Irana:Ampahan-tsarimihetsika maro nalain'olon-tsotra momba ny hetsi-panoherana

Maherin'ny olona 100,000 no nirotsaka an-dalam-be tao Tehran tamin'ny Alatsinainy nanohana ilay reformista mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, Mir Hussein Mousavi sy ny fangatahany fanafoanana ireo voka-pifidianana nilazàna ny fandresen'ny Filoha am-perinasa Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny fifidianana natao ny 12 Jona. Niafara tamin'ny rà mandriaka ny diabe. Raha kely indrindra dia  olona  7 no namoy ny ainy.

Araka ny tatitra iray tao amin'ny  Fahitalavitra Channel 4 Britanika, (afaka napariaka ihany na dia teo aza ny sàkana natao tamin'ny fitateram-baovao vahiny) dia nisy andian'olona nitora-bato sy nandoro trano iray an'ny milisy Basij mpomba ny governemanta. Milisy iray misatro-by no nanao tifi-danitra tamin'ny AK-47 teny aminy avy eny ambony tafo talohan'ny nihemorany nanoloana ny tora-bato variraraka. Ao amin'ny YouTube dia maro ireo sarimihetsika nalain'olon-tsotra mitantara ny fizotry ny fanafihana:

Ny maraina taorian'io tifitra io, ny mpiandraikitra ny tobim-pitsaboana Rasool Akram ao Tehran dia nanao hetsika fanehoan-kery ho fanoherana ireo vono-olona. Mpanao fanehoan-kery iray no manàndratra sora-baventy iray milaza hoe: “maritiora 8 ”

Na fitifirana na famoretana dia samy tsy nahasàkana ny hetsi-panoherana, ary dia an'arivony indray ireo nirotsaka an-dalam-be tao  Tehran ny Talata. Mitombo ihany koa ny hetsika fanehoan-kery any amin'ireo tanàna hafa. Ao Shiraz, ireo mpanohitra asehon'ity sarimihetsika ity dia nandoro ny sarin'ny Filoha  Mahmoud Ahmadinejad.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.