Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday

Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao amin'ny andininy faha-33n'ny “Lalàna mikasika kilonga eto Ishikawa” [ja, pdf] fa “Tsy maintsy miezaka ny hanakana ny kilonga any amin'ny fanabeazana fototra, ambaratonga faharoa fototra, ary any amin'ny fanampim-pianarana tsy hampiasa finday ny mpiambina afa-tsy amin'ny fampilazana mialoha loza ho avy, na heloka bevava mety hitranga na antony hafa manokana.” Hihatra ity lalàna vaovao ity manomboka ny voalohan'ny Janoary 2010.

Misalasala ny amin'ny hahatontosa ny fampiharana ity fitsipika ity i Chuei ao amin'ny Mainichi Blog .

これによって、「子供の携帯電話を解約しよう」とか考える親は余りいないだろうね。大体、携帯電話でもパソコンでもウェブ閲覧やEメールができるのに、何で携帯電話だけ規制なんだろうね?携帯電話の通話機能がいけないとも思えない。

家庭用の火災報知器を設置する義務も、罰則が特にないために設置が進んでいないようだし、この条例が施行された所で効果のほどは知れているだろう。 多分今後携帯電話が絡んだ小中学生の事件が発生した時の県の言い逃れ(学校に責任なし)とか、そういうことに利用されそうな条例だ。

Mahasahy manao fanamby aho fa tsy hisy ray aman-dreny hanafoana ny fananan'ny ankizy finday noho io. Nahoana no asiana lalàna amin'ny antso finday nefa efa afa-mandefa mailaka sy miserasera na amin'ny finday na amin'ny solosaina? Sarotra ny mino fa noho ny resaka antso am-pinday no anton'ity lalàna ity. Tsy manantena loatra ny hisian'ny vokatra amin'io lalàna io tahaka ny tamin'ny fanerena hametrahana fanairana fahamaizana ny trano aho satria tsy misy ny fanasaziana manokana na onitra aloa. Angamba azo ampiasaina ity lalàna ity indray andro any raha misy toe-draharaha mifandraika amin'ny finday sy sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa fototra izay ahafahan'ny prefektiora miala andraikitra, (i.e. tsy misy andraikitry ny sekoly).

Manolo-kevitra i Usagi Inu ao amin'ny Manya Hompo fa ny fampiasana finday mametraka fahana mialoha no vahaolana.

私が思うには、ネットに繋がらないプリペイドの携帯電話を持たせたらいいと思います。プリペイド携帯は決められた度数を越えて使う事ができないため、使いすぎを防止するにはいいと思います。
しかし、不景気の時勢に親が子どもの携帯電話の料金を払うなんて時代が変わりました。自分が子どもの頃は携帯もなく、親に連絡する時は小銭を持ち歩いて公 衆電話を探していましたけど、今では公衆電話を探すのに苦労するから、子どもに携帯電話を持たせるのも仕方ないのでしょうか。

Mieritreritra aho fa ny fanaovana tolotra finday ampidirana fahana mialoha tsy misy fidirana aterineto no vahaolana. Rehefa tsy afa-mihoatra ny fetran'ny fampiasana azy ianao dia ahafahana misoroka ny fampiasana azy tafahoatra izay. Na izany aza efa miova ny toetr'andro ka sarotra ho an'ny ray aman-dreny ny handoa vola ny findain'ny ankizy mandritra ny fitotongan'ny toe-karena. Tsy nisy finday nandritra ny fahazazako. Tsy maintsy nitady sofindavitra andoavam-bola aho rehefa te-hantso ny ray aman-dreniko. Ankehitriny, sarotra ny ahitana ny misy sofindavitra andoavam-bola ka tsy azo ialàna ny manome finday ny kilonga.

Malahelo noho ity lalàna ity ny Mpikambana mifindrafindra misolovava #1 ny SATT izay manome tolotra kojakojam-pianarana an-tserasera.

持つこと自体を禁止してしまうと、たとえば「公教育の中にケータイを取り入れる」といった試み自体ができなくなってしまいます。

Raha rarànao hatramin'ny fananana finday, dia mamono fahafaha-manatratra tajona tahaka ny fampidirana ny finday ho ao anatin'ny curriculum-n'ny fampianaram-bahoaka.

Nampiany fa tokony tany amin'ny mety ho azo atao no nifantohan'ny mpanao lalàna fa tsy tany amin'ny famerana.

ケータイは、日本においてこれだけ普及し、データ通信部分も含め世界に誇れる技術の固まりなので「制限」から入るのではなく、「何ができるのか」といった可能性に目を向けてほしかったと思います。

Satria manko efa malaza dia malaza eto Japana ny finday ary efa zavakanto mahazo vahana manerantany ny teknolojia, ka tafiditra amin'izany ny fivezivezem-baovao, dia faniriako raha mba any amin'ny hoe I wish they would have focused on a possibility of “inona no azontsika ampiasaina amin'ity,” no ifantohan'izy ireo kokoa fa tsy any amin'ny “famerana an'ity.”

Tsy azon'ity ray manan-janaka mirahalahy antsoina hoe Kimme ity ny antony ilàn'ny kilonga finday mialoha be.

我が家は長男が携帯を持ったのは大学に入ってからだ。次男はプリペイド携帯を持たせているが、インターネットを利用出来るようなプランには一切なっていない。いや、別に長男にしろ次男にしろ、自分でバイトして携帯代金払えるなら使って良いと私は思っている。
でも、小学校や中学校の間ははっきり言えば、必要ないと思っていたりする。こんな条例が出来る前から、我が家じゃ小中学生に携帯持たせる気なんてさらさらない訳だ。
でも、条例が出来ちゃうぐらいなんだから、持ってる子供もそれなりにいるって事なんだろう。
防犯の目的で携帯を持つって意味が個人的にはわからない。いや、確かに迷子になって携帯持ってたら探せたりするかもしれない。不審者に連れ去られたら連絡が出来るのかもしれない。塾の帰りが10時とかだったりするのかもしれない。
でも、防犯のタメに携帯を持たなくちゃならない社会の方が間違っていると私は思うのだけれど。
それよりも、小中学生に携帯電話を持たせる事で引き受けるリスクの方が、よほど大きいとは思わないのだろうか?

Nahazo ny findainy voalohany ny lahimatoako rehefa hankany amin'ny Lisea izy. Nomenay finday ampidirana fahana mialoha kosa ny zandriny, saingy tsy dia be loatra ny fahafaha-manaon'ilay kazaram-pinday tahaka ny tsy ahafahany miserasera an'aterineto ohatra. Mino aho fa mahavidy izay karazam-pinday tiany ry zareo rehefa manana asa an-tselika sady mahaloa izay laniny rahateo. Fa tsy misy ilàn'ny any amin'ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa ireny mihitsy. Tsy nanana eritreritra ny hanome finday ny kilonga mbola kely loatra ao amin'ny fianakavianay izahay na dia talohan'ny nivoahan'io lalàna io aza.

Azoko eritreretina anefa fa matoa navoaka ny lalàna tahaka izao dia betsaka izany ny kilonga no mikarataka ny hanana finday ho azy.

Tsy azoko ny dikan'ny hoe manana finday entina misoroka izay mety hisian'ny fanaovan-keloka. Eny, mety hanampy ny finday raha very izy ireo. Angamba mety hanampy ny finday raha misy maka an-keriny ny kilonga. Na angamba koa ho tonga any an-trano izy ireo amin'ny folo ora alina aorian'ny “fanaovana cours d'appui”.

Fa heveriko kosa fa diso ny fiaraha-monina raha voatery hitondra finday ny kilonga hisorohana izay fanaovan-dratsy mety hihatra aminy.

Mifamadika amin'izany ary, moa ve tsy voaeritreritrao fa mampidi-doza kokoa ny fanomezana finday ny kilonga any amin'ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa?

Saeko Robinson

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.