Malawi: Fifaninanana web & ireo filohany ao amin'ny Facebook

Sambasamba fa hahita ny fizotran'ny fandaharana ahitana fifidianana sy ahalalana izay mandresy amin'ny “The 2008 Malawi Web Awards“ na “loka 2008 n'ny aterineto Malawi” ny vahoaka any. Omena isan-tsokajiny avy ho an'ny mpandraharaha an-tserasera, mpandefa fandaharana an-tserasera, mozika an-dahatsary, fitaovam-piseraserana ara-piaraha-monina mazoto, gazety an-tserasera, mpamaham-bolongana, mpanao gazety, mpanakanto an-tserasera izy ireo. Misy noho izany ny sokajy izay tsy voatery hiorina amin'ny aterineto, tahaka ny Olombe Malawita mendrika sy ny Mpitarika ny Ampitso. Ao amin'ny teny nataon'ny mpikarakara moa dia:

The Malawi Web Awards were conceived to acknowledge contributions that Malawians have made throughout the past year. The Malawi Web Awards mainly recognize individuals who helped in publicizing Malawi and raising awareness of issues affecting the population of the Warm Heart of Africa. This year the nominees raised awareness of Malawi in various areas (political, cultural, entertainment).

Noketrehina mba hahalalana ny ezaka vitan'ny Malawita nandritra ny taona ity fifaninanana ity. Ny olona nanome laza tsara an'i Malawi sy nahay nampahafantatra izay mihatra amin'ny mponin'ny Ati-Fo Lalin'i Afrika no tafiditra amin'ity fifaninanana ity. Tamin'ity ireo voafantina ho nampahafantatra an'i Malawi dia avy amin'ny sehatra samihafa (politika, kolontsaina, fialam-boly)

Naseho tamin'ny endrika telo samihafa moa ny filazana: tao amin'ny bolongan'i Caleb Phiri antsoina hoe Malawi Current News, tao amin'ny vohikalam-piaraha-monina naorina ho amin'ny vanim-potoana ao amin'ny Facebook, ary ao amin'ny vohikalam-pifampizarana Youtube.

Ao anatin'ny olona ampolony voafantina ho amin'ny fifaninanana i Hazel Warren, vehivavy Malawita izay faharoa tamin'ny telerealite Big Brother Africa 3, ny mpamaham-bolongana William Kamkwamba sy Victor Kaonga, ny mpanazatran'i ekipam-pirenena eto Malawi amin'ny baolina fandaka, Kinnah Phiri, ny mpiasan'ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra, ary ny mpanakanto toa an'i Laurence Mbenjere asongadin'ny lahatsary etsy ambany:

Hatramin'ny 19 desambra 2008 amin'ny folo ora alina ny fotoana ifidianana isan-tsokajy. Holazaina ao amin'ny Bolongana Malawi Current News moa ny valiny ny andron'ny alatsinainy 22 desambra 2008.

Ny vaovao farany avy any Malawi dia ny fihavian'ny fifaninanana momba ny aterineto voalohany indrindra any an-toerana vao eo ampihainoana ny filazan'ny filoha Malawita teo aloha Dr. Bakili Muluzi ihany koa milaza, fa nampiseho ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook profile izy, ary vao nanangana vondrona Facebook ho an'ny mpanohana azy indrindra.

Manana vondrona Facebook mpanohana azy izay efa nijoro hatramin'ny volana Mey 2008 ihany koa ny filoha mitondra amin'izao fotoana izao, ny Dr. Bingu wa Mutharika.

Steve Sharra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.