Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]

threatened-logo

Tsy mbola nisy hatramin'izay hamaroan'olona voarahona na voagadra noho ny zavatra nosoratany tamin'ny aterineto.

Koa satria moa nitombo aoka izany ny olo-tsotra no nampiasa ny aterineto hanehoany ny heviny sy ifandraisany amin'ny hafa, dia maro ihany koa ny mpitondra fanjakana no nanamafy ny fanaraha-maso, nanasivana, fitoriana eny amin'ny fitsarana ary ny fanorisorenana. Ny tena henjana indrindra amin'ny maro dia ny fisamborana ny mpamaham-bolongana noho ny resaka politika nosoratany an-tserasera sy/na an-toeran-kafa, ary misy aza indrisy ny mitarika hatrany amin'ny fahafatesana. Mahatratra ny 45%-n'ny mpiasan'ny fampitam-baovao mameno ny fonja ankehitriny no mpanao gazety an-tserasera sy mpamaham-bolongana avokoa.

Ankehitriny, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [feo voarahona] indray ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manara-maso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika, ka tafiditra ao ny Vaomiera miaro ny mpamaha-bolongana, Fikambanana Arabo miaro ny Zon'olombelona eo amin'ny vaovao, Mpanangom-baovao tsy voasakan-tsisintany[Reporters Sans Frontieres], Human Rights Watch[Mpiaro ny Zon'olombelona], CyberLaw Blog, Amnesty International, Komity mpiaro ny mpanao gazety, Global Voices Advocacy.

threatened_voices

Mpamaham-bolongna inona ary Aiza?

Maro ny antony mahasarotra ny mikaro-baovao miresaka mpanoratra an-tserasera sy mpamaham-bolongana voarahona sy voasambotra.

Voalohany, sarotra dia sarotra ny mamantatra azy noho ny tsiambaratelo manodidina ny fanasivanana an-tserasera sy ny fangejana. Tsy misy herinandro izay tsy andrenesana mpanao gazety an-tserasera hafa na mpikatroka voasambotra amina firenena tahaka an'i Ejipta na Iran, saingy zavamiafina tanteraka matetika ny anton'ny fisamborana sy ny antsipiriany.

Faharoa, mbola mifangaroharo be hatramin'izao ny famaritana ny antsoina hoe “mpamaham-bolongana”. Mihamaro dia mihamaro ny mpanao gazety matihanina no mikisaka mankany amin'ny gazety an-tserasera sy mamaham-bolongana fa any nomisy fahafahana kokoa, ka manasaritaka ny famaritana napetraka teo aloha. Ary maro amin'ireo antsoina hoe cyber-dissidents any Shina, Tonizia, Vietnam, na Iran no tsy manana bolongana ho azy manokana. Misy ihany koa ny fotoana noho ny zavatra natao amin'ny fiainana andavanandro no isamborana ilay mpamaham- bolongana fa tsy amin'izay navoakany an-tserasera.

Io fisavoritahana io no manasarotra ho an'ny mpiaro ny fahalalaham- pitenenana an-tserasera amin'ny fametrahana teti-panorona mahomby sy ahazoana fiaraha-miasa matotra hiarovana ny mpamaham-bolongana sy ny mpitolona an-tserasera, fa efa tena zava-dehibe aloha ny manandrana aloha.

Andao hiara-miasa

Mitarika ny vondrona mpanoratra, tonia sy mpandika teny izahay ato amin'ny Global Voices , mampahalala anay amin'izay mety hisiana fihoaram-pefy rehetra mikasika ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona. Kendrentsika ny hanakaikezana ny olona rehetra mety hanam-baovao mikasika izany miaraka amin'ny Threatened Voices.

Miantso izay rehetra manana havana, namana, mpiray tanindrazana izay efa nahazo fandrahonana izahay mba hametraka ao sy hilaza ny vaovao farany y mombamomba ireo izay nanjavona na voasambotra, mba ahafahanay mikaroka loharanom-baovao hafa, hanamarina, sy hametraka rohy an-tserasera natokana mba hanafahana azy ireny.

Amin'ny alalan'io fomba io, dia manantena izahay hahalala bebe kokoa hoe oviana, taiza ary tamin'ny fomba inona na nanao ahoana no nahatonga ny mpamaham-bolongana ho voahosihosy ny zony any amin'ny firenentsamihafa any, mba hahafahana mizara ny vaovao amin'ny mpanao gazety, mpikaroka, ary ny mpikatroka, sy hananganantsika aterineto ahafahan'ny rehetra mampihatra ny zony hiteny amin-kahalalahana, ary mba tsy hanadinoana ireo mpamaham-bolongana any am-ponja.

Aelezo maneratany. Tweet-eo [siaho an-tserasera], iresaho amin'ny bolongana ary ankotrio ny mombamomba anao ao amin'ny facebook hilaza ny Threatened Voices!

Sami Ben Gharbia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.