Haiti: Fomba fahitan'ireo tanora momba ilay horohorontany

Na dia betsaka aza ny tatitra natao taorian'ilay horohorontany mirefy 7,3 nanimba ampahany betsaka tamin'ny renivohitr'i Haiti, nisy vondrona mpitoraka blaogy haitiana iray adinodino  – ireo tanora. Ity misy topimaso kely amin'izay lazain'ireo tanora momba ity loza ity, izay nanokatra vanim-potoana iray vaovao teo amin'ny fiainan'izy ireo.

Mety tsy tianao ho fantatra ny nanjo ahy. Mety izay nanjo ny nenitoanao na ny raibenao any Haiti ka tsy azonao tamin'ny finday ihany no mahaliana anao. Tsy afaka manome tsiny anao amin'izany aho, toy tsy ahafahanao manameloka ahy maniry ny hanoratra izao rehetra izao, satria tsy hisy afa-tsy ny blaogiko ihany no afaka mipetraka sy mihaino izany.

Ireto no teny voalohany avy amina vehivavy mpitoraka blaogy iray Krizkadiak tao amin'ny lahatsorany ny  faha-15 Janoary mitondra ny lohateny hoe “Avy amin'ny masona tanora 16 taona” izay mamboraka ny faniriany hiteny, ho heno sy hampahafantatra ny fijaliany. Izany dia manamafy ny lahatsoratra iray nosoratan'i Frantz Duval [Fr] ary navoakan'i Espas Ayisien, mitondra ny lohateny hoe “On oublie que les enfants aussi ont mal” (Adinontsika fa mijaly koa ireo ankizy), izay fitambarana fijoroana vavolombelona avy amina zatovo Haitiana.

Ireo lahatsoratra roa ireo dia samy  mampahafantatra antsika momba ireo famantarana voalohany an'ilay horohorontany mahery vaika. Araka ireo tenin'i Krizkadiak:

Tsaroanay nihovitrovitra ny tany, nefa tsy nahataitra anay izany, satria samy mbola tsy nandalo izany mihitsy izahay tany aloha tany, ka notohizanay ny dianay. Nefa nihamafimafy kokoa izany ary renay ilay mpampianatra PE nikiakiaka taminay mba hitsilanesanay amin'ny tany.

Izany zava-niainana izany dia namafisin'i Nathalie, 15 taona, tanisaina ao amin'ny lahatsoratr'i Espas Ayisien‘s [Fr]:

Nous étions en cours de danse chez Joëlle Donatien Belot, dans la salle du bas quand nous avons ressentis une forte vibration. Personne ne s'en est inquiété. […] Le temps pour nous de sortir, il y a une nouvelle secousse.

Tany am-pianarana dihy tany amin'i Joëlle Donatien Belot izahay, ao amin'ny efitra ambany rihana, raha nahare hovitrovitra mafy be. Nefa tsy nisy natahotra izahay. […] Ny nivoahanay tao no ela dia nihovitrovitra indray.

Samy manasongadina ny tsy fahampian'ny fiomanana hiatrehana horohorontany mafy toy izao ireo fijoroana vavolombelona nataon'ireo ankizivavy roa ireo, nefa koa mizara lohahevitra iraisana, dia ny faniriana hifandray amin'ny fianakaviana – indrindra amin'ny rainy avy izy ireo. Miteny i Krizkadiak:

Avy eo dia nitsangana daholo ny rehetra niolomay handray ny findainy avy ary niezaka ny niantso ireo havany akaiky… Niezaka ny niantso ny dadako aho; nefa ny zavatra hany henoko dia ny « bip bip » faheno rehefa mbola sahirana ny tambajotra. Tapaka avy eo…Nanahy mafy ny momba azy aho. Natahotra.

Nanampy kosa i Nathalie [Fr]:

J'ai arrêté d'avoir peur quand mon père est venu me chercher.

Nitsahatra ny tahotro raha vao tonga naka ahy ny dadako.

Teny feno fahendrena no zarain'ireto zatovo izay miaiky fa tsara vintana ry zareo. Ity ny nambaran'i Nathalie [Fr]:

Aujourd'hui, quand je pense à tout cela, à mon école, l’ Institution du Sacré-Coeur qui s'est effondrée, je me dis que nous avons eu de la chance.

Amin'izao rehefa mieritreritra momba ireny rehetra ireny aho, momba ny sekoliko, Institution du Sacré-Coeur izay nirodana, dia miaiky fa mbola tsara vintana izahay.

Tao amin'iny lahatsoratra iny ihany, taorian'ireo zava-nisy nolalovany teny an-dàlany mody, manohy izy:

Nahita ny fianarako nirodana teo anoloako aho.

Nahita ireo olona nihazakazaka tao anatin'ny vovoka aho,  naheno fa nirodana ny tranon'izy ireo… ary indraindray dia mbola nisy olona tao anatiny.

Nahita tobi-na mpitsoa-ponenana aho, tahaka ireny fahita amin'ny fahitalavitra ireny… olona mivavaka, olona velona nefa toa tsy ao tsara…

Nahita zazakely maty tapaka aho, mifono anatina “bande”…

Nahita olona efa ho 150 tao anatina trano lay kely telo aho… ary an'arivony maro amin'ny tany eny ivelany.

Nahita ny namako iray tany amin'ny fàsana aho nandevina ny “cousin” keliny.

Nahita ny tranon'i jacmel vakoky ny ela sy tsara indrindra lasa toy ny tsinontsinona aho.

Nahita ireny fiara fitaterana entana ireny [pickup] feno faty marobe aho…

Nahita ny mpampianatra ahy nizotra ho any am-pàsana  taorianan'ny fiara nitondra ny vatana mangatsiakan'ny vadiny aho…

Nahita ankizy mpianatra ao amin'ny sekoliko, olona FANTATRO, tao amin'ilay tobi-na mpitsoa-ponenana aho….

Mamarana i Krizkadiak :

Nony tafaverina tany amoron-dranomasina izahay, nisy tritra be ny hotelin'ilay mpiray vodirindrina amiko, mbola tsy tamin'ny toerany ny ranomasina, tsy dia nisy fahasimbana loatra ny tranoko, nisy tavoahangy sy fitaratra vaky tamin'ny tany, fa tsy dia nisy tena goavana be…

Na izany aza, ireny fijoroana vavolombelona ireny dia tsy afaka manafina fa nisy tanora hafa koa voadonan'iny horohorontany iny. Tao amin'ny lahatsoratr'i Espas Ayisien, nahazo vaovao momba an'i Fanorah 16 taona izahay, izay tsy niaina nivantana ilay horohorontany, nefa nahita ny fiainany nivadika ho nofy ratsy ny ampitson'iny [Fr]:

[…] je ne comprenais rien à cette affaire de tremblement de terre car Pétion-Ville et le haut de Delmas ne sont pas très affectés. Tout au plus, cela avait provoqué un grand embouteillage et gâché ma soirée, raconte-t-elle.

L'horreur, elle ne la découvre que 24 heures plus tard, quand le décompte des morts commence. Sa marraine, et trois de ses amies sont mortes et aussi plein de gens qu'elle connaisse. « Je ne comprends pas, je ne comprends toujours pas ce qui s'est passé », répond-t-elle à chaque fois qu'on lui pose une question sur le tremblement de terre du 12 janvier.

[…] Tsy nisy zavatra takatro mihitsy tamin'iny resaka horohorontany iny satria Pétion-Ville sy Delmas ambony dia tsy dia voadona be loatra. Farafahabetsany,  hoy izy, dia ny fitohanan'ny fifamoivoizana sy harivako voasembantsembana.
Ny ampitson'iny vao fantany ny tena nahatsiravina, rehefa nanomboka ny fanisàna ireo maty. Ny reny mpiantoka azy,  telo tamin'ireo namany ary olom-pantany maro no maty. “Tsy azoko izany, mbola tsy azoko foana ny zava-nitranga”, izany no avaliny isaky ny anontaniana momba io horohorontany tamin'ny 12 Janoary io izy.

Tao amin'ny lahatsorany manaraka mitondra ny lohateny hoe “tsy nofy izao… atreho: zava-misy marina io“, i Krizkadiak dia manazava ny nahatonga iny tranga mahatsiravina iny ho nanova ny fomba fijerin'izy ireo momba ny olan'ny zatovo amin'ny andavan'andro, izay toa endrika ivelany fotsiny ihany sisa:

… tsara rehefa fantatrao fa tsy misy manan-danja ireny adalàna ilain'ny tsirairay ety ireny. Tsy nisy dikany mihitsy izany fety izany, akanjo tsara, ny fanaovana tantara be momba ny volonao, fiara “blindé” goavana sy lafo vidy, fialan-tsasatra any amoron-dranomasin'i Miami, ny fananana bika tsara, volo tsara… tsapanao fa “BULLSHIT” ireny; tsy mitondra na aiza na aiza, adalàna sy fandaniam-potoana misavovona be TSY MISY ILANA AZY ! Ankehitriny tsy maintsy mihiratra ny masonao ka miatrika ny zava-misy miaraka amin'ny antsipiriany rehetra ary mitady fomba hamintinana ireo taona rehetra nitomboana ao anatin'ireo 35 segondra ireo, izay nanova ny zava-drehetra

Miresaka momba ny fitiavana ny fianakaviana sy ny fanomezana azony amin'ny maha-velon'aina azy izy:

Tsy afaka mieritreritra tahaka ny taloha intsony ianao, tsy ireo maha-maika anao taloha intsony no maha-maika anao amin'izao… Izao dia fantatrao ireo tena zava-dehibe amin'ny fiainana… ny fitiavana ny rahalahinao mihoatra noho ny zava-drehetra, ny fananana ireo olona tianao eo akaikinao… na ny fahafahana mivelona fotsiny, ny fahafahana mihinan-kanina, matory,… ary izay ihany.

Ireny fahatsiarovan-tena sy fahatsapàna ireny dia namorona tahotra vaovao sy fanahiana mavesatra kokoa ho ana 16 taona iray:

Ny fanahiana ny amin'izay mety ho ampitso, ny fahatsapàna ny tany mihovitrovitra amin'ny fotoana tsy voafaritra (hamoha anao mihitsy izany hovitrovitra izany indraindray), ny fahenoana momba ireo olona maty isan'andro,… ireo banky mihidy, ireo sekoly koa… Mahalasa adala, sa tsy izany?! Lasa saro-tahotra ianao, tsy mahavita mandeha irery anaty haizina, mitomany amin'ny tsy antony.
[…]
Arakaraky ny handehanan'ny fotoana no tsy maintsy handaminako ny saiko fa tsy handeha ho aiza ity zava-misy ity… ie. tsy nofy ity

Ireo fanehoan-kevitra ao amin'ireo lahatsoratr'i Krizkadiak dia maneho ny vaikan'ny  fiantraikan'ireo fijoroana vavolombelona nataony tamin'ireo mpamaky any ivelan'i  Haiti, any amin'ireo firenena toa an'i Italy, Ghana ary Caraibes, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Ireto ireo izay tena misongadina:

34 GreyOne
18 janoary 2010 tamin'ny 3:45
Zava-dehibe ireo teninao ireo. Ianao no feon'ireo izay tsy afa-miteny amin'izao fotoana izao.
Ireo zavatra hitanao sy niainanao dia mbola mafy noho izay rehetra mety hiainan'ny maro.
Aoka hanome hery anao izany, aoka ny tanjakao hanamaivana anao sy hanome feo ho an'ireo mpiray firenena aminao.
Misaotra anao nanampy hahafantatra izay nitranga, toy ny hoe ny rahavavinay no nitantara izany taminay.

37 Michele (Italy)
18 janoary 2010 tamin'ny 6:26
Tohizo ny làlanao.
Miteny ianao. Mitantara. Manao ny tantara.
Manarina. Manohy miaina ianao.
Ciao Yael

44 Kate
22 janoary 2010 tamin'ny 7:10
Tsara lavitra noho ny niezahan'ireo mpanao gazety maneran-tany nitantara izany tao anatin'ny herinandro mahery ny fitantaran'ireo teninao azy.

Hotahiana anie ianao sy ny fianakavianao, Yael. Mankany aminao sy Haiti ireo vavaka ataoko.

Raha te-hahazo fanampim-baovao momba ny andavanandron'ireo vahoaka Haitiana avy amin'ny mason'olona 16 taona ianao dia afaka manaraka ilay mpitoraka blaogy Krizkadiak koa ao amin'ny  Twitter @yatalley.

Ato ny Pejy Fitateram-baovaon'ny Global Voices momba ilay horohorontany tany Haiti.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.