Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany


Avy ao andrenivohitry Kolombia, Bogota, ny mpanao gazety Víctor Solano no nametraka antserasera lahatsary iray ahitana ny filaharan'ny olona maro, ary nahitana tampoka ihany koa ilay biby ankafizin'ny ankizy manerantany [ao anatin'izany ve ny malagasy?]. Misy sary sy lahatsary hafa ihany koa ao amin'ny bolongany [nohony tsy hfahazakan'ny milin'ny mpandika teny na ny sary na ny lahatsary dia tsara indrindra raha mba jerena ao amin'ny lahatsoratra nadika izany].



Samy milaza ny heviny handray anaja rana tsia amin'ny fihetsiketsehana avokoa ny mpamaham-bolongana Kolombiana.

Mauricio Duque Arrubla ohatra ny manazava tsara ny heviny:

Caminando, se cura la herida…

Mety ho sitrana ny ratra eny ampandehanana…

Naka sary nampitondrainy ny lohateny hoe “Flags” ihany koa ny vadiny.

Dianacats izay monina any amin'ny tanandehibe hafa ao Kolombia, Medellin, indray mijery ilay lafiny varotra tamin'ilay diabe ary gaga ihany raha nahazo dokambarotra avy amina mpivarotra pizza tonga tao amin'ny imailakany, ary mieritreritra fa lasa lavitra ihany ny mahita haivarotra na pizza miaraka amina diaben'ny fahafahana sy fahaleovantena izany. [nt: ny telma sy ny Kaominina Antananarivo koa ary mba toy izany koa]

Avy any amorontsiraky Kolombia ao Barranquilla i El Gerente no mamoaka ny sary nalainy nandritra ny andron'ny diabe nataony.

Ny mpamaham-bolongana Arlovich Correa Manchola indray dia nanoratra ny hevitry ny teny hoe Firenena, ary nasehony fa nanakona ny famonoana ireo saindikalista eo ampelatanan'ny fitondrana ny fanantenana nateraky ny diabe.

La patria olvidará mañana al sindicalista del Polo que se entierra hoy, detenido y desaparecido por fuerzas oficiales, según éste comunicado. Guillermo Rivera llevó a su hija a la ruta del colegio y luego desapareció, después de ser abordado en plena vía pública de Bogotá, por sujetos que a la postre lo torturaron y asesinaron.

La patria ha asesinado a 29 sindicalistas como Rivera, en lo que va corrido del año.

La patria mata 5 sindicalistas al mes.

La patria mata un sindicalista a la semana.

La PATRIA está ensangrentada, tiene las manos y la boca y el alma sedienta de sangre.

Al final del día la patria reza el rosario. Y se lava las manos.

Rahampitso dia ho adinon'ny Firenena ny fandevenana natao androany ilay mpitolona saindikalisitra avy amin'ny antoko mpanohitra nosamborin'ny hery vondrotafiky ny fitondrana ary nanjavona, araka ny filazana ofisialy. Teny ampanaterana ny zanany vavy ho any an-tsekoly i Guillermo Rivera no nisy andian'olona nanakana azy teo andalamben'i Bogota, ka nidarodaroka sy namono azy.
Namono saindikalisitra 29 tahaka an'i Rivera ny Firenena tamin'ity taona ity fotsiny.
Namono saindikalisitra 5 isam-bolana ny Firenena.
Namono saindikalisitra iray isan-kerinandro ny Firenena.
Mandrika ny rà eto amin'ny FIRENENA, liandrà ,ny tanany sy ny molony ary ny fanahiny.
Rehefa mifarana ny andro dia mivavaka miaraka amin'ny rozery (vakana itanisana vavaka) ny firenena. Ary hanasa ny tanany.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.