Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?

Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao.

Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny “fanamboarana”) mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady (jereo ny ‘Fahanginana tanteraka eo anivon'ny blaogy Tibetana‘), tsy dia misy resaka politika loatra ny tamin'ity volana ity raha ny fahitako azy.

tibetabc errorHafatra fandisoana rehefa miezaka ny miditra ao amin'ny TibetABC

Tafiditra ao amin'ireo vohikala tsy azo idirana amin'izao fotoana izao ireo tena malaza, www.tibettl.com sy www.tibetabc.cn izay mampiantrano ny blaogin'ilay mpanoratra sy mpitoraka blaogy amin'ny teny Tibetana, Jamyang Kyi.  Ny vohikala sisa mandeha izao , tsy hita hohazavaina, dia ny ChodMe (Jiron-dibera) http://www.cmbod.cn/index.html

ChodmeMbola mandeha tsara i Chodme

Misy resaka mandeha amin'ny vohikalam-blaogy Tibetana fa hoe mifandray amin'ny fisamborana an'ilay mpanoratra Tibetana Tashi (solonanarana, Therang) izao fanakatonana izao. Raha mila fanazavana fanampiny momba an'i Tashi, jereo ny lahatsoratro teo aloha ato amin'ny Global Voices.

Mahagaga fa tamin'ny volana nanombohan'ireo blaogy amin'ny teny Tibetana nikatona no nivoahan'ny People's Daily  amin'ny teny Tibetana miaraka amina vohikala eto: http://tibet.people.com.cn/

Peoples Daily Tibetan EdFamoahana ny People's Daily  amin'ny teny Tibetana

Anatina  tontolo iainana efa feno faneriterena, zavatra iray tena mampatahotra ny firongatry ny famerana ny tontolon'ny blaogy miahy tena  sy ny fipoiran'ireo vohikala  tantanina amin'ny fomba ofisialy amin'ny teny Tibetana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.