Tontolo Arabo: Aleo hanao izay tiany eo ny Iraniana

Nitana ny votoatin'ny bilaogy arabo efa ho herinandro izao ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vokany natao tany Iran, miaraka amin'ny fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka bilaogy eny rehetra eny.

Mangataka an'izao tontolo izao i Harrega mpitoraka bilaogy jordaniana hiala mandritra ny famahanan'ny Iraniana samy irery ny aferany:

Nifidy ry zareo, na marina io fifidianana io na nisy hosoka, tsy fantantsika izany, ka heveriko fa tsy misy na iray aza afaka manamarina izany. Halako i Ahmadinejad kanefa tiako kosa ny demokrasia, ka rehefa mifidy ny olona dia tokony hajaina ny safidiny. Tsy tiako ny fanaon'i Etazonia manoloana ny firenena hafa, rehefa milaza izy fa ara-dalàna ny fifidianana rehefa ny “olony” no lany ary naneho ny heviny mazava tsara ny vahoaka, fa misy hosoka ny fifidianana rehafa “ilay masiaka” no maharesy.

Avelao ny Iraniana hifidy izay tiany, ka rehefa tiany ny hidina an-dalam-be hanongana an'i Ahmadinejad doa aleo hataony izany. Ny farany nanonganana olona masiaka tamin'ny alalan'ny miaramila nanao be fiavy dia toa tsy nandeha araka ny nilana azy loatra, tany amin'ny firenena tena akaiky an'i Iran no nisehoan'izany, akaiky ara-jeografika sy ara-pitenenana.

Ao amin'ny bilaogy arabo-amerikana KABOfest dia miresaka ny andraikitra raisin'i Etazonia amin'ny fifidianana tany Iran i Kalash ary milaza koa ny foe heno teny an-dalana teny:

Tsy fantatra na nangalarina ny vaton'i Moussavi na tsia, fa ny zavatra mazava kosa dia hoe manao fihetsiketsehana rahana kajikajy ny mpitondra. Ny hevitra tsy tia amerikana no tena voizin'ireo lohandohan'ny mpitondra fivavahana iraniana amin'izany. Mba hampidinana ny feo fotsiny no nahatonga an'i Théheran nihaino an'i Washington, satria nanalefaka ny foeny i Obama. Kanefa raha avela ho eo i Ahmadinejad dia mizotra mankany amin'ny lalan-dratsy ny fifandraisan'i Etazonia sy Iran. Mampatahotra ny zavatra miseho ankehitriny. Raha maka fanapahan-kevitra mazava i Obama dia mety hivoaka handresy ny mpitondra fivavahana silamo any an-toerana.

Tena mahamenatra. Mahatsiravina ny fomba fitantanana any Iran. Tsy misy ny demokrasia na kely aza. Hoentin'ireo “olon'ny finoana”mpanao didy jadona ny vahoaka, olom-pivavahana izay tsy manao na inona na inona akory hanatsarana ny tombotsoan'ny fireneny. Ankoatry ny mametraka an'i Iran ho eo amin'ny pejy voalohan'ny fampahalalam-baovao dia tsy nanao na inona na inona i Ahmadinejad hanondrotana ny filaharan'i <iran eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy mahagaga arak'izany raha Iraniana marobe no tsy mankasitraka azy. Angamba mety ho nahazo lesona tamin'ny fahadisoana nataony ny tompon'andraikitra amerikana kanefa kosa mety hanampy tosika ny fihetsiketsehana ihany koa izy ireo tahaka ny nataony tamin'ny taona 1953.

Enga anie mba ho raharahan-tokantrano ny zava-miseho ankehitriny. Mila manao fikomiana i Iran raha te hanaisotra ny fitondran'ny mpitondra fivavahana izay mandrirotra ny tady. Tsy i Moussavi velively anefa no ho olona afaka hitarika izany fikomiana izany, fa ny tena zava-dehibe aloha dia ny hoe efa mihetsika ny vahoaka. Tsy vita ao anatin'ny indray andro izany, kanefa mety hianjera ihany indray andro any ny Repoblika Islamika.

Hoy ny bilaogy mpanohana an'i Palestine Jews Sans Frontières:

Tsy fantatro izay hitranga any Iran. Ny fahadalana mihoampampana ataon'ilay mitonon-tena ho mpiara-dia amin'ny Tandrefana, Moussavi, izay milaza fa nahazo fandresena manoloana ilay toa hoe efa naloan'ny vahoaka, Ahmadinejad, toa tsy misy heviny firy.

Ho an'ny Iraniana dia hoy izy:

Maneho fahavononana ny vahoaka manoloana ity fanjakana mitam-piadiana sady vonona ny hamono ity, ary eo an-dalam-panoratana tantara izy ireo ankehitriny. Hotahiana anie izy.

Avy any Ejipta i Wael Nawra no maneho hevitra ao amin'ny Weekite ny amin'ny hevitry Obama manoloana iny fifidianana tany Iran iny:

لابد أن أعترف أن تعليقه متوازن وينطوي على قدر كبير من الاحترام للشعب الإيراني وتجربته الملهمة، وفي نفس الوقت لغة أوباما قوية وواضحة في دعم الحقوق الكونية لكل إنسان وشعب وللإيرانيين في اختيار من يحكمهم، كما يحمل خطابه روح إيجابية وأمل على الرغم من القلق الواضح نتيجة للعنف
Azo lazaina fa tena voalanjalanja tsara sady maneho fanajana tanteraka ny vahoaka Iraniana ny fanehoan-keviny. Miaraka amin'izany koa dia nanambara mazava i Obama, amin'ny fanohanany ny zo eran-tany sy ny zo isam-batan'olona ary ny iraisam-pirenena, sy ny zon'ny Iraniana hifidy izay hitondra azy. Nitondra fanantenana sy ho avy mihatsara koa ny teniny, na dia eo aza ny fitaintainana manoloana ny fifamonoana.

Farany dia nanamarika ny Irish for Palestine:

Ireo mpanao gazety tandrefana dia manohana ny hevitra hoe hanongana ny Repoblika Islamika ny vahoaka Iraniana, izay araka ny hevitro, dia zavatra mampatahotra izany, kanefa manana ny fandaharam-potoany ny fampahalalam-baovao. Mitovy hevitra amin'izay koa ilay mpanao gazety anglisy Fisk izay nilaza fa tsy ny hanongana ny Repoblika Islamika akory no miseho fa te hanala an'i Ahmadinejad fotsiny ireo vahoaka ireo ary matoky ny fifidianana izy ireo.

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.