Irak : Mainty – Lokon'ny hirifiry

Efa zatra mitondra fitafiana mainty ny vehivavy Irakianina amin'izao – lokon'ny alahelo sy fisaonana hoy ny voalazan'ny Inside Iraq. Misy ihany nefa eny anivon'ny haizina eny vehivavy milaza fa manao fitafiana volon-tany, maitso na mavokely mihitsy aza !

Araka ny voalazan'i Correpsondent Jenan dia :

Black is the favorite color for Iraqi women's clothing–not because they like it, but because they are used to wearing it. For decades Iraqi women have suffered from wars, sometimes losing their loved ones. That has caused them to wear black to show their deep grief.

Ny mainty no mahazo vahana indrindra amin'ny fitafian'ny vehivavy Irakianina – tsy hoe izay akory no tian'izy ireo, fa efa zatra mitafy toy izany izy. Ampolon-taonany no niainan'ny vehivavy irakianina tao anatin'ny ady, indraindray namony ny olona tiany izy. Maneho ny fahorian'izy ireo ny fanaovana fitafiana mainty.

Mampiroborobo ny tsenan'ireo mpivarotra ny fomba tahaka izany. Hoy ihany i Jenan :

Even Iraqi merchants import black clothes more than any other color, to meet demands of the marketplace.

Manafatra akanjo mainty maro, mihoatra ny loko hafa, mihitsy ireo mpivarotra irakianina mba hamaliana ny hetahetan'ny olona eny an-tsena.

“Inona koa ny fepetra hafa tokony arahin'ny vehivavy irakianina rehefa mifidy ny fitafiany ?” hoy ny fanontanian'i Jenan, izay valiany ihany hoe :

The most widely used, as explained earlier, is black. Besides for mourning, black is also used in our traditional costume called an aba (gown).

Ny mainty no tena ampiasaina araka ny voalaza teo aloha. Ankoatra ny fisaonana, dia ampiasaina koa ny mainty rehefa manao ny fitafiana nentin-drazana antsonina hoe “aba” (akanjo lava).

Mitantara ny zavatra niainany miaraka amin'ny reniny, izay nanao akanjo mainty hatreny an-doha ka hatreny amin'ny ratsa-tongony nandritra ny 28 taona, i Jenan. Izao no nolazainy :

Ever since 1980 until today I see my mom wearing black clothes from the top of her head to her toes. She first started wearing back after the death of my father 28 years ago, and she has never changed it even once, despite whatever happiness has happened in our family. My mom is like millions of Iraqi women who lost their husbands, brothers, sons or other loved ones.

Once I aasked my mom to put at least a white scarf on her head instead of a black one,. She replied: “It is shameful wearing colorful clothes if you have lost your beloved.” My mom was convinced that women who lost their loved ones shouldn’t wear any color but black.

Hatramin'ny taona 1980 no nahitako ny reniko mitafy mainty hatreny an-tampon-dohany ka hatrany amin'ny ratsa-tongony. Tamin'ny nahafatesan'ny raiko, 28 taona lasa izay, no nanomboka nitafy tahaka izany izy ary tsy mbola niova mihitsy hatramin'izay, na dia indray mandeha aza – na inona na inona hafaliana nisy tao amin'ny fianankavianay. Tahaka ny vehivavy irakianina an-tapitrisany izay namoy ny vadiny, anadahiny, zanany lahy na ireo tiany hafa ny reniko.

Nangataka ny reniko aho indray mandeha mba hanao, farafarahatsiny, saron-doha fotsy fa tsy mainty. “Henatra lehibe ny mitafy fitafiana milokoloko rehefa namoy olona tiana ianao”, hoy izy. Resilahatra ny reniko fa tsy tokony hanao fitafiana ankoatra ny loko mainty ny vehivavy namoy olona tiana.

Mba ahoana kosa i Jenan ? Tiany ve izany ? Izao no nambarany :

As for myself, I like to wear different colors. I especially like brown and green–and sometimes even pink! It doesn't have to be a special occasion for me to wear pink, just whenever I feel like it. Besides abas, we wear veils, and they should be color-coordinated with the other color you are wearing.

Underneath the aba, you can wear any color you wish, but for the veil which goes over and around your head, it should be harmonious with the color of your aba. You should also wear only black sandals with your black aba. With other colors of clothes, you can wear different shoes of different colors.

Izaho dia tia manao akanjo miloko hafa. Ny volon-tany no tena tiako, dia ny maitso – indraindray aza mavokely ! Tsy mila antony manokana aho vao manao akanjo mavokely fa rehefa izay fotsiny no tiako. Ankoatra ny “aba” dia misarona voaly koa izahay, ary tokony mifanaraka amin'ny lokon'ny akanjo ny lokony.

Mahazo manao izay loko tiana ao ambanin'ny “aba”, fa ny voaly izay hasarona ny loha dia tsy maitsy mifanaraka amin'ny lokon'ny “aba”. Kapa mainty ihany koa no tokony anaovana miaraka amin'ny “aba” mainty. Raha hafa ny lokon'ny akanjo dia afaka manao kiraro hafa loko koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.