India: Ry Isiraely malala, tiavo i Kashmir

False Dichotomies an'i Alex Stein no ao nahazo taratasy iray avy any Kashmir, Misaotra azy noho ny nitaterany ny vaovao tany Mumbai (Bombay). Toy izao no vakiny: “Noraisina ary horaisina tsara hatrany ny Jiosy eto Kashmir. Raha ny marina, tamin'ny 1991 raha nataon'ny mpitolona Pakistaney takalon'aina ny jiosy  dia vondrona Kashmirita iray – JKLF izay mijoro ho amin'ny fahaleovantenan'i Kashmir lahika – no namonjy azy ireo. Ny fombam-bahoakan'i Kashmir tsotra dia tsy mahalala afa-tsy ny firahalahiana sy ny fampiatranoana amin'ny vahoaka Jiosy. Irarianay hatrany ianareo ho tonga soa aty.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.