Vao tsy ela izay, no nanatanterahan'ny antoko [eo amin'ny fitondrana] UDF [United Democratic Front ] ny fihaonambeny sy ny nifidianany ny filoha taloha Bakili Muluzi ho kandidan-dry zareo amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahaina amin'ny taona ho avy any Malawi [2009]. Ny filoha lefitry Malawi, ny Dr Cassim Chilumpha izay ambany fiampangana ho mpamadika no mba mpifaninana hany niatrika taminy. Austin Madinga izay mpiblaogy monina any Lilongwe dia mihevitra fa diso ny fototry ny fanapahan-kevitra izay nanosika an'i Muluzi hiverina hanao pôlitika. Tsahivin'i Madinga ny tafatafa nifanaovan'ny filoha Muluzi tamin'ny BBC [haino aman-jery mivoy vaovao Anglisy] ho fampidirany ny lahatsorany :
When asked why he would like to return as Malawi's president he said because Bingu wa Mutharika (Muluzi's successor) had dumped the party after he was elected president and as such he needed to return the UDF to power!
This type of reasoning to me is not only gravely flawed but also defied all logic. Mr Muluzi needs to be reminded that people do not ascend to power to simply punish others or for the sake of being a ruling party. They are placed in positions of authority to serve the people and going by Muluzi's past record, that is not likely to feature high on his agenda.
Nanokatra blaogy vao herinandro vitsy izay i Boniface Dulani izay sady mpanaraka vaovao pôlitika raindahiny no mpampianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Malawi. Ny lahatsorany vao tsy ela dia nampitondrainy ny lohateny hoe Momba ny fihaonamben'ny antoko UDF sy izay antony tsy hifidianako an'i Muluzi. Tsikerainy ny fanolorana an'i Muluzi ho kandida sy ny fihaonamben'ny UDF izay ampitahainy amin'ny vazivazy satria na ireo solontena izay nanatrika izany fivoriana izany aza dia tsy nisy nofidiana tamin'ny fomba demôkratika akory :
Even if I was to be persuaded to believe that Muluzi did a wonderful job in his first ten years in office (and it would not be a mean achievement to convince me), I just cannot accept that the UDF does not have any other individuals from within their ranks that are capable of leading the party into the next elections. The only way we know Muluzi has the potential to be President is because he was given the chance to serve in the first place. This only goes to show that what the country, and the UDF, lack is not people with leadership potential, but opportunities to serve. If Muluzi is so important to the UDF, he can serve an important advisory role to a different UDF nominee instead of clinging on to the candidacy himself.
Andao hiova lohahevitra indray ka hiresaka zavatra hafa mihitsy mikasika an'ny Malawi. Bennet Kankuzi izay mpiblaogy monina any Botswana dia nanokatra blaogy vaovao nampitondrainy ny lohateny hoe Tiako I Malawi [I Love Malawi fa tsy TIM tsy akory] izay nafantony ho fanapariahana sary mikasika an'i Malawi izay mitondra ny anaram-bosotra hoe “fo mivaivain'i Afrika” [Warm Heart of Africa]. Ka raha misy amintsika liana ny hahalala bebe kokoa momba ny hakanton'i Malawi, dia indro blaogy ahafahanareo manaraka vaovao hafa ankoatr'izay resaka pôlitika sy toekarena [izay efa mankalao]. Io sary manaraka ambany io dia ahitana lemaka ambolena dite any amin'ny faritra Atsimon'ny Malawi: