Ejipta: Ny filoha Moubarak sy ny fiandrianan'i Ejipta

Taorian'ny lalao nifanandrinan'i Ejipta sy Alzeria tany Soudan dia nanao fihetsiketsehana tany Zamalek nanoloana ny ambasady Alzeriana tao Le Caire ny mpankafy baolina kitra ejipsiana ny alakamisy alina sy ny zoma tolakandro. Ny zanaka lahin'ny filoha, Alaa Moubarak, no nandranitra tao amin'ny fahitalavitra. Ny marainan'ny asabotsy 21 novambra dia nikabary tao amin'ny fivorian'ny parlemanta (anankiroa: Antenimieram-bahoaka sy ny Filankevitra Shura) ny filoha Moubarak, ary nandritra izany na dia tsy niteny nivantana an'i Alzeria aza izy dia nilaza fa ny fiandrianan'ny Ejipsiana dia mifamatotra amin'ny fiandrianan'i Ejipta ary nivoady fa tsy handefitra mihitsy manoloana ireo maniratsira azy i Ejipta.

mubarak 1

Ny Kabarin'i Mubarak

Sarah Carr tsy resy lahatra tamin'ny kabarin'i Moubarak:

Sarah Carr

Moubarak: “andraikitry ny firenentsika ny mampanaja ny mahaolona ireo terantanintsika any ivelan'ny firenena. Manara-maso ny zon'izy ireo isika ary miampanga ny herisetra sy ny fanitsakitsahana atao amin'izy ireo” – dia mbola notohizany fa voahosihosy teo ambany fiahiantsika tato anatin'ny faritr'i Ejipta izany!

Jasmine Aladdin mitazana fotsiny

Jasmine Aladdin

Iriko fatratra Andriamatoa filoha fa tsy resabe fotsiny izany hampiaka-pofona ny sasany. Iriko koa ny hampiatoan'ny Ejipsiana any ivelany fanomezana anarana ratsy any ivelany an'i Ejipta amin'ny fanitsahana ny reharehany fa hoe izay no fanorenany ny fiainany! Inona izany no avelantsika ankoatra ny fiandrianantsika?

Sharif Hafez mpanao famakafakana politika no mahatsikaritra ny fahendren'ny filoha Moubarak raha niangavy ny parlemanta ho tony izy

Sharif Hafez

Lesona politika marina iny ho an'ny rehetra; ny politika mantsy dia tsy ny fieritreretanao am-pahatezerana akory, fa ny fahaizanao tony sy milamina rehefa miteny – tsy mila faharesena hafa intsony isika!

Perwin Ali tsy faly tamin'ny lohatenin'ny BBC!

Perwin Ali

Hay efa manomboka mahatsikaritra ny tandrefana, saingy heveriko fa mbola tsy mbola tsara ny fiheviny…jereo fotsiny ny lohateny! Ahoana no fandraisanao azy? Efa tsy resaka baolina intsony e. Raha midaroka ny resy ny mpandresy TAORIAN'NY nahareseny azy dia TSY resaka baolina mihitsy io.

Dr. As`ad AbuKhalil – Tezitra amin'ny mpanao lalàna Egiptiana ny Arabo tezitra amin'ny “fitehafana”

Inona no asan'ny mpanao lalàna ejipsiana afa-tsy ny mitehaka ny kabarin'ny filoha? Naman'ny dadako ny sasany amin'izy ireo ary nitehaka an'i Nasser, avy eo nitehaka ho an'i Sadat, ary izao indray mitehaka ho an'i Moubarak. Fantatrao ve fa i Mustafa Khalil, ilay nitondra ny fanelanelanana tamin'i Egipta hihavana amin'i Israely dia tsy nivadika tamin'i Nasser, ambanin'i Nasser?

Zeinobia maniry ny fiandrianan'i Egiptiana ao Egipta

Nolazain'i Moubarak tamin'ny kabariny nanoloana ny parlemanta sy ny Filankevitra Shura fa andraikitry ny fanjakana ny misahana ny Ejipsiana ivelan'i Ejipta ary ny fiandrianan'izy ireny dia avy amin'ny fiandrianai Ejipta!!

Tsy hitako izy holazaina afa-tsy ny hoe :Andriamatoa Filoha, tsy niseho izao zavatra rehetra izao raha tena manana fiandrianana ny Ejipsiana sady omena toerana tsara ao Ejipta!!? Azafady mba teneno amin'ireo noratrain'ny polisy izany, azafady teneno indray izany amin'ireo Ejipsiana an'arivony any ivelany izay hiharan'ny fanalam-baraka noho ny politika nataonao nandritra ny 28 taona izao. Andriamatoa filoha, azafady mba teneno amin'ireo fianakavian'ny niharam-boina sy namoy havana manodidina an'i Israely izany, ho an'ireo tao anatin'ny fiaramanidina 990, ho an'ireo tao anatin'ny sambo Al Salam sy tao amin'ny Badr I.

Marwa Rakha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.