Kenya:Liona vita amin'ny ‘fibre de verre’ hiverina ho ‘Sauvage’ any Nairobi

Sculptors work on Lions

Liona vao avy nosokirina mihitsy

Raha tandindonin-doza ireo liona any Kenya ary  mitohy mihena ny isan'izy ireo,  nisy hetsika iray ho famoriam-bola sy fanairana ny sain'ny rehetra  mikasika ireo liona  natao tamin'ny 17 Jona 2009 tany Nairobi.

Hevitra iray avy amin’ ny  Fondation Born Free ity tetikasa ity,antsoina hoe ‘Ny reharehan'i Kenya [the Pride of Kenya]‘,   izay hampiasana liona 50 vita avy amin'ny ‘fibre de verre’,   mba hampahafantarana ny zavatra iainan'ireo liona  2.100 sisa tavela any Kenya.

“Amin'ny fandoavana  200.000 Kshs ($2.500), manentana  fikambanana maro izahay mba hiantoka liona iray vita avy amin'ny fibre de verre  ary izahay dia hanakarama mpahay zavakanto hanaingo azy ireo amin'ny Jolay sy amin'ny Aogositra”, hoy ny blaogy Pride of Kenya.

Maro ireo orinasa any Kenya no nandray anjara tamin'ity hetsika ity ary samy ‘nanangana’  ny lion'izy ireo avy. Maro koa ireo media manan-danja no efa nanomboka nitrandraka an'io tetikasa io miaraka amin'ny Nation Media Group, iray amin'ireo tranona media malaza any Kenya, izay eo amin'ny ivon'ilay hetsika mihitsy.

Efa voalaza ho ny hetsika goavanaindrindra amin’ity taona ity manodidina ny fiainana ‘sauvage’ moa izy ity. Ny blaogy Pride of Kenya dia milaza, “Tena ho lasa hetsika goavana indrindra amin’ity taona ity amin’ny fiarovana ny tontolo iainana any Kenya ny Pride of Kenya”. “Ny Pride of Kenya…izay notanterahana androany tao amin’ny Hotely Serena any Nairobi, dia efa heverina ho hetsika mitana toerana manan-danja tokoa ho an'ny firenena”, hoy i Will Travers, mpitantana ny Born Free Foundation ao amin’io blaogy io ihany tamin’ny andro fanokafana ny fanentanana.

Saiky ireo mpandraharaha daholo no nanangana ny maro tamin’ ireo liona , WildlifeDirect, fikambanana Kenyanina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eny anivon'ny aterineto koa dia nanangana liona iray. WildlifeDirect dia nitarika ny ady ho fampiatoana ny fanafarana sy fivarotana ny Furadan – famonoana biby kely amin’ny fambolena izay niteraka fahafatesana liona mihoatra ny 75  taona vitsy lasa izao – toy ny hevi-baventin'ny fanentanan-dry zareo.  Nisy ‘excitement’  nony nanao sonia ny fananganany liona iray i WildlifeDirect. Ny ekipa ao amin’ny blaogy WildlifeDirect, Baraza,  dia manoratra:

Ny fanentananay dia mifototra amin’ny fampiatoana ny fanapoizinana ireo liona amin'ny Furadan. Ny pisey fototra amin’ity hetsika ity dia sarina liona iray vita avy amin’ny fibre de verre mitovy habe amin'ny tena izy.

Ny WildlifeDirect dia hampandray anjara ireo mpamaky ny blaogin-dry zareo koa. Ao amin’ny Baraza, dia hoy izy ireo:

Mila hevitra izahay amin’ireo tsangan-kanto tian-kajoro amin'io lafika io.  Fantatro fa manana hevitra maro ianareo. Alefaso aty  aminay izy ireny. Mihevitra izahay fa tena mahafinaritra raha afaka mandefa hafatra maneran-tany momba ny fiarovana ny liona amin'ny alalan'ny lionay. Sady afaka manome soso-kevitra  hanavaozana ny liona koa ianareo – raha toa ka voatahiry hatrany ny endrika maha-liona azy.  Nefa tsy afaka mametraka dokam-barotra izahay. Tsy misy mari-pamantarana .

Ny Born Free  Foundation dia niteny fa ireo liona ireo dia tokony voahaingo hatramin'ny faran’ny volana Aogositra mba ho vonona amin’ny matso [parade] izay hatao any Nairobi amin’io Novambra io. Avy eo hamidy amin'izay sahy misondrotra ambony amin’io andro io ihany ary ny vola azo dia arotsaka amin’ireo asa fiarovana ny liona any Kenya. Ity daty amin’ny Novambra ity moa dia mifanojo amin’ny faha 25 taona nananganana ny  Born Free Foundation.

Misy marika ahitana sahady fa  ity fanentanana ity– izay naka lasitra avy tamin'ny hetsika Go Elephants natao tany Norwich tamin’ny Lohataona 2008- dia  hahaliana [hampientanentana] ary hahasarika ny hijery hoe ahoana ny fanehoan-kevitry ny tontolon'ny fitoraham-bolongana sy ireo media momba azy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.