Egypta:Ataovy ankivy izao tontolo izao

Ny olona eran'izao tontolo izao dia mampiasa ny fanerena ara-toe-karena mba hanoherana fanapahan-kevitra politika amin'ny alalan'ny fiantsoana fanaovana ankivy ny vokatra avy amin'ny firenena voafaritra mazava. Miaraka amina firenena maro izay ampidirina foana ao anatin'ny lisitr'ireo tratry ny ankivy, dia mizara izao hevi-baovao izao ny mpitoraka blaogy Egyptiana Tarek. Ataovy ankivy izao tontolo izao, hoy ny antson'ity mpitoraka blaogy ity. Hoy Tarek:

قاطعوا المنتجات الدنماركية بسبب الرسوم المسيئة
و المنتجات الهولندية بسبب الأفلام التي تسخر من الدين
و المنتجات الأمريكية بسبب معاملتهم الغير إنسانية للعرب
و المنتجات البريطانية بسبب تفتيشهم للبابا شنودة في المطار
و المنتجات الصينية بسبب عدم إيمانهم بأي من الديانات السماوية
و المنتجات المصرية لأن بعض الناس يسبون الدين لبعض حين يتشاجرون
لذلك و إيمانا بدور هذه المدونة في حماية الأديان السماوية و الأخلاق الحميدة
فإننا ندعوكم أن تقاطعوا العالم
قاطعوا العالم يا عالم

Ataovy ankivy ny vokatra Danoa noho ireo sary ahetsika mandranitra
Ary ny vokatra Holandey noho ireo sarimihetsika manivaiva ny finoana.
Ary ny vokatra Amerikana noho ny fomba fitondrany ny Arabo ho toy ny tsy olombelona
Ary ny vokatra anglisy noho izy ireo mikaroka ny Papa Shenuda eny amin'ny seranam_piaramanidina
Ary ny vokatra Sinoa noho izy ireo tsy mino na kely aza ny fisian'ny fivavahana amin'Andriamanitra tokana
Ary ny vokatra Egyptiana satria misy olona miozona amin'ny fivavahan'ny hafa rehefa raikitra ny fifandirana
Izany no antony, raha ny finoan'ity blaogy ity, hiarovana ny fivavahana amin'Andriamanitra tokana sy ny fitondran-tena mendrika.
Miantso anao aho hanao ankivy izao tontolo izao!
Ataovy ankivy izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.