Ny fanambarana nataon'i Koichi Kato, mambran'ny Antoko Liberaly Demôkratika Japôney [Liberal Democratic Party] sady ministra teo aloha rahateo, tamin'ny 7 Jolay 2008 lasa teo dia niteraka fahatezerana teo anivon'ireo mpiblaogy Japoney sy tao amin'ny vohikala 2channel [Japôney]. Ny tsy fandrosoan'ny adihevitra fikatsahana fihavanana amin'ny Japàna sy Kôrea Avaratra dia narohin'i Koichi Kato tamin'ny raharaha izay tsy mbola namerenan'i Japàna amin'i Kôrea Avaratra foana ireo olona 5 izay nalain'i (Kôrea Avaratra) an-keriny [Anglisy] ary navotsotry Kôrea Avaratra ho any Japàna amin'ny fehim-potoana noheveriny ho fotoana fohy monja tamin'ny taona 2002. Ireo vondron'olona nalaina an-keriny ireo dia teratany Japôney nalain'ny fitondrana any Kôrea Avaratra tamin'ny faramparan'ny taona 1970 sy ny voalohandohan'ny taona 1980 [Anglisy], ary mbola nanjavona tsy hita mandrak'androany ny ankamaroan'ireo olona nalaina an-keriny ireo [Frantsay].
Araky ny fanambaran'ny indraim-bava [Japôney] izay tanisain'ireo blaogy sy serasera izay mikasika izay antony nahatonga ny fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny taona 2002 mba tsy hamerenana amin'i Pyongyang ireo olona nalaina an-keriny izay namangy tany Japàna, dia nambaran'i Koichi Kato : “(Voalza fa) raha nampodiana izy ireo, dia ho novonoin'ny fitondrana any Pyongyang, anefa dia izany no mahasamihafa ny zotra pôlitikako [amin'ny mpanao pôlitika hafa toa an'i Shinzō Abe : Praiministra herintaona Septambra 2006-Septambra 2007]. Tsy misy izay antony tokony iheverana fa hanatanteraka izany famonoana izany tokoa ry zareo [Kôreana Tavaratra].”
jieeku no mamaly ao amin'ny rare metal [vy vitsy mpanana] :
私はこの記事を読んで、憤っています。
どの様なことを言われても、拉致は犯罪行為のなにものでもないのですよ。
拉致被害者の家族の方がオッシャッテいます。
「拉致問題は簡単なことなんです。犯罪だから」っと。
国民の大多数の人々が、拉致は犯罪だと考えています。
お国の政治家さんらは、被害者の方々を政治の道具としてしか、お考えになっていませんか?
日本国民を未だに犯罪から救い出すこともしないで、加藤さん、何をオッシャテおられるのですか。
Heverin'ny ankamaroan'ny vahoaka ho heloka be vava ny fakana an-keriny.
kisaragiyayoi852 kosa dia velom-panontaniana :
人として恥かしくないのか?
政治家って国益のためならば個人を見殺しにしてもいいという考えしかないのか?
Ny sasany kosa dia avy dia mivantambatana tamin'ireo hafatra napetrany. yoshikazu53toyoshima dia namaly amin'ny fehezanteny roa monja :
黙れ、売国奴!
日本から立ち去れ!
Ao amin'ny Cthulhu in the Water no anoloran'ny mpiblaogy hafa izay fomba fijeriny ka mampitaha izany amin'ny raharahan'ny fanodikodinana fiaramanidin'ny zotra an'habakabaka Japan Airlines laharana faha-351 :
加藤紘一(敬称を付ける気にもならない)は、拉致被害者やその家族に面と向かって同じ台詞を言うことができるのか。もしも、北朝鮮との交渉に生け贄が必要だというのなら、なぜ、自分の家族を差し出すと言えないのか。かつて、よど号ハイジャック事件が起きたとき、山村新治郎運輸政務次官は人質の身代わりとなって男を上げた。同じように、加藤紘一が自分の家族を差し出せば、政治家として株を上げることができただろう。自分は安全な場所にいて、無力な拉致被害者を生け贄にしようなど、卑劣きわまりない。