Kioba : Fampisehoana ny Nova Baire, fomba fitrandrahana ny Open-Source Operating system

Tamin'ny vokatry ny fikarohana natao tao amin'ny Anjerimanontolon'ny fampahafantarana sy ny Haitao eto La Havanne[es] (raikipohy UCI amin'ny teny espaniola) any Havane dia namoaka ny fomba fitrandrahana infôrmatika “open-source Linux operating system”  azy manokana koa ny governemanta Kiobana. Antenain-dry zareo fa ovaina ho amin'io fomba fitrandrahana vaovao nomeny ny anarana hoe Nova Baire io ny 50% ny solosain'ny fanjakana izay nampiasa ny fomba fitrandrahana Microsoft Windows taloha. Hotanterahana izany ao anatin'ny 5 taona ho avy. Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy izany tao amin'ny Informática 2009 International Convention and Fair( na fety [fampirantiana] sy fifanarahana kajimirindra 2009 iraisam-pirenena) .

“Tux Guevara” sarin'ny Brunocb mampiasa ny fahazoan-dalana Creative Commons

Nandeha tsikelikely ny fivelaran'ity Nova Baire ity noho ny fahasarotana eo amin'ny fahazoana rindrambaiko (logiciels) ara-dalàna any Kioba, ary koa, araka ny nosoratan'i ZeroZen ao amin'ny bolongana Latina-Amerikana antsoina hoe FayerWayer [es] , “tandindonin-doza i Kioba raha mampiasa ny fomba fitrandrahana MS (Microsoft) satria mety ho tafiditry ny sampam-pitsikilovana Amerikana ny kaody miafina”

Voalaza koa fa mifanaraka tsara amin'ny foto-pisainan'ny fanjakana Kiobana ity fomba fitrandrahana vaovao ity. Penúltimos Días [es] araka an'i Héctor Rodríguez, nanambara ny lehiben'ny departemanta mikarakara ity fomba fitrandrahana ity:

“El movimiento del software libre es más cercano a la ideología del pueblo cubano, sobre todo por la independencia y soberanía. El software privativo puede tener agujeros negros y códigos maliciosos que uno no conoce.”

“Mifanaraka tsara amin'ny foto-pisainan’ vahoaka Kiobana ity fomba fitrandrahana vaovao ity, noho ny fahaleovantenany sy ny fiandrianany. Mety misy ambadika maizina sy kaody fetsifetsy mantsy ny logiciels tsy an'ny fanjakana ka tsy fantatra mihitsy”

Manana ny bolongana web azy manokana ny fomba fitrandrahana izay hahafahan'ny mpampiasa azy mamahana ny Nova Baire ary misy koa ny resaka an-tserasera ao amin'ny forum. Mpitoraka bilaogy iray, TBS ao amin'ny Bloggers Cuba [es] no efa nanandrana ny Nova Baire ary milaza ny heviny fohifohy:

Ya tuvimos la oportunidad de probarlo por acá en una máquina virtual y nuestra primera impresión fue bastante buena. Hace todo lo que por defecto la mayoría de las demás distribuciones de Linux para usuarios: realizar trabajos de oficina, reproducir archivos de música y video, navegar por Internet y mensajería instantánea, ver fotografías y utilizar otras múltiples aplicaciones para un mejor desempeño laboral o de ocio.
Como ya dije es una distribución enfocada al usuario final, a mi consideración bastante amigable e intuitiva. Según el nivel de estabilidad y rendimiento que demuestre podría ser la ideal para ser utilizada en el proceso de migración que realiza el país hacia Software Libre de usuarios provenientes y acostumbrados a sistemas como Microsoft Windows.

Afaka nanandrana ny Nova Baire tamin'ny solosaina tsy tena izy izahay ary nahita fa mahaliana tokoa izy ity. Hitanao ao daholo izay tolotra rehetra ampiasaina ao amin'ny Linux : ny bureautique, ny mozika sy ny sary mihetsika, ny serasera amin'ny internet sy ny hafatra eo no ho eo, ny sary isan-karazany, sy ireo maro hafa ilaina momba ny asa sy ny fialam-boly.

manome fahafaham-po ireo mpampiasa azy ny tolotra ary mino aho fa tsy ho sarotra izany satria sady mora azo an-tsaina. Raha refesina amin'ny zava-misy dia azo ambara fa tsy hanana olana amin'ny fampiasana azy ity ireo rehetra efa zatra miasa amin'ny fomba fitrandrahana Microsoft Windows rehefa afindra amin'ny Open-Source Software izy.

Misy koa ny sary mihetsika afaka jerena izay nalaina tamin'ny fotoana nanandramana ny Nova Baire.

Eduardo Avila

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.