Pakistan: Niverina ny rariny?

Nahavita dingana lehibe ny fahefam-pitsarana ao Pakistan. Namoaka didy ny fitsarana any Pakistan tamin'ny zoma 31 Jolay fa mandika ny lalampanorenana sy tsy ara-dalàna ny fanapaha-kevitry ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Pervez Musharraf tamin'ny 3 Novambra 2007, dia ny filazana ny tany ho latsaka an-katerena sy ny fandefasana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitsarana tampony hody sy napetraka tamin'ny toerana iray harahi-maso manokana. Tamin'ny alalan'io didy io dia na afa-mandray ny asany teo aloha ny mpitsara 110 nanao fianianana tamin'ny PCO (na Lalampanorenana Vonjimaika) na mody raha toa lazaina safobemantsina fa foana (tsinontsinona) ny fanendrena azy ireo. Midika izany fa tonga amin'ny tanjona farany notratrariny ny fiaraha-mientan'ny mpitsara izay nanetsiketsika aok'izany ny vahoakan'i Pakistan. Nizara vatomamy teo an-tokotanin'ny fitsarana nanerana ny firenena ny mpahay lalàna ary nisy aza no hita nandihy am-pifaliana.

Na izany aza dia maro ny zava-manahirana mbola mitoetra tamin'io didim-pitsarana io, raha mbola iadian-kevitra ny momba ny NRO (fampihavanam-pirenena) sy ny fomba anatanterahana ny fifidianana ara-dalàna. Raha tsy jerena kosa izay olana izay dia hita fa faly tamin'ny fandrenesana iny didim-pitsarana iny ny fiaraha-minom-pirenena.

Dr Awab ao amin'ny Teeth Maestro no namehy fa tokony hiafina amin'izay i Musharraf izao:

Miteny ny rehetra – noesorina ny fehin-kevitra fa niala voly isika nandritra ny 120 andro, fa tsy maintsy miatrika ny zava-misy isika fa namerina ny finoana izay nampirehareha antsika fa izay miakatra tsy maintsy midina ny Fitsarana Tampony – voatosika ara-bakinteny hitsahatra amim-pahamenarana avy amin'ny 2000 androny i Musharraf , ary tokony hionona hiafina ao amin'ny fonenany lalana Edgeware any Londres toerana tsara indrindra tokony ipetrahany.

Manontany i Kalsoom ao amin'ny CHUP – Changing Up Pakistan! (manova an'i Pakistan) :

Noho izany, raha misy lanjany ny didim-pitsarana, dia miteraka fanontaniana manao hoe – Dia ahoana izany izao? Mbola manankery ve ny didim-pitsaran'ny mpitsaran'i PCO raha lazaina fa tsy ara-dalàna ny fihaonan'izy ireo? Mifanohitra ve mamoaka didy manambara fa tsy ara-dalàna mandroaka mpitsara amin'ny alalan'ny fandroahana mpitsara betsaka kokoa?

Saesnag ao amin'ny Roznamcha – Bach mihevitra fa didim-pitsarana politika io:

Manafay an'i Musharraf ny Pakistaney amin'ny alalan'ity didy ity, manajanona (ny diany) ary mampihatra amin'ny fomba ofisialy izay efa fantatry ny mpanara-baovao Pakistaney efa ho roa taona izao. Fa mety tsy hotsaraina mihitsy izy raha mbola eo ity lehiben'ny fitsarana ity – izay miara-tafiditra ho miray petsapetsa aminy ihany koa, tamin'ny nampanaovany fianianana an-terisetra tamin'ny 1999 – ary tsy ho anontaniana azy intsony ihany koa ny fahendreny namela heloka nanendrikendrehin'olona iray azy ho nanao kolikoly.

Miresaka ny idiran'ity didim-pitsarana ity ho anatin'ny tantara ao amin'ny bolongany i Umar toor :

Mifampiresaka ny mponina any Pakistan fa mety hanova ny tantaran'ny Lalampanorenana sy ny tantaran'ny fitsarana any an-toerana ity didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Tampony ity

Mbola hafampana ny volana manaraka rehefa hipongatra izay mety hiteraka adihevitra isan-karazany nateraky ny didim-pitsarana. Miharihary fa mbola hisy ny tolona politika sy ny ady ara-dalàna, fa hanakoako mandritra ny fotoana mahahitra any amin'ny efitranon'ny fitondrana Pakistaney any ny fiantraikan'ity didim-pitsarana ity. Sambany vao nisy didim-pitsarana tahaka izao teo amin'ny tantaran'i Pakistan ary manantena aho fa raha tsy misy ny sampona dia io no tsimoky ny fiovana ho avy.

Faisal Kapadia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.