-blogger-arrested-since-2007/” https://advocacy.globalvoicesonline.org/2009/04/22/egypt-a-new-detention-order-for-a-blogger-arrested-since-2007/

*******************

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.